Ny mino, olom-pirenena manana adidy

Ny hevi-dehibe iaingantsika dia ny hoe: “ny mino, olom-pirenena manana adidy” dia mivoy ao anatin’ny fanjakana sy ny firenena izay misy azy. Ny fanjakana sy ny firenena izay entiny rahateo dia voafaritry ny lalàna sy ny fitsipika izay mifehy azy. Koa satria ny Soratra Masina no foto-piorenan’ny zavatra rehetra, ary ao anatin’izany indrindra ny fanjakana sy ny firenena, dia tsara raha tsiahivintsika inona no atao hoe “fanjakana ankasitrahan’Andriamanitra”, ary miaraka amin’izany, inona no mety ho adidintsika olom-pirenena, indrindra isika mpino izay sady olom-pirenena eo amin’ny tanintsika, no voafehy sy entin’ny fanjakan’Andriamanitra koa.

/ Ny fanjakana ankasitrahan’Andriamanitra

Izany dia ny fanjakana izay manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra ka mampanjaka ny fahamarinana sy ny fihavanana hahasoa ny mpiara-belona sy hampandroso ny firenena. Araka izany, dia adidin’ny mpanapaka na mpitondra ny mampandroso ny firenena, ka manaraka ny baikon’i Jesosy manao hoe: “Izay manapaka dia aoka ho toy ny manompo” Lio.22:26b. Tsy hoe mariky ny fanetren-tena fotsiny izany, fa midika indrindra ho fandavan-tena hanompo, fandavan-tena hiasa ho an’ny namana sy ny firenena ary hanao ny fanompoana ny namana sy ny firenena ho vaindohan-draharaha sy asa, ary anton’ny ahavelomana mihitsy aza.

Raha ny asa fitoriana ny Filazantsara no kasihintsika teny, dia tsaroana eto ny teny vavolombelona izay nataon’i Paoly Apostoly manao hoe: “Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesosy Tompo hanambara ny Filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra” Asa.20:24. Ary dia izany tokoa no andrandraina amin’izay olona voatendry hanana andraikitra amin’ny fitondrana ny raharaham-pirenena, dia ny hatsiarovany fa fanompoana masina no ataony ka mitaky fandavan-tena, mitaky fahafoizana, mitaky fitiavana sahy sedra mba hanavotana ny firenena, indrindra amin’ny fotoan-tsarotra izay mahalatsaka an-katerena azy. Ary dia hiteny tahaka an’i Estera tokoa izy hanao hoe: “Hataoko ahoana ny hijery ny loza hanjo ny fireneko ? Ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako ?” Es.8:6. Ny “havako” dia ireo iray rà amiko, ireo mifaningotra aina amiko ary mifamatotra tantara amiko. Fa marina indrindra ny amin’ny firenena ny tenin’ny Soratra Masina manao hoe: “Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany” 1 Kor.12:12.

“Fa tamin’ny nanamboaran’Andriamanitra ny tena dia izay kely voninahitra no nomeny voninahitra bebe kokoa mba tsy hisy fisarahana eo amin’ny tena fa mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra, ary raha mijaly ny anankiray amin’ny momba ny tena dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena; fa raha omem-boninahitra kosa ny anankiray amin’ny momba ny tena, dia miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena” 1 Kor.12:24-26. Tsy izany tokoa va no hatao hoe fiainam-pirenena sy firaisam-pirenena?

/ Izany no mitarika ny saintsika hamaritra ny lohahevitra eto manao hoe: “Ny mino, olom-pirenena manana adidy”.

Ny olom-pirenena manana adidy ary manefa izany, dia manaraka ny baiko izay omen’ny Soratra Masina manao hoe: “Aoka tsy hisy tsy ho voaloa na amin’iza na amin’iza” Rom.13:8a. Midika izany fa tsy misy na dia iray aza ny olom-pirenena izay tsy manana adidy amin’ny fiaraha-monina sy ny firenena izay misy azy, ary dia voakasika manokana amin’izany izay rehetra nahazo tombom-pahasoavana nohon’ny famindrapon’Andriamanitra, fa “izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy” Lio.12 :48b. Hoy Jesosy: “efa nahazo maimaimpoana hianareo koa manomeza maimaimpoana “ Mat.10:8. Fa voasoratra hoe: “aza mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy raha azon’ny tananao hatao ihany” Oha.3:27, “Koa izay mahalala ,hanao soa anefa tsy manao dia heloka ho azy izany” Ja.4:17.Eny, mitandrina isika mba tsy hamihin-tanana, fa izay fatra mpamihin-tanana no fatra mpamotsotra koa.

Rehefa izany, dia mety raha dinihintsika akaiky ny amin’ireo adidy tandrify ny maha-olom-pirenena sy maha-mpikamban’ny fiaraha-monina feno antsika. Izany dia tsy voafetran’ny fandatsahana vato amin’ny fotoam-pifidianana ihany, na koa ny fandoavana hetra sy haba samihafa.

Ny adidy atrehina amin’ny andavan’androm-piainana dia manomboka eo amin’ny fiainan-tokantrano, ny fiaraha-monina, ny fianakaviana sy ny olom-pantatra, ny ara-piangonana, ny ara-pikambanana samihafa, eny, amin’ny tontolo iainana koa sy ny fiaraha-monina ankapobeny amin’ny fitandrovana izany tsy ho simba na ho voaloto na ho ringana . Fa ny mahalasa fisainana mantsy dia ny mahita ny fialana andraikitra izay ataon’ny sasany, ary izany dia hita na eo amin’ny mpino aza ; fa misy ny miteny manao hoe: “isika mpino dia efa olon’ny lanitra (citoyen du ciel) fa tsy olon’ny tany intsony” ; anefa ny tongony dia tena mbola miteha-tany be izao…

Tsara atao mazava ny foto-kevitra momba izany : ekena fa isika dia tsy naman’izay mivelona amin’ny fomban’izao tontolo izao tokoa, dia izao tontolo izao mivoy anatin’ny haizina sy ny fitaka ary ny faharatsiana, ary isika tsy mitoky rahateo amin’ny asan’ny maizina, na hatao hanompo ny devoly, sanatria. Fa ny Tompo tokoa no efa nivavaka nanao hoe: “Tsy naman’izao tontolo izao izy tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao” Jao.17:16. Koa amin’ny maha vavolombelon’ny finoana ny mpino, dia tena manana adidy izy ary adidy masina hanompo ny namany sy hampandroso ny fireneny. Mazava ary tsy misy olakolaka ny tonom-bavaka izay nataon’i Jesosy tamin’ny Rainy manao hoe : “Izaho tsy mangataka Aminao hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny ny mba hiaro azy amin’ny ratsy, – na amin’ilay ratsy” Jao.17:15.

Ary noho izany, dia ahoana hoy Jesosy tamin’ireo mpianany sy izay mbola irahiny ? “Hianareo no fanasin’ny tany, fa raha ny fanasina no tonga matsatso inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy fa hariana any ivelany ka hitsahan’ny olona” Mat.5:13; “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao, tsy azo hafenina izay Tanana miorina eo an-tampon-tendrombohitra ary koa tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy eo ambany vata famarana, fa apetrany eo amin’ny fanaovan-jiro ka dia mazava amin’izay rehetra ao an-trano izany; aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa hataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra” Mat.5:15-16.

Ary amin’izany, dia mibaiko Izy manao hoe: “Mandehana any amin’izao tontolo izao hianareo ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra” Mar.16:15. Dia aza adino, araka izany, fa na dia Teny iray ihany aza tononin’ny vavantsika avy amin’ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy, ka zaraintsika amin’ny tsikim-pitiavana amin’ny namantsika, dia azo oharina amin’ny voa mamy indrindra izany, izay mampiposaka masoandron’aina velona ka manome toky ny fo torotoro sy torovan’ny adim-piainana efa tsy an’erany. Fa isika ange, raha ny marina, dia tsy misy ataon’Andriamanitra ho mahavita tena, na koa ho velon-ko ho an’ny tenantsika samy irery, fa nataony ho velona ho an’ny hafa koa, dia velona ho an’ny firenentsika izany. Araka izany, ny olon’Andriamanitra dia tsy natao hiamboho adidy na hiala andraikitra amin’ny fiaraha-monina sy ny firenena, fa manaiky hanefa ny anjara birikiny hahasoa sy hampandroso ny fireneny izay lova nomen’Andriamanitra azy, ka hiteny tahaka an’i Apostoly Paoly manao hoe: “Ananan’ny grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry trosa aho” Rom.1:14.

/ Inona ny antony mbola mampilentika ity firenena ity ?

Milentika ny firenena satria mbola misy, ary misy dia misy tokoa, ny trosa izay tsy mbola voaloany amin’Andriamanitra. Izany dia ny trosan’ny fibebahany, ny trosan’ny fialany amin’ny ratsy fanaony, ny trosan’ny fitiavana ny namany sy ny tanindrazany izay tokony hizarany izay tsara sy mahasoa ho an’ny mpiara-belona eo aminy, fa tsy ny hihanina fotsiny amin’ny fahafenoana izay mey ananany, na koa ny amin’ny fivavahana izay hamonjeny ny fanahiny samy irery. Fa mila famonjena ny firenena ary mila olom-pirenena mahatoky izay hamonjy azy, ka tsy hanantena olon-kafa na vahiny tsy akory hisolo vaika ny akalana. Izany no nanirahan’ny Tompo fahizay an’i Gideona, ary mbola teniny amintsika, dia amiko sy aminao manao hoe: “Mandehana amin’izao herinao izao ka vonjeo ny Isiraely amin’ny tanan’ny Midiana, tsy efa naniraka anao va aho” Mpt.6:14.

Ny tena adin’ity firenena ity dia tsy inona fa ady amin’ny fitiavan-tena sy ny tsy finoana. Ireo no azo lazaina ho « rangory fotory ny afo ». Rehefa manjaka ny fitiavan-tena, dia manjaka ny tsy fahamarinana rehetra sy ny fomba maizina samihafa miaraka aminy; ny tsy finoana dia midika ny tsy fisian’ny tahotra an’Andriamanitra, ny tsy fanajana izay masina, ny tsy firaharahana ny tenin’Andriamanitra dia ny Soratra Masina, eny, fanoherana mivantana ny Tompo mihitsy aza, hany ka mihatra ny valiny avy amin’Andriamanitra araka ny voasoratra hoe: “Raha mandà Azy isika Izy koa handà antsika” 2 Tim.2:12.

Araka izany, dia tsy misy ny fitahiana, foana ny fanambinana, mikatona ny lanitra, tsy misy ny antoka ho famonjena, satria avy amin’Andriamanitra irery izany, Izy no tompony (Jak.1:17). Fa izay manantena hahazo tombony anefa misaraka amin’Andriamanitra izay Mpahary sady Mpamonjy azy, – dia Andriamanitra miseho sy miasa amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany-, dia toy ny olona minia manakamboty tena, tsy manana mpiahy na mpiaro, hany ka hiharan-doza sy fahavoazana izay tsy hainy toherina akory. Izany dia olona sy firenena izay tsy ambinina tokoa izany hoe raha adika araka ny hevitry ny Soratra Masina “voaozona” ?! Sarotra izany.

Hoy indrindra ny fanambaran’ny mpaminany ny amin’izany: “Koa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Hevero ny lalanareo. Efa namafy be hianareo, nefa kely no taomina: mihinana hianareo, nefa tsy voky; misotro hianareo, nefa tsy afa-po; mitafy hianareo, nefa tsy misy mafana; ary izay mahazo karama dia mahazo karama hatao an-kitapo loaka. Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Hevero ny lalanareo” Hag.1 :5-7. Eny, hevero sy diniho ary lanjalanjao, ary miovà!

Ry havana malala, andeha fehezintsika izao dinika izay hafatra lehibe apetraky ny Tompo amintsika mikasika ny adidintsika eto amin’ny firenena izao. Fa iza tokoa moa no tsy misento manontany hoe: rahoviana no hiposaka ny fahazavan’ny famonjen’Andriamanitra eto amin’ity firenena malalantsika ity? Fa ny hafa aza maniry fatratra azy ary mibosesika ny vahiny migoaka ny mamy sy manorem-ponenana eo aminy. Koa inona indrindra no adidin’ny mpino sy ny olom-pirenena tsirairay mba hahafaka ny fireneny? Sa isika ve dia hihanina fotsiny amin’ny hoe « mivavaha », na « ento amim-bavaka », ka tsy handray ny andraikitra mba hiasa hanao ny sitrapon’Andriamanitra sy hanaiky ny fitarihany? Satria efa nanaiky hiray antoka amintsika Izy ka nanao hoe: « Izaho no andrasan’ny nosy » Isa.60:9a.

Fa ny Tompo dia efa vonona ny hamonjy antsika amin’ny fahoriantsika, hanome antsika fanasitranana sy fiainana, toky sy fanantenana, dia fanafahana feno, eny, na dia fitsapana mahamay aza no lalovan’ny firenentsika. Fa hoy Jesosy: “Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo” Jao.8:36. Araka izany, dia efa nanome teny fikasam-panavotana ho antsika Izy tamin’ny alalan’i Ezekiela mpanompony ny amin’ireo taola maina izay novelominy manao hoe: “Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, ireto taolana ireto dia ny taranak’Isiraely rehetra; indreo izy manao hoe: Maina ny taolanay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay. Koa maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Indro, ry oloko, Izaho no hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin’ny fasanareo hianareo, ka ho entiko ho any amin’ny tanin’ny Isiraely; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manokatra ny fasanareo Aho, ry oloko, ka mampiakatra anareo hiala amin’ny fasanareo. Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona hianareo, ary hamponeniko any amin’ny taninareo hianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny sady nahatanteraka izany, hoy Jehovah” Ez.37 :11-14.

Mahereza, ry havana malala, mpiray finoana sady mpiray tanindrazana! Ny Tompo anie hahatanteraka amintsika tokoa ny teny fikasam-pamonjeny. Koa dia ho Azy, ary ho Azy Irery Ihany ny voninahitra, ny dera sy ny laza, izay efa Azy hatramin’ny taloha ary Azy mandrakizay. Ao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika. Amena.

© D.Bruno Rabarihoela
GESC Mada 09.03.18

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *