Fiombonam-bavaka Alahady XVIII manaraka ny Trinite Herinandro 16-21 Oktobra 2017

FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha
Fiombonam-bavaka Alahady XVIII manaraka ny Trinite
Herinandro 16-21 Oktobra 2017
“Matahora an’Andriamanitra”
*

Fitarihan-kevitra: Ny ”tahotra an’Andriamanitra” dia tsy mba tahotaho-poana, fa vokatry ny fahamasinan’Andriamanitra sy ny maha-Tompo Azy, izay mendrika ny fanajana lehibe indrindra, sahaza ny maha-Andriamanitra Azy. Fa voasoratra hoe: ”Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon’ny maro” Mal.1:6. Manantitra izany teny fananarana izany ny Apostoly Paoly ka manao hoe:” Mandoava.amin’izy rehetra izay tokony ho azy avy: …tahotra ho an’izay tokony hatahorana, haja ho an’izay tokony hohajaina” Rom.13:7. Telo loha lehibe no fiasan’ny tahotra an’Andriamanitra, dia ny mitandrina ny didiny, manao ny asany, ary manome voninahitra sy mankalaza ny Anarany Masina. Raha raisina amin’ny ankapobe: ny tahotra an’Andriamanitra dia miasa ho “fefy sy fiarovana ho antsika” mba tsy hanota, satria manam-pahalemena isika; sady mamaritra ny lalantsika mba handeha araka ny sitrapon’Andriamanitra sy hanao ny asany araka ny tenin’i Jesosy:manao hoe: “Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa” Jao.14:12a. Ary dia izany koa no mahatonga ny fitahian’Andiramanitra. Raha fehezina, ny olona matahotra an’Andriamanitra dia olona ankasitrahana eo imasony, ka avahany mba hanana toerana manokana ao amin’ny fanjakany (Jao.14:3). Tandrify azy ireo indrindra ny tenin’i Jesosy manao hoe: ”Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao” Jao.17:16 . Ary dia hoy Izy: ”Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao” Mat.25:34.

Alatsinainy 16: Matahora an‟Andriamanitra, ka manompoa Azy.
“Jehovah Andriamanitrao no hatahoranao, Izy no hotompoinao” Deo.10:20a
Vakiteny 1: Gal.6:6-10. Vakiteny 2: Deo.10:12-21. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Deo.10:21. Teny manampy:
– “Matahora an’i Jehovah Andriamanitrao hianao, ka manompoa Azy, ary aoka ny anarany no hianiananao” Deo.6:13.
– “Fidionareo anio ary izay hotompoinareo. …; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay”
Jos.24:15.

Talata 17: Matahora an‟Andriamanitra ka minoa an‟i Kristy Zanany.
”Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao hianao ary mino amin’ny fonao ….dia hovonjena hianao” Rom.10:9.
Vakiteny : Jao.3:30-36. Vakiteny 2: Rom.10:1-13. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.10:9. Teny manampy:
– “Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana hianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany.
Sambatra izay rehetra mialoka aminy” Sal.2 :12.
– “Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy” Mat.17:5.

Alarobia 18: Matahora an‟Andriamanitra ka manajà izay masina.
“Izay nohasinin’ny Ray ka nirahiny ho amin’izao tontolo izao va no ataonareo hoe: Miteny ratsy hianao, satria hoy Izaho:
Zanak’Andriamanitra Aho?” Jao.10:36.
Vakiteny 1: 2 Tim.3:1-9. Vakiteny 2: Jao.10:23-38. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.10:35-36. Teny manampy:
– “Ary mitenena amin’ny Zanak’Isiraely hoe: Na iza na iza no mamingavinga an’Andriamaniny dia ho meloka, Fa izay miteny ratsy
ny anaran’i Jehovah dia hatao maty mihitsy..” Lev.24:15-16.
– “Fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin’ny
ota mandrakizay izy; izany no nolazainy” Mar.3:29.

Alakamisy 19: Matahora an‟Andriamanitra ka mifadia ny ratsy.
“Matahora an’Andriamanitrao: Izaho no Jehovah” Lev.19:14b.
Vakiteny 1: Sal.3:1-8. Vakiteny 2: Lev.19:11-18. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lev.19:11-18. Teny manampy:
– “Aza manao anao ho hendry; Matahora an’i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.8 Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho
fanamandoana ny taolanao” Sal.3:7-8.
– “Aza mety ho resin’ny ratsy hianao, fa reseo amin’ny soa ny ratsy” Rom.12:21.

Zoma 20: Matahora an‟Andriamanitra ka manajà ny raiaman-dreninao.
“Manajà ny rainao sy ny reninao” Ef.6:2a.
Vakiteny 1: Deo.21:18-21. Vakiteny 2: Efes.6:1-4. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Ef.6:2. Teny manampy:
– “Mihanoa Ahy, hianareo izay miezaka mitady fahamarinana, dia izay mitady an’i Jehovah: Tsarovy ny vatolampy izay nakana
anareo sy ny ati-lavaka izay nihadiana anareo” Isa.51:1.
“ Fa Andriamanitra efa nanao hoe: Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12), ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny
dia hatao maty tokoa (Eks. 21. 17)” Mat.15:4.

Sabotsy 21: Ny tahotra an‟Andriamanitra, tombony ho an‟izay manana azy.
“Sambatra izay rehetra matahotra an’i Jehovah, dia izay mandeha amin’ny lalany” Sal.128:1.
Vakiteny 1: Mat.5:1-12. Vakiteny 2: Sal.128:1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Sal.128:1. Teny manampy:
– “Raha mihaino tsara ny feon’i Jehovah Andriamanitrao hianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao
anio, dia hasandratr’i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin’ny firenena rehetra amin’ny tany hianao; ary ho tonga aminao sy ho
azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao hianao” Deo.28:1-2.
– “Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron’ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin’ny
tanany; ary hivoaka hianareo ka hifalihavanja toy ny zanak’omby mifahy” Mal.3:20.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin‟ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin‟ny Site
www.flm67ha.org sy ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *