Ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra

Ry havana malala, izany lohatenin’ny hafatry ny tenin’Andriamanitra izany no iarahabanay anao amim-pifaliana amin’izao herinandro fahefatry ny Advento izao sady fankalazana ny Andro Noely. Ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra dia tanteraka indrindra amin’ny fahatongavan’i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao, dia ny fisehoany amin’ny olona rehetra, ary nitenenany manao hoe : « Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina » Jao.8 :12. Irintsika tokoa ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra, satria antoka hialantsika amin’ny haizin’ny fahoriana sy ny aloky ny fahafatesana izay manjohy ny fiainantsika olombelona izany. Kanefa tsorina ihany koa fa zavatra tsy mora ny hiatrehana izany; satria tsy azontsika adino fa ireo izay nanatona sy nanatrika ity voninahitr’Andriamanitra ity dia notomorin’ny fahafatesana, satria toy ny afo mahery sy mandevona loatra izany. Fa hoy ny Zanak’Isiraely tamin’i Mosesy fony izy tany an-tendrombohitra Horeba : « Indro, efa nampahitan’i Jehovah Andriamanitsika ny voninahiny sy ny fahalehibiazany isika, ary efa rentsika ny feony avy tao amin’ny afo; koa efa hitantsika androany fa Andriamanitra miteny amin’ny olona, nefa velona ihany izy. Koa ankehitriny, nahoana no ho faty izahay? fa handevona anay io afo lehibe io; raha mbola mandre ny feon’i Jehovah Andriamanitsika indray izahay, dia ho faty » Deo.5 :21-22. Fa Isaia raha nahita ny halehiben’ny voninahitr’Andriamanitra niseho taminy dia niloa-bava nanao hoe : « Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra, sady ato amin’ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ny maro, no efa hitan’ny masoko » Isa.6 :1-5.

Kanefa na dia izany aza, ny programan’Andriamanitra dia isika ho afaka hiatrika ny fisehoan’ny voninahiny lehibe, ary tsy ho faty, fa mba ho afaka hahalala Azy bebe kokoa, hanome haja Azy bebe kokoa, hino Azy bebe koa, ka ho velona, dia isika hahazo antoka bebe kokoa ny amin’ny famonjeny antsika sy ny firaisantsika Aminy. Saingy mila fiomanana kosa ny miatrika izany. Ka hoy ny tenin’Andriamanitra manao hoe : « Miomàna hihaona amin’Andriamanitrao, ry Isiraely îo ! » Amo.4:12.

/ Izany antony ara-piomanana izany no nahatonga antsika tsy hiresaka ny amin’ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra raha tsy amin’ity herinandro fahefatra farany amin’ny Advento sady fankalazana ny Krismasy ity, izay midika ho ny fotoana fahatongavan’ny Tompo tokoa. Noho izany, dia tsara ny hanaovantsika jery todika vetivety ireo lohahevitra efatra mifandimby mikasika ny Advento, hahitantsika fa misy lalam-pizorana miandalana nitarihan’Andriamanitra ny amin’izany, araka izao manaraka izao :

/ Ny lohateny nobanjinina tamin’ny herinandro voalohany dia lohateny manome Fahatokisana ny tenin’Andriamanitra manao hoe: “Tanteraka ny teny fikasana“ , araka ny voasoratra hoe : « Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hanatanterahako ny teny soa izay nolazaiko ny amin’ny taranak’Isiarely sy ny taranak’i Joda » Jer.33 :14. Fa ny fahatanterahan’ny tenin’Andriamanitra no maha tenin’Andriamanitra azy, dia ny amin’ny fahamarinany izany. Ny anjely Gabriela mantsy dia niteny tamin’i Maria raha tonga nanambara taminy ny fikasan’Andriamanitra momba azy manao hoe: “Ary, indro, hitoe-jaza hianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy” Lu.1:31. Koa raha nanontany tamin’ilay anjely Maria : “Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho?”, dia namaly azy izy ka nanao taminy hoe: “Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay haterakao dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra” Lio.1:35. Rehefa izany, dia nampahery an’i Maria izy ka nanao hoe: “Tsy misy tsy ho tanteraka ny teny rehetra izay ataon’Andriamanitra” Lio.1:37.

Izany fanambarana izany dia antoka ny amin’ny fahatanterahan’ny tenin’Andriamanitra, izay manorina ny finoantsika azy. Satria amin’ny alalan’ny fahatanterahan’ny tenin’Andriamanitra no isehoan’ny voninahiny, dia ny fahamarinany, ny fahamasinany, ny faherezany ary ny fahasoavany. Koa ny finoana ny teny fikasan’Andriamanitra no mahatonga antsika ho sambatra, satria Andriamanitra manatanteraka izay lazainy, araka ny tenin’i Elizabeta tamin’i Maria manao hoe : « Sambatra hianao izay nino ; fa hefaina izay zavatra nampilazain’ny Tompo taminao » Lio.1 :45. Noho izany, dia taomina isika, ry havana, hino ny teny fikasan’Andriamanitra, ary samy hiomana amin’ny fahatongavan’ny Mpanjaka, dia Jesosy Ilay Mesia, Irak’Andriamanitra.

/ Ny lohateny novelarina tamin’ny herinandro faharoan’ny Advento dia lohatenin’ny Fanantenam-panavotana izay manao hoe: “Ny fisandratan’Andriamanitra, fanavotana ny olony”araka ny voasoratra hoe : “Ary Jehovah hanjaka aminy ao an-tendrombohitra Ziona hatramin’izany ka ho mandrakizay” Mika 4:7b. Ny atao hoe “fisandratan”Andriamanitra ho fanavotana” dia Izy maneho ny voninahitry ny fiandrianany amin’ny maha Tompo sy Mpanjaka Azy, ka tonga hanafaka sy hanamarina ny olony mba hamonjy azy, ary miaraka amin’izany koa mba hamonjy izao tontolo izao (1 Jao.2 :2) Ho avy sy hiseho tokoa Izy amin’ny famirapiratan’ny voninahiny amin’ny maha Tompon’ny voninahitra Azy, izay efa nanomezan’ny Ray Azy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany (Mat.28:18). Eny tokoa, hanitsaka ny fahavalony Izy ary hanorotoro azy amin’ny tehin’ny heriny (Sal.110:2), amin’ny sabany maranitra (Heb.4:12), ary amin’ny fofonain’ny vavany (2 Tes.2:8). Miaraka amin’izany, dia asandrany izay rehetra mino Azy sy miandrandra ny fahatongavany. Fa ny fahatongavan’ny Mesia dia androm-pahasoavana lehibe izay andrasan’ny mino rehetra amim-pahatokiana, satria amin’izany no hahatanterahan’ny teny fanambarana nataon’i Jaona Apostoly mnao hoe: “Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa” 1 Jao.3:2b. Andriamanitra misandratra tokoa eo amin’ny olony; ka ny toky omeny antsika izay mino, dia ny hoe: “Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin’ny voninahitra hianareo” Kol.3:4. Fa nataon’Andriamanitra ho “fanaka omem-boninahitra” tokoa izay mino Azy (2 Ti.2:20), izay “anjara tsara” tsy hesorina aminy mandrakizay (Lio.10:42).

/ Ny lohateny amin’ny herinandro fahatelon’ny Advento dia ny Fihavanana amin’Andriamanitra, izay antoka sady fepetra mahatanteraka ny teny fikasana rehetra. Lohatenim-pihavanana satria “Ny Mesia, dia Andriamanitra mampihavana ny olona Aminy”. Tanteraka izany asa fampihavanana izany amin’ny alalan’ny famelana ny heloka rehetra, efitry ny fisarahana (Isa.59:2). Fa hoy ny Tompo: “Mitoria teny soa mahafaly amin’i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny, sady voavela ny helony” Isa.40:2a. Rehefa izany, dia hoy ny hafatry ny Soratra Masina: ”Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy. Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy” Isa.55:6-7.

Raha ny marina, ny fahatongavan’ny Mesia dia fanavaozan’Andriamanitra ny fanekena izay nataony tamin’ny olony. Hoy Izy manamafy izany : « Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko » Jer.31 :33. Fa Andriamanitra tsy mahafoy na manary ny olony, sanatria, hoy Paoly (Rom.11:1), fa mitady azy (Lio.19:10) mba hahazoany miteny aminy hoe : « Fiadanana ho aminareo » Jao.20 :19. Ho amin’izany, dia ny famelan-keloka no entin’ny Mesia ho an’ny olon’Andriamanitra ary koa ho an’izay rehetra manaiky Azy, ka anirahany ireo irany hiteny aminy hoe : ”Mihavàna amin’Andriamanitra anie hianareo” 2 Kor.5:20b.

/ Ny lohateny fahefatra sady farany momba ny Advento dia ny amin’ny “Fisehoan’Andriamanitra”, satria ny hoe ”Ny Advento, fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra” dia ny fisehoan’ny voninahiny amin’ny fomba hitan’ny maso rehetra! Izany dia araka ny voasoratra hoe: “Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia … hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany” Isa.2:2. Andro lehibe indrindra tokoa izany, izay nandrasan’ny mino rehetra, dia Andron’Andriamanitra Izay tonga eo aminy, avy mamangy azy, mitoetra eo aminy, monina eo aminy. Fa voasoratra hoe: “Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe: Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon’ny olona hoe Imanoela (Isa. 7: 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra” Mat.1:22-23.

Lohateny fanantenana ho an’ny mino tokoa izany, satria manambara ny tsy maintsy hahatongavan’ny Mesian’Andriamanitra ela nandrasana mba hitondra fanavotana sy fandresena feno ho an’ny Isiraely, ho an’ny Fiangonan’Andriamanitra, ho an’izay rehetra mino Azy. Fotoana fanamarinan’Andriamanitra sy fankalazany ny olony koa izany, izay ataon’Izy tenany mivantana, dia araka ny tenin’i Paoly Apostoly manao hoe : «Satria izay fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin’ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy. Ary izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa » Rom.8 :29-30.

Ary noho izany, dia afaka mifaly sy manangam-peo tahaka an’i Simeona tao amin’ny tempoly izy rehefa nahita an’i Maria tonga hanolotra an’i Jesosy zaza nanao hoe: “Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin’ny fiadanana araka ny teninao; Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao, Izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra, dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao” Lio.2:29-32. Fa ny fahatongavan’izany zava-niseho izany dia maneho ny fahatanterahan’ny fanambarana izay nataon’ny anjely tamin’ireo mpiandry ondry tanatin’ny alina manao hoe : « Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anie ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo » Lio.2 :10-11.

Izany koa no nampiloa-bava an’i Jaona Apostoly raha nahita ny Teny tonga nofo, ka nanao hoe: “Hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana” Jao.1:14b. Fa Jesosy mihitsy no nanantitra ny amin’ny fiposahan’ny voninahitr’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fahatanterahan’ny teny faminaniana nataon’Isaia momba ny fahatongavany, araka ny voalazan’ny Isa.61, ka niteny nanao hoe: “Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izay soratra izany” Lio.4:21. Eny tokoa, Jesosy Kristy no fiposahan’ny voninahitr’Andriamanitra, fa hoy Izy: “Ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nanambara Ahy” Jao.5:37a. Fa tsy misy fanambarana lehibe mihoatra noho izany.

Ry havako malala, minoa ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’i Jesosy sy amin’ny alalany, eny, “antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy” 1 Pi.1:13d. Dia tahaka ny nitenenan’i Jesosy tamin’i Marta, anabavin’i Lazarosy sakaizany, izay efa maty sy nalevina manao hoe: ”Tsy voalazako va fa raha hino hianao, dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra?” Jao.11:40. Ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra, hoy isika, dia Izy maneho ny fiandrianany, ny fahamasinany, ny heriny sy ny fahefany, anefa indrindra koa ny fitiavany sy ny famindrampony lehibe amintsika, ka manafaka antsika amin’ny ziogan’ny ota sy ny fahafatesana, mba hahazoantsika midera sy mankalaza ny Anarany Masina.

Ho an’izay rehetra nanaiky ny handray ny famangiany toa an’i Zakaiosy mpamory hetra, dia manambara Jesosy manao hoe: ”Anio no efa tonga eto amin’ity trano ity ny famonjena” Lio.19:9. Ary ny anjely dia hihoby sy hihira hoe: ”Voninahitra any amin’ny avo Indrindra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany” Lio.2:11. Amena.

Mpanolotra: D.Rabarihoela Bruno

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *