Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady III manaraka ny Epifania 27 Janoary – 01 Febroary 2020 “Andriamanitra miseho amin’ny Teniny” *

Ny hafatra: Andriamanitra miseho amin’ny alalan’ny teniny, ary mampitondra izany ny mpanompony izay irahiny mba hinoana Azy. Fa Teny Fahamarinana ny tenin’Andriamanitra araka ny voasoratra hoe: ”Fa na firy na firy ny teny fikasan’Andriamanitra, dia ao aminy ny eny, ary amin’ny alalany koa ny Amena, ho voninahitr’Andriamanitra” 2 Kor.1:20. Feno dia feno ny asan’ny Tenin’Andriamanitra, … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady II manaraka ny Epifania 20-25 Janoary 2020 “ Miseho ny Mpaminanin’i Jehovah ” *

Ny hafatra: Miseho amin’ny olona ny Mpaminanin’i Jehovah, dia ny Mesia, mba hitondra ny hafatr’Andriamanitra sy haneho ny voninahiny indrindra. Izany dia filazana izay manambara an’i Jesosy Kristy Tompo, araka ny tenin’i Jaona Apostoly ny Aminy manao hoe: “Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara EPIFANIA 06 – 11 Janoary 2020 “ Misandratra ny tenin’Andriamanitra ” *

Hafatry ny Lohateny: Epifania: Andriamanitra miseho amin’ny olona. Izany dia amin’ny alalan’ny fanandratany ny tenin’Andriamanitra, izay fototra anorenan’Andriamanitra ny fanjakany sy fanomezany ny didy sy fitsipika hifehy ny olona hanao ny sitrapon’Andriamanitra ety an-tany tahaka ny any andanitra (Mat.6:10). Tonga sy miseho tokoa ny Tompo, ka hoy indrindra Jaona Apostoly: ”Ary ny Teny dia tonga … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady manaraka ny Noely 30 Desambra 2019 – 04 Janoary 2020 “ Tonga ny Mesia, fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany ” *

Hafatry ny Lohateny: Tonga ny Mesia! Tsy Andriamanitra antsoina intsony, na Mpamonjy mbola ho tadiavina, fa Andriamanitra sy Mpamonjy tonga hitady sy hamonjy ny very (Lio.19:10), satria Mpiandry Tsara vonona ny hanolotra ny ainy hamonjy ny ondriny Izy (Jao.10:11). Marina indrindra fa ny Anarany atao hoe: ”Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay Andrian’ny fiadanana” Isa.9:5b. … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady IV amin’ny Advento 23-28 Desambra 2019 “Tonga ny Mesia, miposaka ny Mazava”

Hafatry ny Lohateny: Tonga ny Mesia, miposaka ny Mazava, dia ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’izao tontolo izao, izay efa niandry ela ny fahatongavany.  Fa tanteraka ny teny faminaniana voasoratra hoe: ”Ny olona izay mandeha amin’ny maizina dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin’ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan’ny mazava” Isa.9:1. Ary ho an’izay rehetra niandry … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady III amin’ny Advento 16-21 Desambra 2019 “Ny fiavian’ny Mesia, fampiononana ny olony” *

Hafatry ny Lohateny: Nangidy indrindra ny fahoriana nihatra tamin’ny Zanak’Isiraely raha nivadika tamin’Andriamanitra izy ka niharan’ny famaizany, dia ny nambaboan’ny Asyriana azy sy nanaovana azy sesitany tany Babylona; ka ny jentilisa no nanao azy araka ny sitrapony toy ny firenena very zo sy tsy manankasina mihitsy. Fa noho ny maha-firenena voafidy sy vita fanekena tamin’Andriamanitra … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady I amin’ny Advento 02-07 Desambra 2019 “Ho avy ny Tompo” *

Hevitry ny Lohateny: Ho avy ny Tompo, dia ny Mesia, Ilay Iraka Voahosotr’Andriamanitra, izay nambaran’ny Ray manao hoe: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy” Mat.17:5. Ny fihavian’ny Tompo ? Fanantenana lehibe ho an’izao tontolo izao. Fa tany amin’ny taona 830 mialoha ny nahatongavany tetỳ an-tany no nanambaran’Isaia mpaminany Azy amin’ny maha Tompo … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XXV manaraka ny Trinite 25-30 Novambra 2019 “Andriamanitra tsy mandao ny olony” *

Hevitry ny Lohateny: Ny hoe ”Andriamanitra tsy mandao ny olony” dia milaza ny firaisana antoka sy fanekena nataon’Andriamanitra amin’ny olony, dia izay mino ny Anarany ka noraisiny ho an’ny tenany (1 Pet.2:9b). Ireo no nitenenany fahizay hoe: ”Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain’i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XXIII manaraka ny Trinite 11-16 Novambra 2019 “Ny olon’Andriamanitra, mpanompo ny fahamarinana” *

Hevitry ny Lohateny: Andriamanitra dia marina sy tia fahamarinana ka mankahala ny ratsy (Sal.11:7), ary tiany ny olony ho tahaka Azy (Sal.34:15-16). Hoy Jaona Apostoly: ”Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako” 3 Jao.4. Izany no toetra maha-zanak’Andriamanitra, dia ny maha-mpanompon’ny fahamarinana, dia ny sitrapon’Andriamanitra … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XXII manaraka ny Trinite 04-09 Novambra 2019 “Andriamanitra Mahatoky”

Hevitry ny Lohateny: Andriamanitra dia Mahatoky, satria Marina Izy, dia Andriamanitra tsy mivadika amin’ny fanekeny, ary tsy miova amin’ny teniny, fa manatanteraka izany. Ataony tokoa izany, satria Izy dia ”Andriamanitra tsy mahay mandainga” araka ny voalazan’ny Soratra Masina Azy (Tit.1:2). Mahasaropiaro Azy tokoa ny fahamarinany, raha hoy i Balama nandà an’i Balaka tsy hamadika ny … [Read more…]