Matahora an’Andriamanitra

Ny hoe “Matahora an’Andriamanitra”: Fiteny mahavantana, tsy mahavantana ny olona sasany. Fa hoy izy: “Andriamanitra dia fitiavana, koa nahoana no lazaina hoe: Matahora an’Andriamanitra”? Kanefa koa, rehefa tsy misy ny tahotra an’Andriamanitra, dia malalaka sady tsy voafetra ny fanaovan-dratsy sy ny tsy fahamarinana. Inona no marina? Inona no tena hevitr’Andriamanitra hahasoa sy hahavonjy? Raha ny marina, ny olona tia mandala ny fahamarinana dia “tsy matahotra ny hatahotra an’Andriamanitra”, fa ny mpanao ratsy no mahina, fa “tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy” Isa.48:22.

/ Ny hoe “Matahora an’Andriamanitra”
Dia hafatra sady baiko izay omen’ny Tompo antsika, ary izany dia mikendry ny hianarantsika ny fanajana an’Andriamanitra, dia Andriamanitra Masina sady Tompo. Fa ny fahendren’ny ntaolo fahizay aza dia efa nanantitra ny amin’ny tokony hatahorana an’Andriamanitra, ka nivolana nanao hoe “Aza ny lohasaha mangina no jerena, fa Andriamanitra ao an-tampon’ny loha”, koa na ny tain’omby mivadika aza dia natao ho fady ny naka azy, satria efa nanana ny tompony. Fa ny hoe “Matahora an’Andriamanitra” dia fampahafantaran’Andriamanitra antsika ny fomba sy ny toe-panahy izay tokony hananantsika eo amin’ny fifandraisantsika Aminy. Fa ao amin’ny fahamasinany sy amin’ny maha-Tompo Azy no itenenany manao hoe : “Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon’ny maro” Mal.1:6. Ary dia manantitra izany teny fananarana izany ny Apostoly Paoly ka manao hoe: “Mandoava amin’izy rehetra izay tokony ho azy avy: …tahotra ho an’izay tokony hatahorana, haja ho an’izay tokony hohajaina” Rom.13:7. Tsy fatiantoka tsy akory ny manao izany, fa hahazoana tombony, dia ny fankasitrahan’Andriamanitra sy ny fahasoavany.

Koa ny fahaizana mamindra eo anatrehan’Andriamanitra, indrindra ho an’ny mino, dia ny manaraka ny anatra nataon’i Paoly Apostoly manao hoe : “Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao. Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ny Tompo” Efes.5:15-17. Ny sitrapon’Andriamanitra eto dia ny fahatahorana Azy, fa “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena” Sal.111:10.

/ Ilaintsika tokoa ny hafatra toy izao, indrindra amin’ny vanin’andro iainantsika

Hoy ny Apostoly Paoly raha manambara izany tamin’i Timoty: “Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy [gr. manao blasfemia], tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra, manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro” 2 Tim.3:1-5.

Manoloana izany, dia tsy mikimpy sanatria ny mason’Andriamanitra fa mandinika mandrakariva ny ataon’ny olona. Fa voasoratra ho: “Fa ny mason’Andriamanitra dia mijery ny alehan’ny olona, ary mahita ny diany rehetra Izy” Joba 34:21. “Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak’olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an’Andriamanitra” Sal.14:2. Fa “Ny mason’i Jehovah amin’izao rehetra izao, Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy” Oha.15:3. Araka izany, ny hoe ”matahora an’Andriamanitra” dia teny tandrify indrindra ho an’ny mpanota mpanao meloka, dia teny fampitandremana mba tsy hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra ho fanamelohana. Fa voasoratra hoe: “Moa tsy loza va no manjo ny ratsy fanahy? Ary tsy fahoriana va no mahazo ny mpanao ratsy?” Joba 31:3. Izany koa anefa dia teny natao ho fampitandremna mba hitandrovana ny aina, sy ho toy ny antoka izay handraisantsika ny fitahian’Andriamanitra. Araka ny voasoratra hoe: ““Sambatra izay rehetra matahotra an’i Jehovah, dia izay mandeha amin’ny lalany” Sal.128:1.

/ Ny rindran-kevitra ankapobe

. Ny ”tahotra an’Andriamanitra” dia tsy mba tahotaho-poana, na tahotra tsy marim-pototra, fa tahotra takian’ny vokatry ny fahamasinan’Andriamanitra sy ny maha-Tompo Azy, dia Izy mendrika ny fanajana lehibe indrindra, dia ny fanajana sahaza ny maha-Andriamanitra Azy.
Telo loha lehibe no fiasan’ny tahotra an’Andriamanitra, dia ny mitandrina ny didiny, manao ny asany, ary manome voninahitra sy mankalaza ny Anarany Masina. Ireo telo ireo dia fehezin’ny fanekena izay ataon’Andriamanitra amin’ny olona sy ny firenena izay nofidiny, dia n yfirenena navotany ho Azy ka noraisiny ho an’ny tenany, dia araka ny teniny manao hoe: ”Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain’i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra hianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy hianao” Isa.43:1.

. Raha raisina amin’ny ankapobe: ny tahotra an’Andriamanitra dia miasa ho “fefy sy fiarovana ho antsika” mba tsy hanota, satria manam-pahalemena isika; sady mamaritra ny lalantsika mba handeha araka ny sitrapon’Andriamanitra sy hiray antoka Aminy ka hanao ny asany araka ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa” Jao.14:12a. Ary dia izany tokoa no mahatonga ny fitahian’Andriamanitra, dia isika ataony handova ny fanjakan’ny fahasoavany, dia olona ”mpandova an’Andriamanitra sy mpiray lova amin’i Kristy” ’Rom.8:17.

Raha fehezina, ny olona matahotra an’Andriamanitra dia olona ankasitrahana eo imasony, ka avahany mba hanana toerana manokana ao amin’ny fanjakany (Jao.14:3). Tandrify azy ireo indrindra ny tenin’i Jesosy manao hoe: ”Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao” Jao.17:16 . Ary dia hoy Izy: ”Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao” Mat.25:34. Fa hoy ny Tompo: ”Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain’i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an’i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin’ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, hitandrina ny didin’i Jehovah sy ny lalàny izay andidiany anao anio, mba hahita soa hianao” Deo.10:12-13.

/ Araka izany, dia mamaly ny olona tokoa Andriamanitra, dia araka izay ataony

Fa raha Andriamanitra mitahy izay matahotra Azy sy manompo Azy, dia Izy koa no manananatra ny mpanao ratsy izay manohitra Azy sy manosihosy ny fahamarinany. Misy dia misy ny ohatra omen’ny Soratra Masina maneho ny famalian’Andriamanitra. Tononintsika vetivety ny amin’ny tananan’i Sodoma sy Gomora izay voaringana tanteraka noho ny fahalotoany sy ny fahavetavetana tsy nibebahany (Gen.18:20-21). Toy izany koa ny namaliany an’i Ahaba mpanjaka sy Jezebela vadiny, izay nanampatra ny fahefany ka nisetrasetra naka an-keriny ny tanin’i Nabota sy nampamono azy (1 Mp.21). Tsy azo adino ny nanamelohany an’i Saoly mpanjaky ny Isiraley voalohany izay tsy nahay nanome vonaihitra Azy na nankato ny teniny, fa mbola nitahiry ireo bibin’ny fahavalo nobaboiny hato fanatitra ho an’i Jehovah. Ka dia voahilika tsy ho mpanjaka ny Isiraely intsony izy, ary nanjary resy an’ady sy namono tena, fa Andriamanitra tsy nomba azy (1 Sam.31). Aty amin’ny Testamenta Vaovao dia fantatsika ny fitsaran’i Jesosy ireo Fariseo sy Mpanora-dalana im-pito misesy noho ny tsy fahamarinan’izy, arak ny teniny manao hoe “Lozanareo” . Teo ry Ananiasy sy Safira, izay nandainga tamin’ny Fanahy Masina nanafina ny anjara tokony ho natolony ny Apostoly mba hiahiana ireo mahantra tao Jerosalema, hany ka voanatra teo no ho eo, dia izy ireo nifandimby nidaboka maty tsy tra-drano. Asa.5:1-11.
Raha fehezina: Rehefa atao hoe “tsy misy sy ho toy ny maty Andriamanitra”, dia malalaka ny fanaovan-dratsy sy ny fampanaranan-tsitrapo. Nefa miaraka amin’izay koa dia tsy tery ny Tompo ary tsy voasakana amin’ny fitsarana azy.

/ Rehefa izany dia manao no tokony ho fisian’ny tahotra an’Andriamanitra:eo amin’ny ankohonan’Andrimanitra sy ny firenena izay nofidiny sy nanaovany fanekena?

Sarobidy indrindra amin’Andriamanitra ny fanekena; koa dia miseho ho saro-piaro tokoa Izy amin’izay nanaiky hanao fanekena taminy. Koa dia manao fanekena hahatonga fitahiana h oazy, dia fitahiana tretrika indrindra amin’izay matahotra Azy ka mihazona ny fanekeny sy mitandrina ny didny. Fa manafay indrindra koa izay tsy mitandrina ny didiny, ary indridnra izay tsy natahotra ny hivadika taminy. Miseho mazava izany amin’ny alalan’ny Boky Deoteronomia toko faha-28. Milaza ny amin’ny soa izay ho valin’ny fanarahana an’i Jehovah, ary ny loza izay hanjo ny miala aminy kosa.
. Tsy zakany ny ota ary, fa “Amin’izay akaiky Ahy no hisehoako ho masina” hoy Izy Lev.10:3. Teny nataony izany fony Izy nandatsaka afo hahafaty tamin’i Nadaba sy Abiho zanakalahin’i Arona rahalahin’i Mosesy izay tonga nanatitra afo tsy izy teo anaterahn’i Jehovah, Lev.10:1-2. Fa “Andriamantra tsy azo vazivazina fa izay afafin’ny oona no hojinjany” Gal.6:7, dia Andriamanitra mamaly ny olona araka izay ataony.
. Miaraka amin’izany dia tsy zakany indrindra ny fivadihana fanekena satria Mahatoky sy Marina Izy, dia Andriamanitra tsy mahay mandainga, ary tsy tia lainga (Tit.1:2). Ary ny heviny amin’izany dia ny mba hitandreman’ny olona ny didiny sy hihazona ny fanekeny.

Fa hoy Izy:
– “Raha mihaino tsara ny feon’i Jehovah Andriamanitrao hianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr’i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin’ny firenena rehetra amin’ny tany hianao” ; “ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao hianao” Deo.28:1,2.
– “Fa raha tsy mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao kosa hianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao”; “Hampandehanin’i Jehovah aminao ny ozona, dia horohoro sy fampitahorana amin’izay rehetra ataon’ny tananao, mandra-paharinganao sy mandra-pahalaninao faingana noho ny faharatsian’ny nataonao tamin’ny nahafoizanao Ahy” Deo.28:15,20.

Isiraely dia ohatra tokoa ho an’izay rehetra nofidin’Andriamanitra ka noraisiny ho an’ny tenany (1 Pet.2:9). Dia fa tsy nahfo yazy izy (Heb.13:5) Ho azy ireo, dia mbola maneho ny fitiavany sy ny fahasaro-piarony Andriamanitra ka miteny manao hoe: “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonana’ny mazava sy ny maizina? Ary inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan’ny anjaran’ny mino sy ny tsy mino? Ary inona no ikambanan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy ? Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny nataon’Andriamanitra hoe: Honina eo aminy sy handeha eo aminy ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho oloko (Lev.26:11,12). Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho handray anareo. 18 Ary ho Rainareo Aho, ary hianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha (Isa.52:11,12)” 2 Kor.6:14-18.

Teny azo antoka indrindra izany, ry havana, fa tsy hoe fahatahorana mahatonga fanamelohana ho fahafatesana, fa fahatahorana mananata rhahatonag fiainana. Fa Andriamanitra tsy mahafoy antsika na manary antsika (Rom.1:1) Fa vonona ny hamela ny helontsika sy hihavana amintsika indray. Ary amin’ny alalan’izany dia mamela heloka sy mihavana amin’ny firenentsika mba hanasitranana azy sy hamelomana azy. Koa tsy fahafatesana na areti-mandringana no omeny antsika, fa ny fiainany masina, dia fiainana be dia be.

Ho voninahitr’Andriamaitra. Amena.

  1. Bruno Rabarihoela

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *