Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady V manaraka ny Epifania 08-13 Febroary 2021 “Jehovah no itokiana”

1/ Ny hoe ”Jehovah no itokiana” dia milaza fa tsy misy hafa tokony hitokisana sy hivavahana, satria Izy no Andriamanitra Tokana. Hoy ny didiny: ”Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany” Eks.20:5. Fa misy ny manao ny tenany ho Andriamanitra, dia ny devoly izay sahy naka fanahy an’i Jesosy ka niteny taminy hoe: ”Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako hianao. Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana hianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo.6:13)” Mat.5:9-10. Misy koa ny manao ho Andriamanitra ny zavatra nohariana toy ny masoandro, sns, ary ny zavatra nosokirina sy natao sary, izay tena fanompoan-tsampy sy fahavetavetana eo imason’Andriamanitra (Eks.20:4). 2/ Ny itokiana an’i Jehovah koa dia ny fanekena ny maha-Ray Mpahary sy Tompo Azy ka tokony hanajana Azy. Fa hoy Izy: “Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon’ny maro” Mal.1:6. Ary dia maneho ny fahasaro-piarony Izy ka manao hoe: “Ny voninahitro tsy homeko ny hafa” Isa.42:8. Hoy koa ny teny fananaran’i Jakoba Apostoly :”Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy. Ary ataonareo va fa miteny foana ny Soratra Masina*? Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika dia iriny amin’ny fahasaro-piaro” Jak.4:4-5. 3/ Fa ny hoe ”Jehovah no itokiana” dia manambara fa Izy no Mpamonjy, izay namonjy ny Zanak’Isiraely nandevozin’ny Egyptiana. Hoy Izy: “Dia halaiko ho Ahy hianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin’ny fanompoana mafy ampanaovin’ny Egyptiana anareo” Eks.6:7. Ho amin’izany no nahatongavan’i Jesosy: “Hitady sy hamonjy ny very” (Lio.19:12), ary nanandratan’ny Ray Azy ho Tompo izay nomeny ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany (Mat.28:18). Koa izay “Mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay” Jao.3:36.

Alatsinainy 08: Jehovah no itokio.
“Hotahina izay olona matoky an’i Jehovah, dia izay manana an’i Jehovah ho tokiny” Jer.17:7.
Vakiteny 1: Mat.16:20.Vakiteny 2: Jer.17:5-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jer.17:7.
Fitarihan-kevitra: Teny fikasam-pitahiana lehibe no lovan’izay matoky an’i Jehovah. Kanefa mampitandrina Izy mba tsy hisy hamiviravira, dia ny fitokisana olona sy ny fo, mihoatra Azy. Hoy Jesosy: “Hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala” Mat.10:16. Hoy Paoly: “Mandehana amn’ny fahendrena amin’izay eo ivelany” Kol.4:5a. Hoy Petera:“Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany” 1 Pet.5:8.

Talata 09: Jehovah miahy ny fahatanterahan’ny olony.
“Ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy” Efes.4:13.
Vakiteny 1: Mat.7:7-12. Vakiteny 2: Efes.4:11-16. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Efes.4:13.
Fitarihan-kevitra: Planin’Andriamanitra ny hahatanterahan’ny olony mba hitovy endrika Aminy (Gen.1:26) dia izy tsy misy tsiny tahaka Azy. Koa na dia mety hisy aza ny tsy fahatanterahany, dia toky no omen’ny Tompo azy manao hoe: “Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko. dia tanterahina amin’ny fahalemena” 2 Kor.12:9a. Fa voasoratra hoe: “Ary izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa” Rom.8:30.

Alarobia 10: Jehovah no mahavanona ny voa.
“Fa ny tany mahavokatra ho azy: voalohany misy tahony, dia teraka, ary rehefa izany, dia feno voa” Mar.4:28.
Vakiteny 1: 1 Kor.3:1-9. Vakiteny 2: Mar.4:26-29. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mar.4:28.
Fitarihan-kevitra: An’Andriamanitra ny fampitomboana sy ny fahavokarana. Ho an’izay manaiky ny fitarihany dia tanterahan’ny Tompo ho azy eo amin’ny asany sy izay rehetra ataony ny fitahiany araka ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Tsy hianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba homen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny anarako na inona na inona” Jao.15:16. Fitahiana tretrika tokoa izany.

Alakamisy 11: Jehovah no itokio amin’ny ady atrehina.
“Izaho no hiady amin’izay miady aminao” Isa.45:29b.
Vakiteny 1: Rom.8:31-34. Vakiteny 2: Isa.45:22-26. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.45:24-25.
Fitarihan-kevitra: Raha miatrika ny ady sy ny fahasarotam-piainana ny olona, dia mitady fomba maro samihafa mba handresena sy hahatafavoahana. Amin’izany dia misy lalana heverin’ny olona fa hahitany ny fiainana sy fahombiazana, kanjo fahavoazana sy fangaihaizana (Mat.7:13). Hoy Jeremia mpaminany: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny lalan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany” Jer.11:23. Hoy Jesosy: “Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana” Jao.14:6.

Zoma 12: Matokia an’i Jehovah fa miahy ny olony Izy.
”Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy hianao” Isa.43:1d.
Vakiteny 1: 1 Pet;. Vakiteny 2: Isa.43:1-3a. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.43:1.
Fitarihan-kevitra: Manana anjara toerana manokana ao amin’Andriamanitra ny olony izay mino Azy sy mitoetra ao Aminy ary manompo Azy, ka ahiany toy ny anakandriamasony izy (Deo.32:10). Fa hoy ny Tompo: ”Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo” Isa.46:4. Hoy Jesosy: ”Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao” Mat.28:20.

Sabotsy 13: Mahatoky Jehovah ka tokony hitokisana.
“Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy” Jao.10:27.
Vakiteny 1: Isa.49:8-13. Vakiteny 2: Jao.10:22-30. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.10:27-28.
Fitarihan-kevitra: “Jehovah no hitokisana”: nahafantatra tsara izany Davida ka niventy ny Salamo manao hoe: “Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho, Mampandry ahy amin’ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron’ny rano fialan-tsasatra Izy” Sal.23:1-2. Teny manambara ny fahafenoana sy ny fahatanterahan’ny fiadanana izany. Hoy Jesosy: “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo” Jao.14:27a.

Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-
madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny hifiradio.org 24 ora/7 andro: fampianarana, hira, … © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *