Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XII manaraka ny Trinite 31 Aogositra – 05 Septambra 2020 *

“Andriamanitra mampifaly ny olony” Ny hafatra: Ny lohateny eto dia hafatra tena mafonja sy sarobidy. Fa efa tamin’ny andro nitarihan’i Mosesy ny Zanak’Isiraely no nankalazana ny ”Andro firavoravoana” na ”Fetin’ny tabernakely” (Lev.23:33;Jao.7:2), dia fetin’ny fihaonana amin’Andriamanitra ho fisaorana sy fiderana Azy. Tsy miova izany hafatra izany fa tena mbola tandrify ny vanin’andro diavintsika, dia androm-pisedrana … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XI manaraka ny Trinite 24-29 Aogositra 2020 *

“Ny mpanompo mahatoky” Ny hafatra: Andron’ny fihemorana ara-panahy maha-olona sy fizahan-toetra ny andro ankehitriny (Apok.3:10) ka itadiavan’Andriamanitra sy itakiany mpanompo mahatoky, izay ametrahany ny fitokisany sy ny asany. Fa vavolombelon’Andriamanitra izay naniraka azy izy, ka itarafana ny toetra sy ny fombany, dia olona nataony hiray antoka feno Aminy, ary manao ny sitrapony sy mahavita ny … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady X manaraka ny Trinite 17-22 Aogositra 2020

“Ny fivavahana marina” Ny hafatra: Ny fivavahana marina eo imason’Andriamanitra, dia izay mifanaraka amin’ny sitrapony, ka ankasitrahany. Ny ilazana azy koa dia “fivavahana masina”, na “fisoronana masina”, izay madio, mangarahara, mazava. Ny fivavahana toy izany no ankasitrahan’Andriamanitra ka henoiny sy valiany araka ny fanambaran’ny Apostoly Jaona manao hoe: “Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady IX manaraka ny Trinite 10-15 Aogositra 2020

“Ny fahalehibiazan’Andriamanitra” Ny hafatra: Ny fahalehibiazan’Andriamanitra, dia manambara fa Izy no Tompon’ny tompo izay nahary izao rehetra izao (Jao.1:3), dia ny zavatra maro samihafa tsy hita pesimpesenina, tsy taka maso, tsy hay refesina haramin’ny kely indrindra sy ny lehibe indrindra, ny tsy hitan’ny maso sy ny tsy takatry ny saina  hoheverina akory.Fa ireny rehetra ireny … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady VII manaraka ny Trinite 27 Jolay – 01 Aogositra 2020

“Andriamanitra manamarina ny mpanota” Ny marina no mandova ny fanjakan’ny lanitra, dia ”Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin’ny lainga, na mianiana hamitaka” Sal.24:4. Indrisy anefa fa ”Tsy misy marina na dia iray akory aza” Rom.3:10, ”fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra” … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy

Hira & Filazantsara Alahady VI manaraka ny Trinite 20-25 Jolay 2020 “Tandremo ny didin’Andriamanitra” ”Tandremo ny didin’Andriamanitra, satria Mpanjaka Izy”. Ny fanjakan’Andriamanitra dia fanjakana tan-dalàna, dia ny lalàn’Andriamanitra. Matoa nomen’Andriamanitra ny làlana hifehy sy hanapaka ny fanjakany, dia ny mba hahavelona ny olona sy hahazoan’Andriamanitra izay Tompony ny haja amam-boninahitra ary ny fankatoavana sahaza Azy. … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy

Hira & Filazantsara Alahady V manaraka ny Trinite 13-18 Jolay 2020 “ Andriamanitra mananatra ny olona ” Ny hoe ”Andriamanitra mananatra ny olona” dia mikendry ny amerenana azy ho amin’ny lalan’ny fahamarinana mba hahavelona azy, dia ny lalan’ny sitrapon’Andriamanitra ”izay tsara sady ankasitrahana no marina” Rom.12:2. Ny lalan’ny fahamarinana, na ”Lalan’ny fahitsiana”, dia ”Lalan’aina mahavelona” … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy

Hira & Filazantsara Alahady IV manaraka ny Trinite 06-11 Jolay 2020 “Ny fifadiana ankasitrahana” Ankasitrahan’Andriamanitra ny fifadian-kanina ataon’ny olony raha mifanaraka amin’ny sitrapony, fa raràny mafy kosa raha tsy izany. 1/ Inona no ambaran’ny Soratra Masina ho antony mahatonga, na ilàna, ny fifadian-kanina? Raha bangoina, dia ireto no antony: – Fifehezan-tena, na famolahana ny tena … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy

Hira & Filazantsara Alahady III manaraka ny Trinite 29 Jona-04 Jolay 2020 « Andriamanitra tia mamindra fo » Ny hoe ”Andriamanitra tia famindram-po” dia toetr’Andriamanitra lalim-paka. Fa hoy Izy: ”famindram-po no sitrako,fa tsy fanaitra alatsa-dra” Hos.6:6. Maneho ny fiavahany maha-Andriamanitra Mpamela heloka Azy izany ka mampiteny ny mpaminany hoe: ”Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara

Alahady II manaraka ny Trinite 22-27 Jona 2020 « Andriamanitra manasa ny olona” Ny hafatra: Hevitra telo lehibe no ambaran’ny ”manasa” ho fiarahana misakafo. Izany dia Fanomezana voninahitra ny asaina. Fandalana sy famitranana fihavanana. Fanomezana sakafon’aina mahavelona. Raha akapoka, dia Firaisana aina sy antoka, eny, fisakaizana, toy ny nanendreny an’i Adama sy Eva hiriaria tao Edena, … [Read more…]