Ny fitondrana sy ny fampiasana ny fahefana

Nosintonina avy amin’ny Boky « Ny asa faminaniana sy ny Fiainam-pirenena ary ny Fifohazam-panahy » nosoratan’i D.Rabarihoela Voalohany.

 

Satria mikasika ny asa faminaniana sy ny fiainam-pirenena no anton-dresaka, araka izay mety hanazavan’ny tenin’Andriamanitra azy sy araka izay hita tamin’ny alalan’ny Fifohazam-panahy teto Madagasikara, dia tsy ilaozan’izay ho tonga ao an-tsaina avy hatrany ny fanontaniana momba ny fitondrana ny raharaham-pirenena sy momba ireo mpitondra ny firenena, na ireo tany aloha, na ny ankehitriny, na ny ho avy. Inona no azo lazaina momba izany? Tsotra no azo avaly izany:

1/ Ara-tSoratra Masina dia ekentsika fa tsy misy zavatra tonga ho azy, na misy, na miseho, raha tsy noho ny sitrapon’Andriamanitra. Hoy indrindra ny voalazan’ny epistilin’i Jakoba Apostoly momba izany manao hoe: “He! Hianareo izay manao hoe: Anio na ampitso dia hankaty Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra, kanefa tsy mahalala ny ho ampitso hianareo. Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany hianareo, izay miseho vetivety, dia levona. Fa aleo manao izao: Raha sitrapon’ny Tompo, ka velona izahay, dia hataonay izao na izany” (Jak.4:13-15). Ary dia noho izany no nahatonga ho filamatra, raha ny amin’ny fiainana kristiana no lazaina, ny tenin’ny tonom-bavaka nataon’i Jesosy manao hoe: “aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” (Mat.26:39b/ Mar.14:36 / Lio.22:42). Ny fandraisana fahefana sy ny fitondrana firenena dia manaraka izany lalàn-javatra izany koa, araka ny voasoratra hoe: « Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin’Andriamanitra » (Rom.13:1b). Izany « tendrin’Andriamanitra » izany dia asehony sy tanterahiny amin’ny alalan’ny atao hoe « fiantsoana », fa « izay notendreny no nantsoiny koa » (Rom.8:30ª).

Tsara hazavaina sy hotsiahivina koa anefa, raha ny momba ny fiantsoana no resahina, fa:

– voalohany, ny fototra iorenan’ny fiantsoana ho amin’ny fitondrana sady antom-pisiany dia ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra, atao hoe ny sitrapon’Andriamanitra. Raha Andriamanitra no manome, na, ny marina kokoa, mampindrana ny fahefana ny olona, dia ny mba hanaovan’ny olona izay nomena izany ny sitrapon’Andriamanitra, dia ny hampandroso ny ambaindain’ny fanjakany amin’nyfitoriana sy fampanjakana ny fahamarinany sy ny fanasoavana ny namana sy ny firenena, araka ny voasoratra hoe: « mpanompon’Andriamanitra izy hahatsara » (Rom.13:4). Avy amin’izany no nahatonga ireo fanendren’Andriamanitra mivantana olona ho amin’ny asa sy andraikitra samihafa araka ny fikasany.

Teo amin’ny firenena Isiraely, dia niseho izany araka ny voasoratra hoe:“notendreko ho mpiandry ny Isiraely oloko” (2 Sam.7:7,1 Tan.17:6), “notendreko ho mpanapaka ny Isiraely oloko” (1 Mpan.16:2), “notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena” (Jer. 1:5), “notendreko ho mpitily ho an’ny taranak’Isiraely” (Ezek.33:7). Nisy koa anefa ny fanendrena manokana nataon’Andriamanitra olona tsy avy amin’ny Isiraely mba hanafaka ny firenena Isiraely. Niseho izany tamin’i Kyrosy mpanjaka izay nantsoin’Andriamanitra mba hanafaka ny firenena Isiraely avy amin’ny fahababoany tany Babylona, dia araka ny voasoratra hoe:

“Izao no lazain’i Jehovah amin’ny voahosony, dia Kyrosy, izay notantanako tamin’ny tànany ankavanana, mba handreseko firenena eo anoloany sy hamahako ny fehin-kibon’ny mpanjaka, mba hamohako varavarana eo anoloany, ka tsy hirindrina intsony ny vavahady: Handroso eo alohanao Aho ary handravona ny mikitoantoana sy hanorotoro ny varavarana varahina ary hanapatapaka ny hidy vy; dia homeko anao ny rakitra ao amin’ny maizina sy ny harena nafenina ao amin’ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah Izay miantso anao amin’ny anaranao, dia Andriamanitry ny Isiraely. Noho ny amin’i Jakoba mpanompoko sy Isiraely voafidiko no niantsoako anao tamin’ny anaranao sy nanomezako anarana malaza ho anao, na dia tsy nahafantatra Ahy aza hianao. Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa: Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho efa nampisikina anao, kanefa tsy nahafantatra Ahy hianao, mba hahafantarana hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany fa tsy misy afa-tsy Izaho: Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa, dia Izaho Izay mamorona no manao izany rehetra izany” (Isa.45:1-7).

Mazava araka izany fa misy ny tanjona kendren’Andriamanitra amin’ny fanendreny olona araka izay anirahany azy. Ka ny tanjona ambony indrindra amin’izany dia ny hahatonga ny olona rehetra ho voavonjy, ary ao anatin’izany ny olom-pirenena tsirairay, dia izy hahalala ny fitiavan’Andriamanitra sy
ho vita fihavanana Aminy (Jao.10:16;17:12 / 2 Kor.5:18-21), ary dia ho tafiditra ao amin’ny fanjakany mandrakizay sy handova izany (Mat.25:34 / Rom.8:17) ho fitahiana tsy mitsahatra (Lev.26:45). Mba hahatanteraka izany fikasana tsara izany, dia manendry olona ho amin’ny « fitondrana ny firenena » Izy, dia
olona antsoiny ho mpiara-miasa Aminy, ary manao ny firenena ho sahan’Andriamanitra sy trano arafitr’Andriamanitra (1 Kor.3:9).

– faharoa manaraka izany, raha lazaina fa zavatra iray ny fiantsoana na fanendren’Andriamanitra ny olona ho amin’ny asa na andraikitra iray, toy ny fitondrana firenena – araka ny fikasany sy ny nahim-pony madiodio (1 Kor.12:11) -, dia zavatra hafa koa ny fiasan’ny safidin’ny olona sy ny fihetsiny manoloana ny
fiantsoana azy: na izy manaiky izany fiantsoana izany (Jos.24:15), na izy mandà izany (Jona 1:1-3).

Raha manaiky izany anefa izy, dia mbola misy safidy amboniny koa ny handehanany amin’izany:

. na izy mifidy ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra sy ny hanatanteraka ny fikasany araka ny antony izay iantsoan’Andriamanitra azy (Mat.6:10b), dia ny hitondra ny firenena amin’ny fahamarinana mba ho famonjena ho azy sy hahatonga fahasoavana ho an’ny maro;

. na izy mifidy ny hamily ny fiantsoan’Andriamanitra ho amin’ny antony hafa izay mazàna ny hahatanteraka ny sitrapon’ny tenany fa tsy ny sitrapon’Andriamanitra, ka itadiavany ny tombony ho azy manokana fa tsy ho an’ny asan’ny Andriamanitra na ho an’ny firenena (1 Sam.15:10-23);

Ary raha manaiky ny hanatanteraka ny planin’Andriamanitra izy dia mbola afaka misafidy ihany koa, na izy hiankina amin’Andriamanitra sy ny fitarihany amin’ny fanatanterahana ny antom-piantsoany, na izy handeha amin’ny herin’ny tenany ihany (Oha.28:26/ Zak.4:6), na koa hiankina amin’ny olona na aminjavatra hafa fa tsy amin’Andriamanitra (Oha.11:28/ Isa.31:1/ Jer.17:5).

Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia miankina indrindra koa amin’ny olona izay nantsoin’Andriamanitra ny hahalavorary na tsia ny antony niantsoan’Andriamanitra azy, satria nomeny safidy izy ny amin’izay fomba hiatrehany izany fiantsoana izany, ny amin’ny fomba entiny hanatanteraka izay antompiantsoan’Andriamanitra azy. Saingy mbola hadinin’Andriamanitra sy hovalian’Andriamanitra amin’izany kosa izy, toy ny mpanompo izay notendren’ny tompony hifehy ny olony sy hanome hanina azy amin’ny fotoana (Mat.24:45). Fa ny tena fikendreny sy faniriany ary fifaliany indrindra kosa dia ny hahita mpanompo ho mahatoky hatramin’ny farany ka hitenenany manao hoe: “Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany. Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy” (Mat.24:46-47), dia ny olona hanaiky ny fiantsoany, ka hanatanteraka ny fikasany ary hiray antoka Aminy mba hahatontosany izany, araka ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ny voaloboka izy, dia toy izany koa hianareo, raha tsy miray amiko. Izaho no voaloboka, hianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona” (Jao.15:4-5).

Fa amin’izany fanendrena ho amin’ny fitandreman-draharaha sy fitantanana fananana ary fitondrana olona sy firenena izany, dia misy ny hita ho mahatoky, ary misy ny hita ho tsy mahatoky (Mat.25:14-30). Koa ny mba hiarovana ny fiantsoana tsy ho simba na hanimba koa ny asa izay ikendren’Andriamanitra azy no nahatonga ny Apostoly Paoly hiangavy indrindra ireo kristiana tao Efesosy nanao hoe: « izaho, mpifatotra noho ny amin’ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo » (Efes.4:1), izany hoe handeha sy hanao amin’ny fomba mifanaraka amin’ny fikendren’Andriamanitra Izay Tompon’ny fiantsoana mba hahatanteraka izany fikendreny izany. Izay no atao hoe “mandeha amin’ny finoana”, dia amin’ny fahatokiana an’Andriamanitra sy amin’ny fankatoavana Azy. Izay no ankasitrahan’Andriamanitra sy handraisana ny fitahiany. Fa “raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy” (Heb.11:6a). Ary dia nohon’ny amin’izany no nanafaran’i Paoly koa ireo mpino tao Filipy manao hoe: “miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony” Fil.2:12b-13.

Ireo teny miendrika fitaomana sy fananarana ireo dia tsy foana fa mbola mitoetra manan-kery mandraka ankehitriny eo amin’ny fanaovana ny asan’Andriamanitra, ka tokony hampandini-tena izay rehetra tandrify azy.

Fomba ahoana no fidikan’izany ara-panaovana sy ara-pampiharana?

2/ Lafiny fampiharana

Mazava ny safidy apetrak’Andriamanitra amin’ny mpitondra ny firenena, hoy isika, dia ny handeha araka ny fahamarinana araka an’Andriamanitra na tsia, ny hanatanteraka izay fikasany na ny planina nosoritany na tsia, ny hiankina Aminy sy hiray antoka Aminy na tsia; raha bangoina, dia ny hanao ny sitrapony na tsia (Mik.6:8), fa ny sitrapon’Andriamanitra dia « izay tsara sady ankasitrahana no marina » (Rom.12:2b).

Ary ny fikendreny ho an’ny firenena dia ny hahatonga fiadanana, araka ny teniny manao hoe: « Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany » (Jer.29:11), dia fahasoavana fa tsy fahavoazana, fanambinana fa tsy ozona, voninahitra sy fisandratana fa tsy fangaihaizana na fahamenarana.

Amin’izany, dia azo lazaina tsy mihambahamba fa misy fitondrana sy fampiasana fahefana ankasitrahan’Andriamanitra, dia izay manao ny sitrapony, mandala ny fahamarinany sy manome voninahitra Azy, mitsinjo ny hafa sy mikatsaka ny soa ho an’ny maro, dia ny firenena, ary dia ambininy sy omeny voninahitra indrindra tokoa izay manao toy izany (1 Sam.2:30), eny, hohalehibiaziny ny fanapahany, hampandreseny ny fahefany (Dan.11:5), hotahiany ny asan’ny tanany (Deo.28:8) ary ampaharetany amin’ny fitondrana aza izy sy ny taranany (2 Mpan.10:30).

Misy kosa ny tsy ankasitrahany ka dia laviny sy ataony ho afa-boninahitra mihitsy aza (2 Tim.2:20), satria nanao tsinontsinona ny fikasany sy tsy nahay nanome voninahitra ny Anarany fa toy ny naka fanahy Azy. Azo tondroina amin’izany i Saoly mpanjaka voalohany teo amin’ny Isiraely izay nitenenan’ny Tompo manao hoe: “Manenina Aho noho ny nanaovako an’i Saoly ho mpanjaka, fa niala tamin’ny fanarahana Ahy izy ka tsy nahatanteraka ny teniko” (1 Sam.15:11ª). Ary dia izany no nahatonga an’Andriamanitra handà sy hanilika an’i Saoly tsy ho mpanjakan’ny Isiraely olony intsony, ka nesoriny hiala taminy ny Fanahiny (1 Sam.16:14), dia ny Fanahin’ny voninahiny sy ny faherezany ary fanambinana azy. Hoy i Samoela mpaminany taminy: “Hianao efa nandà ny tenin’i Jehovah, ary Jehovah kosa efa nandà anao tsy ho mpanjakan’ny Isiraely intsony” (1 Sam.15:26b).

Hain’Andriamanitra atao tokoa ny mametraka ny olona izay tiany ho eo amin’ny fitondrana ny fanjakana sy ny firenena, sy ny manesotra azy avy amin’izany (Dan.4:22,28). Ary satria efa nomen’Andriamanitra Ray ho an’i Jesosy Kristy Zanany ny fahefana rehetra na ny any an-danitra na ny ety an-tany (Mat.28:18), dia hoy ny teny voalazan’ny Soratra Masina ny amin’i Jesosy manao hoe: “Izy no Lohan’ny fanapahana sy ny fahefana rehetra” (Kol.2: 10), fa “tao Aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin’ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany; ary Izy no talohan’ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra” (Kol.1:16-17). Dia Tompo manapaka tokoa Izy no hevitr’izany, araka ny voasoratra hoe: “Fa an’i Jehovah ny fanjakana; ary manapaka amin’ny firenen-tsamy hafa Izy” (Sal.22:28).

 

Manoloana izany, ny firaketana toy izao dia miezaka ny hitondra fanazavana momba ny asan’Andriamanitra eto amin’ny firenena sy momba ny firenena. Koa ny fototra entiny anorenana izany fanazavana izany dia araka izay voalazan’ny Soratra Masina sy araka ireo fanambarana sy zava-niseho ara-tantara mifanaraka amin’izany rahateo. Araka izany, izy dia tsy mikendry na ny hanamarina, na ny hanameloka na iza na iza teo amin’ny fitondrana, na iza na iza eo amin’ny fitondrana, ary na iza na iza mbola ho eo amin’ny fitondrana. Tsy voafetran’izany izy no sady tsy anjarany rahateo izany, fa anjaran’Andriamanitra Izay Tompon’ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany (Mat.28:18), fa voasoratra hoe: « fa iza moa hianao izay mitsara ny mpanompon’ny hafa? » (Rom.14:4), ary indrindra: “Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly – Deo.32:35” (Rom.12:19).

 

Koa dia an’Andriamanitra ny hampamoaka ny olona ny amin’ny fampiasana ny fahefana sy ny nanaovana ny fitondrana izay nomena azy araka ny voasoratra hoe: “Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny lela rehetra hidera an’Andriamanitra – Isa.45:23. Koa samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra” (Rom.14:11-12).

 

Raha ny marina, dia ny asan’ny olona ihany, dia ny asan’ny fony, dia ny finoany, na ny tsy finoany, sy ny teny aloaky ny vavany ary ny vokatry ny asa ataony ihany no hahamarina na hahameloka azy eo anatrehan’Andriamanitra Tompon’ny asa (Mat. 12:37/ 1 Jao.3:21), fa tsy ny fitsarana na ny fanaroboana mety hataon’ny hafa (Jao.5:44/ Gal.2:6). Amin’izany, dia hoy ny tenin’Andriamanitra manao hoe: « ny fahendrena dia hamarinin’ny asany » (Mat.11:19b), fa ny fahadalana kosa dia ho menarin’ny ataony (Oha.3:35b), araka ny fomba fiteny mahazatra hoe “ny asany no manambara azy”. Koa raha misy antonjavatra kendren’izao firaketana izao sy ezaka nimasoany nandritra ny taona maromaro nanoratana azy (nanomboka ny volana aogositra 2002), dia ny fitadiavana sy ny famoahana ny fahamarinana araka an’Andriamanitra izay mety mahakasika ny firenena sy mety hahasoa azy. Ary dia mba ho tanteraka ny aminy sy amin’ny alalany araka ny voasoratra hoe: “toy ny jiro mahazava ao amin’ny fitoerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan’ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik’andro” (2Pet.1:19b).

Araka izany, ny adidin’izay nomen’Andriamanitra fahefana mba hitondra ny firenena dia ny hitandro sy ny hampandroso ny fahamarinana eo aminy, – fa « ny fahamarinana manandratra ny firenena » (Oha.14:34) -, ary ny hanome voninahitra an’Andriamanitra Izay nahary sy nifidy azy (Isa.43:1), dia toy ny ataon’ny olona izay mbola hampamoahina (Heb.13:17), mba ho hita mahatoky izy amin’ny andro hiavian’ny Tompony (Mat.24:42; 25:21,23). Izany toetra mahatoky izany no takian’Andriamanitra sy andrasan’ny vahoakan’ny firenena izay entiny. Fa fahazavana sy fiainana ho azy izany.

 

Ny irin’ny maro raha ny amin’i Madagasikara, izay tany voasedra sy voaratran’ny fitsapana maro samihafa sady maharitra teo anivon’ny tantarany, dia ny hananany mpitondra matahotra an’Andriamanitra sy manao ny sitrapony amim-pahitsiana, sady ho voatahy sy hambinin’Andriamanitra amin’izay ataony, mba ho fitahiana ho an’ny tany sy ny firenena izay entiny, mba hahatanteraka araka ny teny nomeny ny Isiraely manao hoe: “Fa tsy dia hisy malahelo eo aminao, fa hitahy anao tokoa Jehovah eo amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, … Fa Jehovah Andriamanitrao hitahy anao araka izay nolazainy taminao; ary hampisambotra ny firenena maro hianao, fa hianao kosa tsy hisambotra; ary hanapaka firenena maro hianao, fa izy kosa tsy mba hanapaka anao” (Deo.15:4,6). Eny, “Dia hataon’i Jehovah ho lohany hianao, fa tsy ho rambony; ary ho ambony tokoa hianao, fa tsy ho ambany, raha mihaino ny didin’i Jehovah Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy” (Deo.28:13).

 

Raha akapoka, ny faniriana sady antom-bavaka iombonan’ny mpiray firenena dia ny mba hahatanteraka eo aminy ny teny soa nataon’ny mpanao Salamo hoe: « Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny » (Sal.33:12; 144:15b), dia Andriamanitra mahasambatra azy izany. Fa raha ilain’ny firenena ny olona manam-pahaizana, dia ny olona manam-panahy sy manam-pahendrena kosa, dia izay manana an’Andriamanitra sy matahotra Azy ka mitandro ny fahamarinana, no mahavonjy azy. Ho tanteraka izany satria Andriamanitra no momba azy (Rom.8:31b).

 

Soatoavina novohizin’ny Ntaolo malagasy hatry ny ela rahateo ny hoe « ny fanahy no maha-olona », na koa « ny fanahy no olona ». Sambatra ny firenena raha olona toy izany no mitondra azy, dia ny olona izay lazaina amin’ny fiteny mahazatra hoe “manam-panahy”, dia izay mandeha araka ny fanahy sy ny fahamarinana araka an’Andriamanitra ( Jao.4:24). Fa hoy i Jesosy: “Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona” (Jao.6:63a). Ary noho izany, dia hoy ny Soratra Masina manambara hoe: « Inona moa ny soa ho azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao kanefa very ny fanahiny? » (Mat.16:26), fa « izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo; ary izay mamafy ho an’ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny Fanahy » (Gal.6:8). Ary raha ampiharina amin’ny fitondrana firenena izany dia midika tsotra hoe: “izay afafin’ny mpitondra azy (na tsara na ratsy, na marina na tsy marina) dia tsy hojinjan’ny tenany fotsiny ihany, fa hojinjan’ny fireneny koa”.

 

Ho an’ny mpitondra izay mandala ny sitrapon’Andriamanitra, dia mihatra ny toky nomen’i Jesosy manao hoe: « Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao » (Mat.28:20b). Koa raha Jesosy no momba azy, dia hahatanteraka ny fanompoany tokoa izy, ary ny fankasitrahan’Andriamanitra tsy hiesotra aminy mandrakizay. Koa ny Tompo anie homba sy hanafy hery ary hitahy izay rehetra manao ny sitrapony sy mandala ny fahamarinan’Andriamanitra, ka mba ho tonga tokoa ny fanjakan’ny fiadanany (Isa.9:6) ary ho tanteraka ny sitrapony ety an-tany tahaka ny any andanitra(Mat.6:10).

Nataon’Andriamanitra ho azy ireny ny fanambaran’ny anjely manao hoe: “Fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany” (Lio.2:14b).

3.Ny lafim-panontaniana hanaovana fifanakalozan-kevitra sy hamolavolana fehin-kevitra

* Mikasika ny andraikitry ny fiangonana sy ny mpino kristiana eo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena

. Inona no tena fampianarana sy foto-kevitra mamaritra sy manorina izany?

. Endrika sy fomba ahoana ary amin’ny lafiny inona no hanatanterahana izany? Misy ve ny laharampahamehana tokony hapetraka sy harahina?

* Mikasika ny mpitondra sy ny fitondrana ny raharaham-pirenena ary ny fampiasana ny fahefana

– Farito ny toetra amam-pomba tokony hananan’ny mpitondra ny firenena sy ny fomba fampiasana ny fahefana.

– Inona no lesoka sy tsy fetezana tsikaritra sy niainana teto amin’ny finenena ka tokony harenina teo amin’ny mpitondra sy ny fitondrana ny raharaham-pirenena? Avy amin’ny inona no nahatonga ireny lesoka sy tsy fetezana ireny? Inona no vaha-olona entina hanitsiana sy hanarenana izany?

– Endriky ny mpitondra sy rafi-pitondrana toy inona no heverina ho tokony havohitra amin’ny Tetipiaraha-monina Malagasy taona 2013? (projet de société)

* Mikasika ny foto-pandaminana ny fampiasana ny fahefana (organisation et exercice du pouvoir)

Voatery hifanipaka ve, sa, afaka mifameno sy mifandrindra ny fahefan’Andriamantra sy ny fitondran’ny olona?

– ny tezin’ny fifanoheram-pahefana. Endrika: théocratie # démocratie. Toy ny monarchie # democratie.

– ny tezin’ny firaisana antoka : théo-democratie cf. monarchie constitutionnelle.

* Mikasika ny Demokrasia

. Azo lazaina ve fa tanteraka marina ny fitondran’ny vahoaka ny fahefana? Ka ny atao hoe “mpitondra ny firenena” dia ho “mpanompo ny firenena sy ny vahoaka eo aminy” fa tsy natao ho “mpampanompo ny vahoaka sy mpanjakazaka eo amin’ny firenena sy ny harenany”.

. Ny vahoaka no tompon’ny fahefana, ny mpitondra kosa dia olona nampindramina azy ihany: Endrika sy fomba manao ahoana no hitandrovana izany ? Inona no lamim-pandaminana amin’izany ? Jereo ny fahaleovan-tena ny fahefana telo: ny mpanao lalàna (législatif = assemblée), ny mpanatanteraka (exécutif=gouvernement), ny mpitsara (juridico-correctionnelle). Ahoana no hitandrovana izany sy hifandrindran’izy ireo?

. Ahoana ny amin’ny fampiasana ny volam-bahoaka sy ny firenena: aiza sy ahoana ny fanaraha-maso ataon’ny vahoaka izay mpamatsy vola amin’ny hetra (contribuables), inona no azony atao sy ambara?

. Ahoana ny amin’ny momba ny fitantanana ny harem-pirenena sy ny volam-bahoaka:

– iza no tompon’ny fanapahana momba izany? Cf. fifanarahana amin’ny mpitrandraka ny harena an-kibo sy ivelan’ny tany.

– tsy manan-kambara na atao ny amin’ny fomba ampiasana ny volany ve ny vahoaka ?

– avela hanao izay tiany ve ny mitondra ny fanjakana amin’ny famerana (fampisondrotana) ny hetra alainy?

. Aiza sy rahoviana ary fomba manao ahoana no ampamoahina ny fitantanana ny harem-pirenena sy ny volam-bahoaka eo imason’ny vahoaka izay tena tompon’ny harena sy fanjakana ary ny fanapahana ?

* DINIDINIKA FIFANAKALOZANA

 

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *