Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XIV manaraka ny Trinite 14-19 Septambra 2020 *

“Andriamanitra manasitrana”

Ny hafatra: Zava-dehibe amin’Andriamanitra ny fahasitranan’ny olona, dia izy afaka misitraka ny fahasalamana, afaka amin’ny rofy sy aretina rehetra; izy velona mahazo fiainana, ary fiainana be dia be (Jao.10:10), no sady fiainana tsy mety levona, fa fiainana mandrakizay (Jao.3:36:). Fa ny fahasalamana no famantarana ny fahaveloman’ny olona, ary izany dia tsy voafetran’ny ara-batana ihany, fa mahasahana ny lafim-piainany manontolo; dia fiainana lavorary sy tanteraka araka ny voasoratra hoe: ”Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany” Gen.1:31a. Ny hoe ”tsara indrindra dia ny mahafa-po indrindra, ny mahasambatra indrindra. Fa tsy mba nisy rofy na aretina teto an-tany tamin’ny fotoana namoronan’Andriamanittra izao rehetra izao, saingy indrisy fa simba izany rindra mahafinaritra izany noho ny nidiran’ny fahotana, dia ny tsy fankatoavana ny tenin’Andriamanitra, fa nanekena ny famitahan’ny devoly (Gen.3:4-5). Fa ”ny ota no fanindronan’ny fahafatesana” 1 Kor.15:56a, ary ny aretina sy ny tsy fahasalamana no endrika mialoha azy. Hoy indrindra ny mpanao Salamo: ”Tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako” Sal.38:3. Ny finoana sy ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra kosa no loharanon’aina mahavelona sy mahasalama araka ny voasoratra hoe: ”Fa aina ho an’ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an’ny nofony rehetra” Oha.4:22. Eny tokoa, ao amin’i Jesosy sy ny firaisana Aminy no fahatanterahan’izany, noho ny asa fanavotana nataony, dia ny famelana ny helotsika noho ny rany latsaka tao Kalvary. Fa voasoratra hoe: ”Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana [Heb. famaizana] nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika” Isa.53:5. Amin’ny finoana no andraisana ny fanasitranana. Fa hoy Jesosy tamin’lay vehivany narary roambinifolo taona ka sitrana rehefa nikasika ny somotraviavin-dambany: ”Ny finoanao no efa nahasitrana anao” Mat.9:22. Ary dia mbola manontany antsika Izy manao hoe: ”Te ho sitrana va hianao?” Jao.5:6.

Alatsinainy 14: Andriamanitra manasitrana.
“Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana” Jer.17:14a.
Vakiteny 1: Mat.8:1-4. Vakiteny 2: Jer.17:13-14. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jer.17:14.
Fitarihan-kevitra : Nataon’Andriamanitra hitovy endrika aminy ny olombelona, dia ny hitovy toetra aminy tokoa raha hoy Izy tamin’ny voalohany: ”Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy” Gen.1:27, dia olona tsy manan-tsiny. Fa ny ota no efitra nampisaraka azy taminy (Isa.59:2); koa ny fototry ny fanasitranana ataony dia ny mamerina ny olona aminy, hihavana sy hanana firaisana aminy, ary dia hoy Izy: “Miverena hianao, ry zaza mpiodina, fa hositraniko ny fiodinanareo” Jer.3:22a.

Talata 15 Andriamanitra manafaka amin’ny fanamelohana.
“Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy” Rom.8:1.
Vakiteny 1: Jao.8:1-11. Vakiteny 2: Rom.8:1-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.8:1-2.
Fitarihan-kevitra: Mihoatra noho ny aretim-be sarotra iainana sy sitranina ny fanamelohana, izay tambin’ny ota natao. Fa ny devoly no mpiampanga ny olona eo anatrehan’Andriamanitra (Apok.12:10). Ambony sy mahery indrindra kosa ny Filazantsaran’ny fitiavan’i Jesosy Kristy. Fa hoy Izy: “Tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota” Mat.9:13. Koa dia sina sy mangaihay ny mpanameloka.

Alarobia 16: Jesosy vonona hanasitrana.
“Te-ho sitrana va hianao?” Jao.5:6b.
Vakiteny 1: Sal.46:1-7. Vakiteny 2: Jao.5:1-14. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.5:5-6.
Fitarihan-kevitra: Jesosy dia vonona ny hanasitrana ny olombelona rehetra, ary tsy mifidifidy aretina ho sitranina, satria amin’ny fitiavany feno no itiavany azy, “Fa tsy sitrak’Andriamanitra ny mampahory na mampalahelo ny zanak’olombelona” Fit.3:33. Ny fahavononany dia nomarihiny tamin’ny fankatoavany ny Ray manao hoe: “Tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” Mat.27:39. Ny sitrapon’ny Ray dia araka ny voasoratra hoe: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay” Jao.3:16.

Alakamisy 17: Jesosy manasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra.
“Nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra” Mat.4:24a.
Vakiteny 1: Sal.30:1-3. Vakiteny 2: Mat.4:23-25. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.4:24.
Fitarihan-kevitra: Izany dia manambara fa Jesosy Kristy no Tompon’ny aina, ka manana fahefana amin’ny manana aina rehetra. Zava-dehibe ny asa fanasitranana ataony, fa tanterahany ety an-tany izay tandindon’ny fiainan-danitra hoavy, araka ny vavaka nampianariny manao hoe: “Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra” Mat.6:10. “Fa izao no sitrapon’ny Raiko, dia ny hahazoan’izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay” Jao.6:40a.

Zoma 18: Ny fanavotan’i Kristy, fototry ny fanasitranana rehetra.
“Ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika” Isa.53:5d.
Vakiteny 1: Kol.1:24-29. Vakiteny 2: Isa.53:4-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.53:5d.
Fitarihan-kevitra:Ny fanavotana nataon’i Jesosy dia ny nahazoantsika famelan-keloka izay novidiny tamin’ny ainy. Io no fototry ny fanasitranana marina, fa “Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany” Sal.32:1. Ny hoe “sambatra dia izay afa-drofy sy tsy lazoin’aretina”. Izany dia noho ny amin’i Jesosy izay nanao hoe: “Raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo” Jao.8:35.

Sabotsy 19: Meteza ho sitranin’ny Tompo.
“Sitràna amin’ny aretinao” Mar.5:34d.
Vakiteny 1: 2 Mpan.5:9-14. Vakiteny 2: Mar.5:25:34. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mar.5:34.
Fitarihan-kevitra: Andriamanitra Mpamindra fo sy miantra , dia Mpamela heloka tokoa (Isa.55:7) Kanefa safidin’ny olona kosa ny handray na tsia ny famelan-keloka tolo-botsotra izay omeny. Ho an’izay mandray dia fanamarinaana ho fiainana mandrakizay. Ho an’izay minia mandà kosa, dia fanamelohana ho fahaverezana mandrakizay. Hoy Jesosy: “Ary izao no fanamelohana, fa tonga amin’izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon’ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany” Jao.3:19.

Ny perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny hifiradio.org 24 ora/7 andro: fampianarana, hira, … © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *