”VELOMY NY FIFOHAZANA!” FAMPIANARANA II : “MAHA-VOAVONJY VE NY FAMOAHANA DEMONIA ?”

I/ Ny fipetraky ny resaka: Toy ny miendrika hafahafa ihany ny fihainoana ny lohateny banjinina eto. Fa sanatria ve ny famoahana demonia tsy hiasa hahavonjy ny olona? Kanefa ho amin’izany indrindra no tsara anaovantsika fanamarihana fa misy ny olona “afaka devoly”, saingy tsy voavonjy ny fanahiny. Tsaroana ny tenin’i Jesosy manao hoe : “Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny ainy?” Mat.16:26. Izany dia azontsika adika sy ampiharina eto koa manao hoe: “Inona moa ny soa azon’ny olona raha mivoaka ny fanahy ratsy avy aminy, kanefa very ihany ny fanahiny?”. Ny fototry ny mahavery azy dia satria tsy tafiditra marina ao amin’ny fiainany Jesosy Kristy Tompo, Ilay niteny hoe: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina” Jao.8:12. Raha lazaina mivantana, dia tsy nandray Azy marina ho Tompony sy Mpamonjiny izy. Ary dia mazava indrindra ny ohatra voalazan’i Jesosy momba izany manao hoe: “Raha mivoaka amin’ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana, fa tsy mahita. Dia hoy izy: Hody any amin’ny tranoko izay nivoahako aho; ary nony tonga izy, dia hitany fa foana ny trano sady voafafa no voavoatra. Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa miaraka aminy izay ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran’izany olona izany dia tonga ratsy noho ny voalohany. Ary dia tahaka izany koa no ho amin’ity taranaka ratsy fanahy ity” Mat.12:44-45.

II/ Ny fampianarana: Jesosy tsy nampisaraka ny famoahana demonia amin’ny fitoriana ny Filazantsara raha hoy Izy tamin’ny mpianany: “Ary raha mandeha hianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra. Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia” Mat.10:7-8. Koa dia tandremo ny manao “asa tapany”. Ny asa tapany dia ny manome ny olona izay tadiaviny fotsiny ihany, fa tsy izay nomanin’Andriamanitra homena hahavonjy azy. Ny an’ny olona dia: fanasitranana, fampaherezana, fitahiana, vaha-olana amin’ny adiny sy ny fahasahiranany samihafa, ary anatin’izany indrindra ny famoahana demonia sy ny fanafahana amin’ny asan’ny maizina. Kanefa tsy vita fihavanana marina amin’Andriamanitra izy, tsy afaka nandray ny fanjakany akory. Ary indrindra koa tsy afaka nanohina ny antson’Andriamanitra hanaraka Azy sy hanompo Azy, satria ilay mpiandry izay niasa taminy dia tsy nitaona azy ho amin’izany, na nampahafantatra fa Andriamanitra ange no tena mitady azy mba tsy hahavery azy mandrakizay!

III/ Ny tantara: Tamin’ny fotoan’andro naha-teo @ 67 ha an’i Mama Nenilava, dia nilaza izy nanao hoe: “Raha misy amin’ny iray andro olona zato tonga eto amiko hidinika, dia azo isaina amin’ireto ratsan-tanako (tanana ila) ny mitady marina an’i Jesosy sy ny hanolo-tena ho Azy”. Zava-tsarotra sy mampandinika tokoa izany, ary mampanontany hoe: Ny olona tokoa ve no efa jamba sy donto tsy mahalala ny hisaina afa-tsy ny amin’ny zavatry ny tany sy ho an’ny tenany-vatana fotsiny ihany? Izany indrindra no namalian’i Jesosy ny devoly izay naka fanahy Azy ka nitenenany hoe: “Tsy mofo ihany no iveloman’ny olona (na maha-velona azy), fa ny teny rehetra izay aloky ny vavan’Andriamanitra – Deo.8:3” Mat.4:4. Dia hoy Izy: “Dia aza manahy hianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay? Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany” Mat.6:31,33. Raha izany no fahalemen’ny olona, dia misy koa ny fahadisoana ara-pampianarana. Inona izany?

IV/ Ny lohateny manao hoe “Maha-voavonjy ve, fa tsy hoe “mahavonjy fotsiny ny olona”. Ny mahavonjy mantsy dia ny afaka olana vetivety amin’izay nahatery, ary rehefa afaka izany, dia adino toy ny tsy fantany akory Ilay Mpanafaka azy. Koa matoa tsy misy marina ny fanoloran-tenan’ny olona, dia tsy hoe noho izy voatery halaina ho amin’izany, fa noho izy tsy notaomina mazava hanolotena marina ho an’ny Tompo, dia ny hahafoy ny andriamani-tsy izy izay mamitaka sy ma- mpanompo azy, sy ny zava-poana ary ny rehak’izao tontolo izao mitoetra eo amin’ny ratsy (1 Jao.5:19). Ny hamaritana ny “maha-voavonjy” kosa: dia ny olona miova fo, miova fiaina, manjary olom-baovao, mpanompo ny fahamarinana araka an’Andriamanitra, miaina ny finoana ny tenin’Andriamanitra, manana firaisana marina sy mamaka amin’i Jesosy, ka miray antoka sy miray aina amin’ny Tompo sy ny asany araka ny teniny manao hoe: “Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa” Jao;14:12. Izany dia ny olona manao an’i Kristy sy ny asany ary ny sitrapon’Andriamanitra ho anton’ny hahavelonany (Fil.1:21;Jao.4:34).

V/ Ny foto-kevi-dehibe ijoroan’ny asan’ny Fifohazana: Tsy misaraka ary tsy azo sarahina amin’ny voatoatin-kafatry ny Filazantsara dia ny fibebahana sy finoana ho famonjena (Asa.20:21) ny asa “famoahana demonia”. Atao miaraka izany mandritra ny “Asa”, Koa “Torio ny Filazantsara feno mba handraisan’ny olona ny famonjena feno”. . Ny fanambaran’ny Soratra Masina:

  • Ny toritenin’i Jesosy: “Mibebaha hianareo fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra” Mat.4:17.
  • Ny fampianaran’i Jesosy: “Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy” Jao.3:5.
  • Ny toritenin’i Paoly Apostoly tao Atena: “Andriamanitra mandidy ny olona rehetra hibebaka” Asa.17:30.2

    . Ny vokany (anterina eto indray): fiainam-baovao, fiovam-penitra (2 Kor.5:17a), fanoloran-tena ho an’Andriamanitra, fitafiana ireo toe-panahy araka an’Andriamanitra, dia ny fahamarinana sy fahamasinana ary fitiavana, fiainam-pinoana sy vavaka ary asam-pinoana (Jak.2:26). . Lasa ny zavatra taloha: ny fomban’izao tontolo izao, ny fanompoan-tsampy, ny fivelomana amin’ny ratsy sy ny toetra tsy mahomby (tsy finoana, sitrapo sy fahalemena ara-nofo, fieremana, fitiavan-tena, ,…) 1 Kor.5:17b.

VI/ Ny teny fananarana: – Hoy Jesosy: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra. Maro no hanao amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia [Demonia = fanahy ratsy, na anjely ratsy] tamin’ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay? Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka” Mat.7:21-23. – Fa inona moa no nahameloka: nangalatra ve? nandainga ve? nisoloky ve? sns. Valiny: “Ny heloky ny Fariseo”, dia ny fanakanana ny olona tsy hahahala ny foto-piorenan’ny asam-pamonjena entin’ny Fifohazana. Hoy Jesosy taminy: “Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; fa hianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra” Mat.23:13. – Ny teny nantitranterin’i Mama: “Jesosy tsy fomba”. Koa ny fiainan’i Jesosy sy ny fanavotana vitany no aoka homena ny olona mpanota, fa tsy ny fampisehoana fahefana, na fahaizana manao, fa ireny no hakan’ny devoly fanahy ny mpanao ny asan’Andriamanitra mba hatoky tena sy hirehareha foana. Hany ka ahoana hoy Jesosy mananatra ireo mpianany izay nibitaka avy namoaka ny fanahy ratsy tamin’ny olona? ”Aza mifaly hianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo” Lio.10:20. . IIaina ve ny asa famoahana demonia? Tena ilaina, saingy tsy izy no fototry ny asa fitoriana ny finoana, fa asa vavolombelona famantarana ny fiasan’ny finoana. Ny famoahana devoly mety mahasitrana ny olona, saingy ny fitoriana ny fibebahana sy ny finoana ihany no mahavonjy ny fanahiny ho an’Andriamanitra, sy hidirany ao amin’ny fanjakan’ny lanitra. “Asam-pamantarana manaraka” io, “Izao ny famantarana hanaraka izay mino” Mar.16:17, fa tsy foto-panorenana ny finoana. Jereo ny fanindrahindrana ny fanasitranana sy fahagagana eo amin’ireo sekta. Hoy Jesosy: “… raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia ho fitahiny” Mat.24:24b. Diniho, araka izany, fa misy tena mitondra sy mampihatra ny fomban’ny sekta sy ny tsy miankina (amin’ny fototra ara-Pifohazana) aty anatin’ny ”fiangonan-dehibe reniny”…! Ny hoe “maha-voavonjy” dia ny mitondra famonjena marina sy tanteraka. Ny asa ataon’ny mpiandry maro kosa anefa dia ny hoe : “Mivoaha, mivoaha” , na koa aza hoe “Mivoaka ‘hoy’ Jesosy” > “Mivoaka i Jesosy” ???!

VII/ Fanontaniana telo no mampandini-tena antsika mpiasan’ny Fifohazana eo anatrehan’ny Tompo: 1. “Diniho ny tenanareo na mbola mitoetra amin’ny finoana hianareo na tsia” (2 Kor.13:5), dia amin’ny foto-pampianarana ny Fifohazana nomena anareo na tsia. Tsarovy fa raha ireo Raiamandreny izay nampita ny hafatra sy fampianarana no nomen’i Jesosy anao ka nahatonga anao ho “zanaky ny Fifohazana mandova teny fikasana” sy ho “mpiandry manao ny asam-pifohazana”, dia aza adino ny fototra fa tsarovy ny tenin’i Paoly Apostoly manao hoe: “Fa na dia manana mpampianatra iray alina ao amin’i Kristy aza hianareo, dia tsy maro ray hianareo; fa izaho no niteraka anareo ao amin’i Kristy Jesosy tamin’ny filazantsara. Koa mananatra anareo aho: manahafa ahy hianareo” (1 Kor.4:15-16). 2. Aiza ho aiza ny fitiavan’ny mpitory ny Filazantsara hitady sy hamonjy ny very? Mbola velona ao amIny sy manery azy marina ve ny fitiavan’i Kristy (2 Kor.5:14), ka: 1/ Ho tia an’i Jesosy sy hitandrina ny didiny sy ny fampianarany (Jao.14:15)? 2/ Hiray hina sy hifankatia amin’ny namany ka hiray antoka aminy (Sal.133/Jao.13:34-35) ? 3/ ary indrindra ho tia ny ondrin’Andriamanitra ka handeha amin’ny fahamarinana sy ny fanetren-tena ary ny famindram-po aminy (Mika 6:8), hamerina azy ao amin’ny valanondrin’Andriamanitra ka hampihavana azy amin’Andriamanitra, sy hampandova azy ny fanjakany? (Mat.25:34/Rom.8:17) ary hitarika sy hitaiza azy mba hananany an’i Jesosy marina ho Tompo sy Andriamaniny ka hampitombo ny fahalalana Azy sy ny fitiavana Azy. Dia hiteny izy tahaka an’i Jesosy nanao hoe: “Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entika ka hihaino ny feko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry” (Jao.10:16). 3. Inona no tena fifaliana marina raha manao ny asan’ny Fifohazana?: Ny mahatafavoaka ny devoly avy amin’ny olona ve? Ny mahasitrana azy amin’ny vavaka-fametrahan-tanana ve? Sa ny hamerina azy amin’Andriamanitra ka hahita azy mibebaka tahaka ilay ondry tafaverina amin’ny Tompony, dia handre ny Tompo hiteny hanao hoe: ”Avia, hiara-mifaly amiko fa efa hitaka ilay ondriko very” Lio.15:6? Na koa tahaka ilay zanaka adala tafaverina amin’ny rainy izay niteny nanao hoe: “Ento ny zanak’omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly; fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray” Lio.15:23-24?

Fa raha izany no ataontsika dia ho avy tokoa Jesosy ka hiteny amintsika hanao hoe: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely hianao, dia ho tendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin’ny fifalian’ny tomponao” Mat.25:23,25. Ho voninahitr’Andriamanitra!

© D.Rabarihoela Bruno

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *