Fiombonam-bavaka Alahady VII manaraka ny Trinite Herinandro 16-21 Jolay 2018

FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
Fiombonam-bavaka Alahady VII manaraka ny Trinite
Herinandro 16-21 Jolay 2018
“Andriamanitra amin’ny olony, tokim-pitahiana”
*

Fitarihan-kevitra: Ny hoe: ”Andriamanitra amin’ny olony, tokim-pitahiana” dia midika fa eo amin’izay itoeran’ny Tompo no andidiany fitahiana sy fiadanana, dia fahasambarana ho an’izay rehetra mino Azy. Tsy mba misy aloky ny fikotranana na fiahiahiana loza na tsy fahombiazana eo, fa fanjakan’ny fiadanana sy ny fahatokiana be. Fa raha niangona tao amin’ny efitrano ambony ireo mpianatr’i Jesosy noho ny tahony ny jiosy izay nanenjika azy, dia nitsangana teo afovoan’izy ireo ny Tompo ka nanao taminy hoe: ”Fiadanana ho anareo” Jao.20:19. Dia toraka izany koa, ny fo izay itoeran’ny Tompo dia lavitra ny fahotana sy ny faharatsiana, fa hanjakan’ny fahamarinana sy fahamasinana, dia fahazavan’aina sy fahavelomana maharitra. Fa hoy Jesosy: ”Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina” Jao.8:12. Tanteraka amin’izany ny tononkira sady tonom-bavaka manao hoe: ”Ho lao ny fahotako raha akaikezinao, tsy misy hadalako izay tsy afakao. Tsy afaka ato am-poko ny faniriana Anao; Oneno re ny foko ho lapanao!” Hira FFPM 470. Nankalaza ny hasoan’ny fitoerana eo amin’Andriamanitra ny mpanao Salamo ka nanao hoe : ”Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; Te-ho voky ny zava-tsoa ao amin’ny tranonao izahay dia ny zava-masina ao amin’ny tempolinao” Sal.65:4. Toy izany koa no nataon’i Jaona Apostoly izay nankalaza ny fiavian’ny Tompo manao hoe : ”Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana” Jao.1:14. Tian ’Andriamanitra ny olony hitoetra eo aminy mba handray ny fitahiany ka hoy Jesosy: ”Tomoera amiko ary Izaho aminareo” Jao.15:4a. Fa ”Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro; … fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa” Jao.14:2-3. Taominy isika hihavana Aminy sy hiditra ao amin’ny fanjakany mba handray fitahiana sy handova ny fanjakan’ny fiainana mandrakizay. Hoy Izy: ”Honina eo aminy sy handeha eo aminy ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho oloko” 2 Kor.6:16b.

Alatsinainy 16: Andriamanitra amin’ny olony.
”Ary ny anarany hataon’ny olona hoe Imanoela. Izany hoe raha adika: ’Amintsika Andriamanitra’” Mat.1:23b.
Vakiteny 1: Isa.54:11-17. Vakiteny 2: Mat.1:18-25. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.1:22-23. Teny manampy:
– “Fa Andriamanitra mamindra fo Jehovah Andriamanitrao ka tsy hahafoy anao, na handringana anao, na hanadino ny fanekena tamin’ny razanao, izay efa nianianany taminy” Deo.4:31.
– Hoy Izy: « Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory – Jos.1:5”. Heb.13:5.

Talata 17: Andriamanitra miahy ny olony.
”Fa ny fanahy ana dia hampisotroiko, ary ny fanahy mihaosa rehetra dia hovokisako” Jer.31:25.
Vakiteny 1 : Efes.3:14-19. Vakiteny 2 : Jer.31:23-25. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Jer.31:25. Teny manampy:
– “Fa izao no lazain’i Jehovah Tompo: Indro, Izaho, eny, Izaho no hiahy ny ondriko sy handinidinika azy” Ezek.34:11.
– “Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka” Isa.46:4.

Alarobia 18: Andriamanitra miantoka ny fahasambaran’ny olona izay ahiany.
“Sambatra izay hihinan-kanina ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra” Lio.14:15.
Vakiteny 1: Sal.65:1-4. Vakiteny 2: Lio.14:12-15. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.14:13-14. Teny manampy:
– “Fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay” Jao.4:14.
– “ Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko”Apok.3:20.

Alakamisy 19: Ny mino matoky ny fiahian’Andriamanitra.
”Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho” Sal.23:1.
Vakiteny 1: Heb.13:5-7. Vakiteny 2 : Sal.23:1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Sal.23:1. Teny manampy:
– “ Izay mino Ahy, dia hisy onin’ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan’ny Soratra Masina”Jao.7:38.
– “Ary tsy niahanahana ny amin’ny teny fikasan’Andriamanitra tamin’ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin’ny finoana ka nanome voninahitra an’Andriamanitra ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa” Rom.4:20-22.

Zoma 20: Tsy voafetra ny fiahian’Andriamanitra ny olony.
”Fa tamin’ny fahafenony no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana” Jao.1:16.
Vakiteny 1 : Efes.3:20-21. Vakiteny 2 : Jao.1:14-16. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Jao.1:16. Teny manampy:
– “Izao no lazain’i Jehovah ny Iray Masin’ny Isiraely, dia ny namorona azy: Ny amin’ny zavatra ho avy no anontanio Ahy; ary ny zanako sy ny asan’ny tanako dia aoka ho adidiko ihany” Isa.45:11.
– “Ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao” Mat.28:20.

Sabotsy 21: Andriamanitra loharanon’ny fitahiana rehetra.
“ Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin’ny Rain’ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin’ny fihodinana” Jak.1:17.
Vakiteny 1: Isa.45:5-8. Vakiteny 2: Jak.1:16-18. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jak.1:16-17. Teny manampy:
– “Endrey ny hatsaran’ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin’ny aloky ny elatrao ny zanak’olombelona. Voky ny matavy ao an-tranonao izy; …Fa ao aminao no misy loharanon’aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana” Sal.36:7-9.
– “Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako”Jao.14:6.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *