ILAY FAMANTARANA TENY AMIN’NY LANITRA

Famantarana ny andro zoma 29 janoary 2021

1/ Ny zava-niseho Tamin’ny andro zoma 29 janoary 2021 lasa teo, dia nisy famantarana teny amin’ny lanitra, izay zava-baovao nahatolagaga ny maro, hita indrindra teto Antananarivo,

2/ Fitarihan-teny Satria hatramin’izay naharian’ny tany aman-danitra, dia tsy vitan’ny olona ny mibaiko ny toetry ny habakabaka sy ny zava-miseho eo aminy, hany ka dia tsy azo lavina fa matoa miseho izany dia, na izy navelan’Andriamanitra hiseho, na indrindra koa aza “famantarana avy amin’Andriamanitra mihitsy” izay misy hafatra tiany ampitaina.

3/ Ny fanazavana azy Malalaka tanteraka ny fanazavana ara-tsiansa mety ataontsika liam-pahalalana, ary ireny dia azo dinihina tsara, fa izany akory tsy manakana na tokony hanakana ny fahazoana maneho ny mety ho hevi-panahy entin’ny famantarana, dia izay mikatsaka indrindra koa ny fahamarinana araka an’Andriamanitra. Amin’izany indrindra koa anefa no ilàna fahamatorana sy fahamalinana, mba tsy ho tratry ny haitraitra ny fanehoan-kevitra, na miborioka ho amin’ny tsy fahamarinana, sady tsy mitombina araka ny hevitry ny Soratra Masina, izay tenin’ny fahamarinana, na koa hahatonga fanoherana be fahatany. Ny zavatra rehetra dia atao ho dinihina, fa “izay mandinika no maharitra”, dia izay miaro ny tenany tsy ho voafitaka, ary afaka mitoetra amin’ny fahamarinana, izay fototry ny finoana marina, satria nahazo ny foto-javatra, dia ny fahamarinana araka an’Andriamanitra sy ny Teniny, izay marim-pototra sady tsy miovaova. Ho amin’izany, dia “Diniho izay lazaiko, fa homen’ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin’ny zavatra rehetra hianao” 2 Tim.2:7, hoy i Paoly tamin’i Timoty, dia ny fahalalana ny marina. Ary dia “Aza manao tsinontsinona ny faminiana”; fa “Fantaro ny zavatra rehetra, hazony mafy izay tsara” 1 Tes.5:20,21, dia ny fahamarinana.

4/ Teny fandinika: manaraka eto ny andalan-tsoratra avy ao amin’ny Boky “Ny fanekena nataon’i Jesosy Kristy tamin’i Mama Volahavana Germaine Nenilava”, Boky faha-VI, pejy faha-19. Nosoratan’i D.Rabarihoela Bruno, mpikaroka-mpampianatra, mpitahiry ny rakitra napetrak’i Mama Nenilava.

NY FOTOTRA ARA-TANTARA. NY ZAVA-NITRANGA : NY FAHITANA LEHIBE.

Voalazan’ny tantara fa ny fototra fitarihan-kevitra niaingan’ny resaka nataon’i Mama Nenilava mikasika ny nanendren’ny Tompo ny hanatanterahana ny asa momba ny Fanehoam-panokanana azy dia ny nanehoan’i Jesosy Kristy taminy ny fahitana lehibe izay tsy mbola nasehony azy hatr’izay niasany (02 aogositra 1941), ary nampihorohoro indrindra ny fanahiny. Araka ny fitantarany, “izany dia tendrombohitra avo tena mandindona, feno korontam-bato no saronan’ny haizina mangitsoka, ka Andriamanitra Ray no mandohalika mivavaka eo am-potony, ary rehefa izany dia nisy fahazavana lehibe tena namirapiratra nanazava avy any ambony atsinanana” (sic). Inona no hevitr’izany? Inona ny fototra manorina izany? Inona no anton’izany?
Zava-dehibe tena mampandinika tokoa raha voalaza fa “Andriamanitra Ray no manao fivavahana am-pandohalehana” (!). Izany dia azo adika ho ny fitarihana ataon’ “Andriamanitra Ray”, izay lehibe indrindra ao amin’ny firaisan’ny Trinite Masina, dia ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina (Mat.28:19). Koa ny Zanaka dia tsy manao afa-tsy izay ataon’ny Ray sy ampanaoviny Azy (Jao.5:19), ary ny Fanahy Masina
dia mivoaka avy amin’ny Ray ka ny Zanaka no maniraka Azy (Jao.15:26). Ary dia midika ho firaisana antoky ny Trinite Masina indrindra izany araka izay fitarihan’ny Ray. Koa dia fitarihana ho amin’inona tokoa moa izany? Voalazan’ny mpanompon’Andriamanitra fa rehefa nangatahany tamin’i Jesosy ny hevitr’izany fahitana izany, dia tsy inona fa Andriamanitra Ray mihitsy no mitarika ny FIVAVAHANA FIFONANA HO AN’I MADAGASIKARA MBA HIPOSAHAN’NY MAZAVA EO AMINY, satria efa nifidy ity tany sy firenena ity Izy, mba hahatanteraka araka ny voasoratra hoe: “Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy… Noho ny halehiben’ny famindrampon’Andriamanitsika, izay hiposahan’ny mazava avy any amin’ny avo ho antsika. Hamirapiratra amin’izay mipetraka ao amin’ny aloky ny fahafatesana, hanitsy ny diantsika ho amin’ny làlam-piadanana” (Lio.1:68b,78-79). Koa raha ny Ray no mitarika ny fifonana ho an’ity firenena ity, dia manao toy izany koa ny Zanaka araka izay voalaza fa “Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin’ny maty koa ka mitoetra eo amin’ny tanana ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika”(Rom.8:34) sy ny Fanahy Masina araka ny voasoratra hoe: “ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin’ny fitarainana tsy azo tononina” (Rom.8:26).

5/ Ny hafatra Ny hafatry ny Tompo: “Efa nanendry mpiambina ho eny ambonin’ny mandanao Aho, ry Jerosalema ô, koa mandrakariva na andro na alina dia tsy mahazo mangina ireny; eny, hianareo izay mpampahatsiaro an’i Jehovah, aza mitsahatra” (Isa.62:6). Ny hafatry ny Raiamandreny: “Matokia ny vavaka atao, fa mamaly vavaka Jesosy”. [Marihina fa ity fahitana ity dia niverina indray tamin’ny faran’ny taona 1974 tamin’ny famangiana nataon’ny mpanompon’Andriamanitra Mama Nenilava tany Faradofay, tao amin’ny tokantranon’ny Pastora Zakaria Tsivohery, isan’ireo nanoratra tantara momba an’i Mama Nenilava sy ny Fifohazana Toby Ankaramalaza].

© D.Rabarihoela Bruno
Fb HiFi – GESC Mada

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *