Alahady II manaraka ny Paska 06-11 Mey 2019 “Jesosy Mpiandry Tsara”

Fiangonana Loterana Malagasy
Hira & Filazantsara
Alahady II manaraka ny Paska 06-11 Mey 2019
“Jesosy Mpiandry Tsara”
*

Fitarihan-kevitra: Voasoratra hoe: ”fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra” Rom.3:23. Izany dia midika fa tafasaraka tamin’Andriamanitra isika mpanota ary tsy mitoetra eo amin’ny fanatrehana Azy intsony, toa an’i Adama sy Eva avy nanota, ka dia tsy hitan’Andriamanitra sady tsy nahita Azy rahateo (Gen.3:9-10). Fa noho izany dia nipepipepy izy toy ny ondry mania, tsy mahafantantra ny lalan-kalehany. Fa voasoratra hoe: ”Misy lalana ataon’ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany” Oha.14:12. Mila Mpitarika Mahatoky sy Marina tokoa ny olombelona hizorany ho amin’ny lalam-piainana, fa maro ireo mpisandoka sy mpamitaka, ary ny devoly dia miasa ”toy ny liona mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany” 1 Pet.8:5b. Ho amin’izany, dia tonga Jesosy ”hitady sy hamonjy ny very” Lio.10:19. Hainy tokoa ny mamonjy, raha manaiky ho hitany isika. Fa hoy Izy amin’ny sakaizany : ”Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very” Lio.15:6. Sarobidy indrindra amin’Andriamanitra ny hahavoavonjy ny mpanota. Ny lalam-pamonjena? Dia ny fibebahana miala amin’ny ratsy fanao, ka miverina amin’Andriamanitra mba handray ny famelan-keloka, toa ilay zanaka adala niteny nanao hoe: ”Raiko ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony” Lio.15:21. Fa ny rainy nihazakazaka namihina azy ary nampanao fanasam-pifaliana handraisana azy. Fa hoy izy: ”Aoka isika hihinana sy hifaly, fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray” Lio.15:14. Andriamanitra tsy manameloka fa mamela heloka ny mpanota mibebaka; fa hoy Jesosy Mpiandry Tsara: ”Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao” Jao.3:17.Sambatra izay manana Azy fa omeny toky afaka hiteny hanao hoe: ”Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho” Sal.23:1.

Alatsinainy 06: Jesosy no Mpiandry Tsara.
“Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho” Jao.10:14.
Vakiteny 1: Isa.40:9-11. Vakiteny 2 : Jao.10:11-16. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Jao.10:14.
Fitarihan-kevitra: Lalina ny fifamatoran’ny fon’i Jesosy amin’ireo mpianany. Fa “efa tia ny Azy izay amin’izao tontolo izao Izy, dia
tia azy hatramin’ny farany” Jao.13:1. Dia hoy Jesosy: “Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka
Ahy, ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ny tanako”
Jao.10:27-28.

Talata 07: Ny Mpiandry Tsara miahy ny ondriny.
“Izaho no hiandry ny ondriko, ary Izaho no hampandry azy, hoy Jehovah Tompo” Ezek.34:15.
Vakiteny 1: Mat.14:14-21. Vakiteny 2: Ezek.34:11-16. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Ezek.34:15.
Fitarihan-kevitra: Tsy zavatra kely amin’Andriamanitra ny fiahiana ny ondriny, dia ny hahazoan’izy ireny ny antoka fa
Andriamanitra tsy mahafoy na mahasaraka azy (Heb.13:5b). Misy tokoa mantsy ny mitonon-tena ho ”mpiandry tsara”, saingy tsy izy.
Hoy Jesosy raha nampitandrina ny amin’izy ireny: “Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao
aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy. Ny voany no hahafantaranareo azy” Mat.7:15-16.

Alarobia 08: Ny Mpiandry Tsara, fanavotana ho antsika.
“Izy nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo, mba ho faty ny amin’ny ota isika” 1 Pet.2:24a.
Vakiteny 1: Isa.53:4-7. Vakiteny 2: 1 Pet.2:21-25. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Pet.2:24a.
Fitarihan-kevitra: Jesosy Kristy no Mpiandry ondry Tsara. Tanteraka sy tsy miova ny asam-panavotana nataony, fa nanaiky halatsadra
ho famelana ny helotsika Izy (Heb.9:22b), ary raha nitsangana tamin’ny maty sy niakatra ho any an-danitra Izy dia tsy nahafoy
izay mino Azy, fa mbola mivavaka ho azy (Rom.8:34). Hoy i Paoly ny amin’ny asa fisoronana nataony:“Ary hianareo, izay efa
matin’ny fahadisoana sy ny tsi-fiforan’ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin’i Kristy, rehefa navelany ny fahadisoantsika
rehetra; ary novonoiny ny sora-tànan’ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin’ny
hazo fijaliana” Kol.2:13-14.

Alakamisy 09: Ny Mpiandry Tsara miantoka ny ondriny.
“Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho” Sal.23:1.
Vakiteny 1: Jer.33:10-15. Vakiteny 2: Sal.23:1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Sal.23:1.
Fitarihan-kevitra: Nanaiky ny hiantoka ny amin’ny ondriny tokoa Jesosy Ilay Mpiandry Tsara, ka niteny tamin’ny mpianany manao
hoe: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany” Jao.15:13. Fa Jesosy no
“Mpiandry ondry lehibe amin’ny ran’ny fanekena mandrakizay hiala amin’ny maty” ho fiainana mandrakizay (Heb.13:20).

Zoma 10: Matokia ny Mpiandry Tsara.
“Ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo” 1 Pet.5:7
Vakiteny 1: Sal.37:3-9. Vakiteny 2: 1 Pet.5:7-11. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Pet.5:7.
Fitarihan-kevitra: Jesosy Kristy, Tokim-pamonjena ho an’ny olona rehetra. Hoy Izy: “Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy
hamonjy ny very” Lio.19:10, dia ireo ondry mania izay tsy mahalala akory na ny an-kaviany na ny an-kavanany, ary rembin’ny
amboadia maro (1 Pet.5:8). Izay mitoetra ao am-balany kosa dia afaka hiteny hoe: “2 Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana
ho ahy ary Mpamonjy ahy” Sal.18:2a.

Sabotsy 11: Ny Mpiandry Tsara, modelin’ny mpiandry ondry
“Andraso ny ondrin’Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin’ny sitrapo” 1 Pet.5:2a.
Vakiteny 1: Asa.20:17-24. Vakiteny 2 : 1 Pet.5:1-4 Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : 1 Pet.5:2.
Fitarihan-kevitra: Fehizay dia nanontany an’i Petera in-telo miantaona Jesosy ka nanao hoe: “Simona, zanak’i Jaona, moa tia Ahy va
hianao?”Jao.21:16. Rehefa nanaiky izy, dia hoy Jesosy: “Andraso ary ny ondriko, Fahano ary ny ondriko” Jao.21:16,17. Fa hoy Izy
tamin’ny mpianany: “Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa” Jao.14:12a. Fitiavana no anaovana ny asan’Andriamanitra. Hoy
Paoly : “Ny fitiavan’i Krisy no manery anay” 2 Kor.5:14a.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy, alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifimadanet.
org sy FB “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny “hifiradio.org” FB 24/24 ora, 7/7 andro. © Madanet

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *