Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara

Alahady II manaraka ny Trinite 22-27 Jona 2020

« Andriamanitra manasa ny olona”

Ny hafatra: Hevitra telo lehibe no ambaran’ny ”manasa” ho fiarahana misakafo. Izany dia Fanomezana voninahitra ny asaina. Fandalana sy famitranana fihavanana. Fanomezana sakafon’aina mahavelona. Raha akapoka, dia Firaisana aina sy antoka, eny, fisakaizana, toy ny nanendreny an’i Adama sy Eva hiriaria tao Edena, henika ny fahasoavan’Andriamanitra. Fa tsy takatry ny saina maha-olona raha Andriamanitra Masina sy Marina no manasa olombelona mpanota tsy marina. Tsy singan’olona no asainy fa ny olona rehetra. Manambara ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra izany fa ”ny fitiavany dia ”manarona ny ota rehetra” Oha.12:10. Fa ”Teo amin’ny nihabiazan’ny ota no nihoaran’ny fahasoavana be lavitra” Rom.5:20, dia ny famindrampon’Andriamanitra mamela heloka sy mandray ny mpanota, toa ilay ray be fitiavana nifaly nanao fanasana raha niverina taminy ilay zanany avy nirenireny; ka hoy izy: ”Aoka isika hihinana sy hifaly; fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray” Lio.15:23-24. Tian’Andriamanitra ny manavao ny fifandraisany amin’ny olona; koa dia minia mamafa eo amin’ny boky firaketany izay anton’ny fisarahany taminy Izy, ary dia manokatra pejy vaovao mihitsy, ka manavao ny zavatra rehetra (Apok.21:5). Izany dia famoronana olona vaovao sy fanaovana fanekena aminy indray. Hoy Izy: ”Tsy ho tsarovako ny fahotanao” Isa.43:25b, fa ” Moa sitrako akory va ny fahafatesan’ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin’ny alehany mba ho velona izy ?” Eks.18:23. Fa hamarininy ny olona asainy, sady hamasininy ho Azy, ka atokany ho ankohonan’Andriamanitra, ho firenena masina ho Azy (1 Pet.2:9). Novokisany ny sakafon’aina mahavelona izy ka ataony ho olony tokoa, dia ho vavolombelon’ny fitiavany mamela heloka sy mamelona (Jao.3:17). Fa Izy dia ”Andriamanitry tsy an’ny maty, fa an’ny velona” Mat.22:32b. Fa ”ny maty tsy mba afaka hidera ny Anarany” na hanome voninhitra Azy (Sal.115:17). Koa aza mangataka andro na misalasala, fa hoy ny Tompo: ”MANDROSOA, FA EFA VOAVOATRA IZAO NY FANASANA!”

Alatsinainy 22: Andriamanitra manasa ny olona.
Vakiteny 1 : 1 Kor.11 :23-26. Vakiteny 2 : Isa.25 :6-9. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Isa.25 :6.
Fitarihan-kevitra: Ny fanasan’Andriamanitra dia manambara indrindra ny fitiavany te-hampihavana ny mpanota Aminy, izay anehoany ny fahalalahan’ny fony ka efa nanamboarany toerana ho an’ny olona tsirairay ao amin’ny fanjakany (Jao.14:3). Izany no antony nanirahany an’i Jesosy Kristy Zanany Lahitokana mba hitaona azy ireny hiverina amin’Andriamanitra. Fa izy ireny no ilay ondry very izay notadiaviny (Lio.19:10), ka ”rehefa hitany dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy; Ary dia mamory ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very” Lio.15:5-6.

Talata 23: Andriamanitra mahafantatra izay mendrika ny fanasany.
“Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa hianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady?” Mat.22:12.
Vakiteny 1: Rom.1:18-25. Vakiteny 2: Mat.22:8-14. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.8:12.
Fitarihan-kevitra: Ny fanasana dia fanomezan’Andriamanitra haja izay asainy, anefa koa fanomezan’ny nasaina voninahitra Azy izay mpanasa. Koa dia misy ny fanavahana ataony, ka tafiditra izay nataony ho mendrika; voasakana kosa izay tsy nahay nanome voninahitra Azy. Fa hoy Izy: “Izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka” 1 Sam.2:30. Hoy Paoly: “Mandoava amin’izy rehetra izay tokony ho azy avy: haja ho an’izay tokony hohajaina” Rom.13:7.

Alarobia 24: Ny sakafom-panahy sahaza ny mino.
“Na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazo fijaliana ka tsy manaraka Ahy, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy” Lio.14:27.
Vakiteny 1: Asa.20:17-24. Vakiteny 2: Lio.14:25-35. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.14:27.
Fitarihan-kevitra: Hoy Jesosy: ”Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany” Jao.4:34. Endriky ny fandavan-tena ho an’Andriamanitra sy ho fampandrosoana ny fanjakany, izay tena sarobidy Aminy izany. Hoy Jesosy: ”Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery ary; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany” Mar.8:35. Izany no nahafoizan’ireo mpanompon’Andriamanitra hatramin’ny ainy, ka nandovany ny ”satroboninahitra fiainana” (Apok.2:10).

Alakamisy 25: Ny fanasan’Andriamanitra feno amin’ny fahasoavana.
“Ny kapoakako feno dia feno, eny, fahasoavana sy famindrampo no hanaraka ahy amin’ny andro rehetra hiainako” Sal.23:6a. Vakiteny 1: Efes.2:1-10. Vakiteny2: Sal.23:1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Sal;23:5-6.
Fitarihan-kevitra: Ara-bakiteny, ny hoe “fahasoavana” dia ny famindrampon’Andriamanira hahasoa. Tsy vidim-bola na misy takalo io, fa tena fanomezan’Andriamanitra madiodio, eny, na tsy dia araka ny haben’ny fahasoavany aza no mahabe ny fisaoran’ny olona Azy (Lio.17:17). Kanefa fitiavana, fa tsy varotra, no ataon’Andriamanitra, ka hoy Paoly Apostoly: “Fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan’Andriamanitra dia tsy misy hanenenany” Rom.11:29.

Zoma 26: Ny fanasan’Andriamanitra, fanasan’ny fitiavana. “Endrey, tsara sady mahafinaritra Raha ny mpirahalahy no miara-monina” Sal.133:1. Vakiteny 1: Jao.13:31-34. Vakiteny 2: Sal.133:1-3. Toriteny 1 (safidy).Toriteny 2: Sal.133:1.
Fitarihan-kevitra: Ny gilaoby iveloman’ny ankohonan’Andriamanitra dia ny fitiavana. Andriamanitra no tia voalohany, ary manome ny Fanahin’ny fitiavany koa mba hitiavan’ny olony Azy, sady mba hifankatiavany indrindra amin’ny fitiavan’Andriamanitra nataony ao am-pony (1 Jao.4:7). ”Fa izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa” 1 Jao.5:1b. Ary amin’izany, dia hoy Jesosy: “Aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo koa” Jao.13:34b.

Sabotsy 27: Ny fanasana lehibe: ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry.
“Sambatra izay nantsoina ho amin’ny fanasana fampakaram-badin’ny Zanak’ondry” Ap.19:9. Vakiteny 1: Jao.6:47-58. Vakiteny2: Apok.19:1-9. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Apok.19:9.
Fitarihan-kevitra: Fanasana lehibe no omen’Andriamanitra ho an’izay nataony hiray antoka amin’ny Zanany Lahitokana ka nantsoina hoe “fofombadiny”. Hoy ny Apostoly Paoly ny amin’izy ireo: ”Fa fahasaro-piaro araka an’Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo; fa nataoko fofombadin’ny lehilahy iray hianareo, mba hatolotra tahaka ny virijina madio ho an’i Kristy” 2 Kor.11:2. Fa izy ireo no mandrafitra ny “fiangonan’Andriamanitra” izay hamasininy ho an’ny tenany (Efes.5:25-26). Izy no “hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva” 1 Tes.4:17, ary hiatrika ny fanasana lehiben’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondrin’Andriamanitra.

Ny perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny hifiradio.org 24 ora/7 andro: fampianarana, hira, … © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *