Fiombonam-bavaka Alahady Sampan-drofia Herinandro 10-15 Avrily 2017 “Kristy Mpanjaka mitondra famonjena”

FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha
Fiombonam-bavaka Alahady Sampan-drofia
Herinandro 10-15 Avrily 2017
“Kristy Mpanjaka mitondra famonjena”
*

Fitarihan-kevitra: Mpanjaka tokoa Jesosy Kristy, anefa dia tonga naka ny endriky ny ”Zanak’ondry nanaiky ho vonoina” mba hahatanteraka famonjena ho an’izao tontolo izao. Koa dia tanteraka ny tenin’i Jaona mpanao batisa raha nanondro Azy manao hoe: ”Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra [na: mitondra] ny fahotan’izao tontolo izao!” Jao.1:29. Mpanjaka nanetry tena indrindra Jesosy ka nandray teo amin’ny tenany ny fahafatesana vokatry ny ota, mba hanome fiainana ny mpanota izay mino Azy! Fa “nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana” Fil.2:7-8. Fiaretana lehibe indrindra izany, fa ”Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika” Isa.53:7. Kristy Mpanjaka, fiainana ho an’izao tontolo izao!

Alatsinainy 10: Tonga ny Mpanjaka mitondra famonjena ho an’ny olony.
“Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; Marina Izy sady manam-pamonjena” Zak.9:9b.
Vakiteny 1: Jao.1:19-29. Vakiteny 2: Zak.9:9-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Zak.9:9. Teny manampy:
– “Asandrato ny lohanareo, ry vavahady; ary manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran’ny
Mpanjakan’ny voninahitra” Sal.24:9.
– “ Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very” Lio.19:10.
– “ Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana
anareo” Lio.21:28.

Talata 11: Tonga ny Mpanjaka manao famaliana ho an’ny olony.
“Indro, avy ny famonjena anao; Indro; ny valim-pitia hatolony dia ao aminy” Isa.62:11b.
Vakiteny 1: Apok.22:10-14. Vakiteny 2: Isa.62:10-12. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.62:11. Teny manampy:
– “ Jehovah mivoaka tahaka ny lehilahy mahery, tahaka ny fanaon’ny mpiady no amohazany ny fahatezerany [na: fahasaropiarony];
Miantsoantso Izy, eny, mihiaka mafy; Mampiseho hery haharesy ny fahavalony Izy. Efa tsy niteny Aho hatrizay
hatrizay, nangina ihany Aho ka nanindry fo; Fa izao Aho dia mitaraina tahaka ny vehivavy raha miteraka, eny, miehakehaka
tsy avy miaina” Isa.42:13-14.
– “Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy
Jehovah (Deo.32: 35)” Rom.12:19.

Alarobia 12: Ankalazao ny Mpanjaka mitondra famonjena
“Hosana ! Isaorana anie ny Mpanjakan’ny Isiraely, Ilay avy amin’ny anaran’i Jehovah » Jao.12:13.
Vakiteny 1: 1 Tim.1:12-17. Vakiteny 2: Jao.12:1-16. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.12:12-13. Teny manampy:
– “Jehovah no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy; izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho, dia Andriamanitry
ny razako, ka hanandratra Azy aho” Eks.15:2.
– “ Nefa izaho dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena ahy” Hab.3:18.
– “ Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny
fanjakan’Andriamanitsika, Ary ny fahefan’ny Kristiny, Satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga
azy eo anatrehan’Andriamanitsika andro aman’alina” Ap.12:10.

Alakamisy 13: Ny Mpanjaka latsa-dra ho famonjena.
« Ity no rako, dia ny amin’ny ran’ny fanekena izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka » Mat.26:28.
Vakiteny 1: Eks.12:3-14. Vakiteny 2: Mat.26:17-29. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.26:26-28. Teny manampy:
– “ Fa ity no rako, dia ny amin’ny fanekena [Na: ny fanekena vaovao], izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka”.
Mat.26:28.
– “ Ary saiky diovina amin’ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy
famelan-keloka” Heb. 9:22.

Zoma 14: Ny Mpanjakan’ny famonjena, fiainana ho an’izao tontolo izao.
“Fa ny mofon’Andriamanitra dia Ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an’izao tontolo izao” Jao. 6:33.
Vakiteny 1: Isa.55:1-3. Vakiteny 2: Jao.6: 26-35. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.6:33. Teny manampy:
– “ Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay” Jao. 6:47.
– “Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady
hananany be dia be. Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry” Jao.10:19-11.

Asabotsy 15: ASABOTSY MANGINA. ”Ny famonjen’i Kristy Mpanjaka, fahavelomana ho an’ny olona”.
”Mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandraizay” Jao.3:16b.
Vakiteny 1: Jao.3:16 . Vakiteny 2: Mat.6:6 / Lio.12:40 / 1 Tes.5 :17. Teny manampy:
“ Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao hianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono
Kristy, Paska ho antsika; » 1 Kor.5:7.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Sites
www.flm67ha.org sy www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”.

© Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *