Fiombonam-bavaka Alahady V manaraka ny Paska Herinandro 07- 12 Mey 2018

FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
Fiombonam-bavaka Alahady V manaraka ny Paska
Herinandro 07- 12 Mey 2018
“Andriamanitra tia famelan-keloka”
*

Fitarihan-kevitra: Andriamanitra tia famelan-keloka, ary tiany ny olony ho tia famelan-keloka tahaka Azy. Fa hantsana lehibe mampisaraka antsika amin’Andriamanitra ny heloka tsy voavela. Hoy ny tenin’ny Tompo: “Indro, ny tànan’i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare; Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy” Isa.59:1-2. Ratsy tokoa ny ota “Fa ny ota no fanindronan’ny fahafatesana” 1 Kor.15:56a. Fa ny fahafatesana dia vokatry ny fisarahantsika amin’Andriamanitra Izay Mpahary antsika sady Tompo Mpanome ny aina (Asa.17:25). Koa raha ny ota mitondra fanamelohana ho amin’ny fahafatesana, ny famelan-keloka kosa dia mitondra fananganana ho amin’ny fiainana. Fa amin’izany, dia hoy indrindra ny tenin’ny Tompo: “Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin’ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty hianareo, ry taranak’Isiraely?” Ezek.33:11. Tanteraka izany fikasan’Andriamanitra izany nohon’ny asam-panavotana nataon’Jesosy izay maty ho antsika ary nitsangana ho antsika (1 Kor.15:3-4), izay nijoroan’i Paoly ho vavolombelona manao hoe: “Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy. Fa ao amin’i Kristy Jesosy ny lalàn’ny Fanahin’aina no nahafaka ahy tamin’ny lalàn’ny fahotana sy ny fahafatesana” Rom.8:1-2. Fa Andriamanitra tsy tia ny mitana heloka fa ny mamela heloka mba hahavotra ny mpanota, ary dia mibaiko manao hoe: “Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy” Isa.55:7. Mazotoa mibebaka, fa amin’ny fibebahana no andraisana famelan-keloka.
Alatsinainy 07: Andriamanitra tia famelan-keloka.
“Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza” Jer.29:11.
Vakiteny 1: Jao.3:14-17. Vakiteny 2: Jer.29:11-14. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jer.29:11. Teny manampy:
– “Tsy tonga Aho hiantso ny marina, fa ny mpanota” Mat.9:13b.
– “Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka, satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny”Asa.17:29-30a.

 

Talata 08: Andriamanitra mampianatra famelan-keloka.
“Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay” Mat.6:12.
Vakiteny 1: Mat.18:21-27. Vakiteny 2: Mat.6:5-13. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.6:12. Teny manampy:
– “Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao (Lev.19:18), ary mankahalà ny fahavalonao. Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo, mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo” Mat.5:43-45.
– “Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe: Tompoko, impiry moa no hanotan’ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin’ny impito va? Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fito-polo” Mat.18:21-22.

 

Alarobia 09: Tian’Andriamanitra ny olony ho tia fifamelan-keloka.
“Koa mifaneke heloka hianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana hianareo” Jak.5:16.
Vakiteny 1: Gen.33:1-16. Vakiteny 2: Jak.5:16-20. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jak.5:16. Teny manampy:
– “Ary amin’izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ny alitara hianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao” Mat.5:23-24.
– “Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra” Rom.12:18.

 

Alakamisy 10: ANDRO FIAKARANA. Jesosy mifona ho antsika.
“Ao amin’ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin’ny torotoro fo sy ny manetry tena” Isa.57:15b.
Vakiteny 1: Efes.4:7-10. Vakiteny 2: Isa.57:15-18. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.57:15. Teny manampy :
– “Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin’ny fitarainana tsy azo tononina” Rom.8:26.
– “Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin’ny maty koa ka mitoetra eo amin’ny tanana ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika” Rom.8:34.

 

Zoma 11: Ny fahasambaran’izay voavela heloka.
“Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany” Sal.32:1.
Vakiteny 1: Zak.3:1-5. Vakiteny 2: Sal.32:1-7. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Sal.31:1-2. Teny manampy:
– “Matokia, anaka; voavela ny helokao”, “Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao” Mat.9:2,6.
– “Ary amin’izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy” Lio.7:47.

 

Sabotsy 12: Andriamanitra mandidy ny fibebahana ho famelan-keloka.
“Koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo” Asa.3:19.
Vakiteny 1: Mat.4:12-17. Vakiteny 2: Asa.3:12-21. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Asa.3:19. Teny manampy:
– “Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo; ary mba hotorina amin’ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema” Lio.24:46.
– “Ny fanatitra ho an’Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.” Sal.31:17.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *