Fiombonam-bavaka Alahady IX manaraka ny Trinite Herinandro 14-19 Aogositra 2017

FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha
Fiombonam-bavaka Alahady IX manaraka ny Trinite
Herinandro 14-19 Aogositra 2017
“An’Andriamanitra ny fahalehibiazana”
*

Fitarihan-kevitra: Ny hoe an’Andriamanitra ny fahalehibiazana, dia manambara fa Tompon’ny tompo izay nahary izao rehetra izao Izy, ka ”Azy ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay” araka ny tonom-bavaka nampianarin’i Jesosy ny mpianany (Mat.6:13). Izay no maha-Andriamanitra Tokana Azy ary tsy misy hafa, araka ny teniny manao hoe: ”Hampitovinareo amin’iza moa Aho, sy amin’iza no hanoharanareo Ahy ary iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany amiko?” Isa.45::5. ”Fa Izaho no Izy; Talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy. Izaho dia Izaho ihany no Jehovah Ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho” Isa.43:10b. Ny fahalehibiazan’Andriamanitra dia mitaona izay rehetra nohariany hanaja sy hanome voninahitra Azy araka ny tononkiran’ny mpanao Salamo manao hoe: ”Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah. Haleloia” Sal.150:6. Ary dia izany rahateo no takiany araka ny teniny manao hoe: “raha Ray Aho, aiza ary izay hajako ? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon’ny maro” Mal.1:6a. Fa raha zavatra mampahatahotra ny fahavalony ny fahalehibiazan’Andriamanitra, araka ny voasoratra hoe: “ny fahalehibiazan’ny herinao no hikoizan’ny fahavalonao Anao” Sal.66:3b, dia antoka lehibe kosa izany mba hitokisana Azy indrindra. Fa lehibe Izy amin’ny fitiavany, ka tsy mahafoy ny olony mba hamonjeny azy, araka ny teniny tamin’ny Isiraely manao hoe: “Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao” Jer.31:3. Fa voasoratra hoe:
”Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” Rom.5:8. Matokia ny
fitiavan’Andriamanitra lehibe indrindra i

Alatsinainy 14: An’Andriamanitra ny fahalehibiazana.
“Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana” 1 Tan.29:11a.
Vakiteny 1: Sal.145:1-12. Vakiteny 2: 1 Tan.29:10-13. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Tan.29:11. Teny manampy:
– “An’i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy” Sal.24:1.
– “Jehovah, Tompon’ny maro, no anarany, lehibe amin’ny fisainana sy mahery amin’ny atao” Jer.32:18b-19a.
– “Ray ô, mankalazà ny anaranao. Dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Efa nankalaza azy Aho, ary hankalaza azy indray”
Jao.12:28.

Talata 15: Ny fahalehibiazan’Andriamanitra miseho amin’i Jesosy Kristy. Zanany.
“Fa sitraky ny Ray ho ao Aminy no hitoeran’ny fahafenoana rehetra” Kol.1:19.
Vakiteny 1: Jao.8:48-56. Vakiteny 2: Kol.1:15-19. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Kol.1:19. Teny manampy:
– “Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe
Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay Andrian’ny fiadanana.” Isa.9:5.
– “Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany” Mat.28.18.
– “Dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin’ny tongony Izy ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an’ny
fiangonana” Efes.1:22.

Alarobia 16: Andriamanitra manapaka feno ny tranony.
“Lazaiko aminareo marina fa hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy” Lio.12:44.
Vakiteny 1: Heb.3:1-6. Vakiteny 2: Lio.12:42-48. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.12:44. Teny manampy:
– “Ary ny mpianany nahatsiaro fa voasoratra hoe: Ny firehetako ny amin’ny tranonao no haharitra aina ahy (Sal.69:9)” Jao.2:17.
– “Fa Kristy kosa dia Zanaka manapaka ny tranon’Andriamanitra; ary isika no tranony, raha hazonintsika mafy hatramin’ny farany
ny fahasahiana sy ny firavoravoana momba ny fanantenana” Heb.3:6.

Alakamisy 17: Andriamanitra lehibe amin’ny famindrampo.
“Fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” Rom.5:8b.
Vakiteny 1: Jao.3:14-16. Vakiteny 2: Rom.5:1-11. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.5:8. Teny manampy:
– “Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, fa
hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy” Isa.55:7.
– “ Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.Dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany” Lio.23:34.

Zoma 18: Fantaro ny fahalehibiazan’ny fitiavan’Andriamanitra.
“Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra…” 1 Jao.3:1.
Vakiteny 1: Sal.91:9-16. Vakiteny 2: 1 Jao.3:1-3. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Jao.3:1. Teny manampy:
– “Hositraniko ny fiodinany, ho tia azy tsy vozonana Aho; Fa efa niala taminy ny fahatezerako” Hos.14:5.
– “ Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy,
fa hanana fiainana mandrakizay” Jao.3:16.

Sabotsy 19: Maneke ny fahalehibiazan’Andriamanitra.
“Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko” Rom.14:11a.
Vakiteny 1: Deo.32:1-5. Vakiteny 2: Rom.14:4-12. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.14:11. Teny manampy:
– “Niteny mafy ny tanàna izay nanaovany ny ankamaroan’ny asany lehibe Izy, satria tsy nibebaka ireo” Mat.11:20.
– “Tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho” Jao.1:27b.
– “Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin’i Jesosy Tompo amin’ny fofonain’ny vavany ary hofoanany amin’ny
fisehoan’ny fihaviany” 2 Tes.2:8.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny
Sitewww.flm67ha.org sy ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”.

© Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *