“NY LOVA NAPETRAK’IREO RAIAMANDRENIM-PIFOHAZANA”

Ny satroboninahitra mari-panavotam-pirenena

Ny satroboninahitra mari-panavotam-pirenena

Fifaliana mandrakariva ho antsika, ry havana, ny ahazoantsika mitafa sy midinika eto indray anio, mikasika ny Fifohazam-panahy sy ny Asan’ny Fifohazana izay nataon’ny Tompo eto amin’ny firenentsika. Koa dia mirary ny fahasoavan’ny Tompo mbola harotsany be dia be amintsika eo am-panarahana ity fandaharana ity. Ho voninahitr’Andramanitra Tompontsika.

Hivavaka isika: “Tompo ô; misaotra indrindra anao izahay tojo ity fotoam-pandaharana ity indray, izay natokana ho fampahalalana bebe kokoa ny amin’ny asa notanterahinao tamin’ny alalan’ny Fifohazam-panahy, izay feon’ny Fanahy Masinao nanako teto amin’ny firenenay efa 120 taona lasa izao, ary mbola tsy mitsahatra manako sy hanako hatrany amin’ny faran’ny tany, raha sitrakao ny hahatanteraka izany araka izay nampanambaranao ireo mpanomponao Raiamandreninay. Sarobidy ity Fandaharana ity satria hanomezanao ny teny fikasana sy ny toky fa Hianao no loharano anovozanay ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra, ary mbola manaiky hamindra fo aminay. Koa aoka ny teninao izay ho renesinay mbola hiasa manan-kery hamonto ny fonay mba hahatonga famonjena sy fitahiana tretrika sy tsy manam-pahataperana, dia ho fanasitranana, ho fananganana, ho fampaherezana araka ny fitiavanao izay tsy mahafoy anay sy ny firenenay. Koa dia mbola mitenena Tompo ô araka ny fombanao, dia araka ny haben’ny famindramponao, fa mihaino izahay mpanomponao. Ao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy manan-kery avy any Nazareta, Ilay Tompo Mahatoky sy Marina, ho voninahitry ny Ray Izay any an-danitra. Amena.

Ry havana malala, ny fotoanantsika anio, araka ny efa nambara teto, dia ezahantsika mbola hamaliana ireo fanontaniana tonga aty aminay mikasika “Ny Fifohazana sy ny asany”.

/ Ny Fanontaniana voalohany ho raisintsika eto dia ny hoe : nambara teto fa ny Fifohazana dia asa notendren’i Jesosy mivantana tamin’ny alalan’ny nanangany ireo mpanompony atao hoe Raiamandreny avy amin’ny Tobilehibe Efatra, dia Soatanana, Manolotrony, Ankaramalaza ary Farihimena. Samy toerana nanehoan’Andriamanitra ny voninahiny ireo, ary nandraisan’ny maro fahasoavana tokoa. Araka izany, ny fanontaniana izay napetraka dia ny hoe : Inona sy manao ahoana no mety ho tombontsoa sy fitahiana azo avy amin’ny Fifohazana sy ny fanarahana azy? Ary indrindra, azo avy amin’ny alalan’ireo Raiamandreny angady nananana sy vy nahitana azy?

. Ho famaliana izany fanontaniana izany, dia misy aloha ny fanamarihana tsara ataontsika.
Ny amin’ny mety ho toerana sy andraikitry ny Raiamandreny izay “mampita fahasoavana” amin’ny maro sy ho an’ny taranaka, dia nisy tokoa ny hafatra sy fampitandremana nataon’izy ireny:
– teo Dada Rainisoalambo izay noho ny fahitany fa na dia nisy aza ny faharisihan’ny maro hanaraka ny Fifohazana, dia nisy koa ny nalaina ny handray sy hitahiry ny fampianarana sy ny teny izay nomen’ny Tompo tamin’ny alalany. Ka dia hoy izy nanao hoe: “Mandraisa izay mandray [midika hoe aoka hihazona tsara izay mandray mba tsy handraraka ilo mby an-doha], ary izay tsy mandray (na tsy mety mandray) dia manaria, – satria efa tsy mety mandray rahateo”.
– mifandraika amin’izany tenin’i Dada Rainisoalambo izany, ny teny nataon’i Mama Volahavana Germaine Nenilava manao hoe: “Aza adino i Mama; aza avelanareo ho faty ny fahatsiarovana ahy. Raketo tsara ny teny izay nolazaiko taminareo, fa ho avy ny andro izay anontanianareo rahatrizay hoe : inona moa ny tenin’i Mama tamin’izay? Izany dia azo ampiharina amin’ny hoe “inona ny tenin’i Dada?”, raha manondro an’i Dada Rainisoalambo, Toby Soatanana isika; na koa, “inona no hafatr’i Neny,” raha manondro an’i Neny Ravelonjanahary, Toby Manolotrony isika; na koa, inona no fanambarana nataon’i Dadatoa, raha mahatsiaro an’i Dadatoa Rakotozandry Daniel isika?

Samy Raiamandreny lehibe teo amin’ny tantaran’ny Fifohazana sy ny fototra fanorenana azy izy ireo ka niombom-peo tamin’ny Apostoly Paoly, raha nampahery ireo mpino tao Tesalonika izy manao hoe: “Koa tomoera tsara, ry rahalahy, ka hazòny ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo, na tamin’ny teninay, na tamin’ny epistilinay” 2 Tes.2:15. Ary koa amin’ny teny famporisihana sy fampitandremana nataon’i Paoly tamin’i Timoty manao hoe: “Fa hianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany” 2 Tim.3:14.

Ny nampianatra izany? Dia ny Raiamandreny izay niteny toa an’i Paoly nanao hoe: “Fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay; ary sahan’Andriamanitra sy trano arafitr’Andria-manitra hianareo. Araka ny fahasoavan’Andriamanitra nomena ahy, tahaka ny fanaon’ny mpità-marika mahay no nanaovako ny fanorenana, ary ny hafa mandrafitra eo amboniny; nefa aoka ny olona rehetra hitandrina izay arafiny eo amboniny. Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy” 1 Kor.3:10-11.

Ambara araka izany, fa ireo Raiamandreny amin’ny Tobilehibe Efatra ireo dia niombona tanteraka amin’ny foto-panorenana ny finoana iray mba hahahazoana ny famonjena, dia Jesosy Kristy Irery Ihany, Izay ”Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy” Heb.12:2. Fa Jesosy no vato izay nolavin’ny mpanao trano, nefa tonga fehizoro (Sal.118:22). Izy no nambaran’ny Ray manao hoe: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy” Mat.17:5. Fa hoy Petera Aposotoly: “Ary tsy misy famonjena amin’ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena” Asa.4:12. Ary dia avy amin’izany no nandraiketana ny teny filamatra eo amin’ny fiainan’ny Fifohazana sy ny fomba fifandraisany manao hoe “Jesosy Irery Ihany” Mat.17:8.

Koa dia Jesosy tokoa no notarafina teo amin’ny fiainan’ireo Raiamandreny ireo, teo amin’ny toetrany, teo amin’ny teniny, teo amin’ny asany, teo amin’ny fanambarany ny Filazantsaran’Andriamanitra sy ny fampahafantarana ny sitrapon’Andriamanitra tamin’ny olona amin’ny antony samihafa nilana izany ary teo amin’ny fanehoana ny heriny sy ny fahefany ary ny fitiavany izay mamonjy ny olona. Fa hoy Paoly Apostoly raha nanao ny asan’Andriamanitra: “tsy mihambo hanana fahaleovana avy aminay hihevitra na amin’inona na amin’inona izahay; fa ny fahaleovanay dia avy amin’Andriamanitra, Izay efa nampahaleo anay koa ho mpanompo amin’izay fanekena vaovao, nefa tsy amin’ny soratra, fa amin’ny Fanahy; fa ny soratra mahafaty, fa ny Fanahy no mahavelona” 2 Kor.3:5-6. Ary toy izany koa: “Fa na dia velona amin’ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo (fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay, fa mahery amin’Andriamanitra handrava fiarovana mafy); fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’i Kristy” 2 Kor.10:3-5. Fa ny fototra mahatanteraka izany dia ny firaisana lalina sy matanjaka nananan’izy ireo tamin’i Jesosy, izay nahatonga azy ireo niteny nanao hoe: “Kristy no anton’ny ahavelomako” Fil.1:21, eny ”tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko” Gal.2:20.

Ary rehefa izany dia Jesosy tokoa no nisaina sy niasa ny zavatra rehetra (Fil.2:13), ka afaka niteny toa an’i Paoly ireo Raiamandreny ireo nanao hoe: “Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nampanaovin’i Kristy ahy, na tamin’ny teny, na tamin’ny asa, mba hampanaiky ny jentilisa” Rom.15:18. Fa omen’ny Tompo, ary tena ilaina indrindra, ny fanomezam-pahasoavana hanaovana ny asa izay notendreny araka ny voasoratra hoe: “Tafio avokoa, raiso avokoa ny fiadian’Andriamanitra rehetra” Efes.6:11,13. Ary ny fiadiana ambonin’ny fiadiana rehetra, dia ny firaisana amin’i Jesosy sy ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Fa ny herin’ireo Raiamandrenin’ny Fifohazana ireo sy ny fahombiazany teo amin’ny asany dia tao anatin’ny fankatoavana ny fitarihan’ny Fanahy Masina hatrany Izay nomba azy, ka dia afaka niteny tokoa izy toa an’i Paoly hanao hoe: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ilay mampahery ahy” Fil.4:13.

/ Raha izany ny foto-piorenan’ny ireo mpanompon’Andriamantra mpanorina ny Fifohazana, ny fanontaniana manaraka dia ny hoe: “Inona, raha akapoka, no azon’ny taranaka mandimby andrandraina ho lova navelan’ireo Raiamandreny, ankoatry ny ohatra mikasika ny fomba fiaimpiainany sy ny toetrany ankapobe voatsikaritra teo?”

Raha ny foto-kevitra iarahana manaiky ny hoe “ny zanaka mandova ny raiamandreny”, dia milaza izany fa izay nomen’Andriamanitra ny raiamandreny no lovàn’ny zanaka. Izany dia milaza ny amin’ny fitohizan’ny fifandraisana sy ny firaisana amin’Andriamanitra, ka anomezan’Andriamanitra zavatra roa lehibe dia: ny fanekena izay ifanaovan’Andriamanitra amin’ny olony, ary miaraka amin’izany ny teny fikasana izay miorina sy miankina amin’io Fanekena io.

– Ny fanekena: dia manambara firaisana antoka amin’Andriamanitra, izay manorina ny fanjakany eo amin’ny olony araka ny teniny manao hoe: “Honina eo aminy sy handeha eo aminy ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho oloko (Lev.26:11,12)” 2 Kor.6:16. Ary manorina izany koa ao amin’ny olony araka ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Tsy misehoseho no fihavin’ny fanjakan’Andriamanitra. Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, etỳ! na erỳ ! fa, indro, ny fanjakan’Andriamanitra dia ao anatinareo” Lio.17:20-21. Koa ny maha Andriamanitra Tompo Azy dia Izy manana ny olony izay nofidiny sy noraisiny ho an’ny tenany, ary ny maha izy azy ny olony dia izy nofidin’Andriamanitra, nataony ho Azy, dia araka ny voasoratra hoe: “Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy, « fanjaka-mpisorona, firenena masina » (Eks.19;6), olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran’ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga; dia hianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon’Andriamanitra; izay tsy namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo (Hos.2:25)” 1 Pet.2:9-10.

Tsy mihanina amin’izany ny Tompo fa manantitra mihitsy ny fifamatorany amin’ny olony manao hoe: “Ho Rainareo Aho, ary hianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha (Isa.52:11,12)” 2 Kor.6:18. Araka izany, dia ny zanaka izay mitoetra, dia izay mihazona ny fanekena, ka manaiky an’Andriamanitra ho Tompony sy ho Rainy, no mandova ny teny fikasana. Fa hoy Jesosy: “Fa ny andevo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva, – izany hoe tsy mandova mandrakizay; fa ny zanaka no mitoetra mandrakariva” – izany hoe mandova mandrakizay – Jao.8:35.

Asandratr’Andriamanitra tokoa ny zanany izay mitoetra ao Aminy, araka ny voasoratra hoe: “Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa” Rom.8:17. Ary dia marihina amin’izany fa tsy araka ny nofo velively no maha zanaka, ka mety itokiana tena ho mpandova ny raiamandreny, fa araka ny Fanahy sy ny finoana, izay andovana ny teny fikasana, araka ny voasoratra hoe: “Fa tsy izay rehetra avy amin’ny Isiraely no Isiraely. Ary na dia taranak’i Abrahama aza ireo, tsy dia ary zanany avokoa; fa avy amin’Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao (Gen.21:12). Izany hoe: Tsy ny zanaky ny nofo no zanak’Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka” Rom.9:6-8. Tsy iza izany fa izay antsoin’Andriamanitra ho zanany, fa “ny Tompo mahalala ny Azy” 2 Tim.2:19. Fa hoy Jesosy: “Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho” Jao.10:14.

/ Inona, rehefa izany, ireo teny fikasana izay nomena tamin’ny alalan’ireo Raiamandren’ny Fifohazana ka anorenan’Andriamanitra ny fitahiany eo amin’ny olony, ary amin’ny alalany dia ho fitahiana ho an’ny fireneny sy ho an’ny firenena rehetra maneran-tany ihany koa, Ary misy ve ny antoka omen’Andriamanitra ny amin’izany?

. Ny antoka omen’Andriamanitra dia ny fisokafan’ny fony ka anokafany ny varavaran’ny fanjakany izay hampidirany ny olony mba handova izany, dia varavarana izay sokafan’ny Tompo ka tsy hisy hanidy araka ny tenin’i Jesosy Tompo manao hoe: “Izao no lazain’izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin’i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha: indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy” Apok.3:7-8.

. Ny teny fikasana nolovana avy tamin’ireo Raiamandreny kosa dia tsy vitsy, saingy misy kosa ireo teny fototra izay azontsika asongadina amin’izy ireo, dia araka ny voasoratra hoe:
. “Hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’ny razanareo, raha hoy Izy tamin’i Abrahama: Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany (Gen.22:18)” Asa.3:25.
. “Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao” Isa.54:13.
. “Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin’ny vavanao, na amin’ny vavan’ny taranakao, na amin’ny vavan’ny taranaky ny taranakao, hatramin’izao ka ho mandrakizay, hoy Jehovah” Isa.59:21.

. Teo amin’ny tantaran’ny Fifohazana, ireo teny fikasana ireo dia nomarihina sy nofehezina tamin’ny alalan’ny famantaram-panekena, izay notanterahina tamin’ny atao hoe “Fanehoam-panokanana ny Raiamandreny tao amin’ny Toby Ankaramalaza tamin’ny 02 Aogositra 1983; fotoana izay notronin’ireo Raiamandrenin’ny Tobilehibe rehetra, ho mariky ny firaisany antoka fa ny Fifohazana dia Iray, ary ny Lohany dia Iray, dia Jesosy Kristy Lohan’ny Fiangonana sady Lohan’ny Mpiandry (Efes.5:23; 1 Pet.5:4).

/ Ny hafatra ho antsika

Fanomezana lehibe sy tena ambony avy amin’Andriamanitra ny Fifohazana, dia ny asan’ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra velona sy mahery (Heb.4:12) izay manangana na dia ny maty azy. Fa tanteraka tamin’ny alalany ny baiko nomen’i Jesosy ny mpianany manao hoe: “Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana hianareo, koa manomeza maimaimpoana” Mat.10:8.

Fanomezana sarobidy tsy manam-paharoa izany, ka tokony tandrovina tsy ho voaviraviram-pahavalo (Mat.13:25). Koa dia tandremana mba tsy hisy hitsipa-doha ny lakan-nitana (Deo.32:15), fa izay rehetra mihamboho ny tantara niaviany dia misaraka amin’ny faka izay nitsiriany sy namelona azy, ary halazo sy ho maina ka hesorina na dia efa mba teo ihany aza (Jao.15:2a). Fa hoy indrindra ny tenin’Andriamanitra: “Miorena tsara, aza miova” 1 Kor.15:58. Ary dia mandrosoa ka tanteraho ny fanompoana izay napetraky ny Tompo. “Fa isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana, fa naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy” Heb.10:39.

Ho voninahitr’Andriamanitra.

Fandaharana nalefan’ny RTF ny Talata 14.11.17.
Mpanolotra: D.Bruno Rabarihoela

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *