Fiangonana Loterana MalagasyHira & FilazantsaraAndro Paska I & II, 09-15 Aprily 2023“Kristy, fandresen’ny mino” *

Ny hafatra: Ny hoe: “Kristy, fandresen’ny mino” dia milaza indrindra ny firaisana antoky ny olona amin’Andriamanitra. Izany no fototry ny fanekena masina izay nifanaovan’Andriamanitra tamin’ny olony, ka Andriamanitra manaiky ny hiantoka ny aminy, ary ny olony kosa manaiky Azy hoAndriamaniny, dia Tompo Tokana ka tsy misy hafa (Eks.20:3). Izany fanekena izany dia miorina amin’ny firaisana … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady III mialoha ny Paska 19-25 Marsa 2023 « Ny fanekem-panavotana mandrakizay » *

Ny hafatra: Ny hevi-dehibe fonosin’ny hoe “fanekem-panavotana” dia ny hahatanteraka fanavotana mandrakizay, izay omen’Andriamanitra ny olona mba hitomoerany tsara ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ka tsy hahavery azy. Fa raha ny olona mety mivadika amin’ny teniny sy ny zavatranekeny, Andriamanitra kosa dia mitoetra amin’izay nolazainy sy nekeny, araka ny voasoratra hoe: “Fa na dia tsy matoky Azy … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy
Hira & Filazantsara
Alahady IV mialoha ny Paska, 12-18 Marsa 2023
“Andriamanitra Mpamonjy Mahery”
*

Ny hafatra: Ny hoe “Andriamanitra Mpamonjy Mahery” dia maneho ny maha-Andriamanitra Azy indrindra, dia Izy Fitiavana (1 Jao.4:16) ka tia mamonjy ny olom-bery; fa hoy Jesosy: “Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very” Lio.19:10; ary koa Izy Tompon’ny hery rehetra kaafaka manatanteraka ny asam-pamonjena feno ny mpanota. Fa tsy misy toa Azy … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady VI mialoha ny Paska, 26 Febroary – 04 Marsa 2023 “Ny mino mandresy” *

Ny hafatra: “Ny mino mandresy”, satria Andriamanitra no momba azy. Niteraka azy tamin’ny sakramentan’ny batisa sy ny herin’ny Fanahy Masina Izy (Jao.3:5), ary manamasina azy amin’ny tenin’Andriamanitra (Jao.17:17). Hoy Jaona Apostoly: “Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny heryho tonga zanak’Andriamanitra” Jao.1:12, dia zanaka tsy manota fa mandresy ny ota. Fa “Izay rehetra naterak’Andriamanitra no … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady VII mialoha ny Paska 19-25 Febroary 2023 “Andriamanitra mampahery ny olony” *

Ny hafatra: “Andriamanitra mampahery ny olony” dia Izy mampandresy azy amin’ny adiny. Endriky ny fiahian’Andriamanitra ny olony ny mampahery azy amin’ny adiny, ka tsy amelany azy ho menatra na hangaihay (1 Pet.2:6). Fa maro ny ady atrehany: ny fahasarotana arapiainana sy ny fahasahiranana samihafa, ny faharatsiana sy ny tsy fahamarinana, ny ady amin’ny devoly sy … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady IX alohan’ny Paska, 05 – 11 Febroary 2023 “Andriamanitra manorina ny fanjakany »

Ny hafatra: Satria rava noho ny fahotan’ny razamben’ny taranaky ny olombelona ny fiadanana tao Edena, vokatry ny nandavany ny tenin’Andriamanitra (Gen.3:6), dia naniraka an’i Jesosy Kristy Zanany ny Ray mba hanao fanavotana ny mpanota sy fampihavanana azy Aminy indray, ary hanangana azy ho zanaka mandova ny fanjakany ho fiainana mandrakizay (Rom.8:17). Tonga tokoa Jesosy manorina … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady III manaraka ny Epifania, 22 – 28 Janoary 2023 “Andriamanitra miseho amin’ny teniny” *

Ny hafatra: Andriamanitra miseho amin’ny alalan’ny teniny, ary mampitondra izany ny mpanompony izay irahiny mba hinoana Azy. Fa Teny Fahamarinana ny tenin’Andriamanitra, araka ny voasoratra hoe: “Fa na firy na firy ny teny fikasan’Andriamanitra, dia ao aminy ny ‘eny’, ary amin’ny alalany koa ny ‘Amena’, hovoninahitr’Andriamanitra” 2 Kor.1:20. Feno dia feno ny asan’ny Tenin’Andriamanitra, satria … [Read more…]

Malagasy Lutheran Church Song & Gospel Sunday III after the Epiphany, 22nd -28th January 2023 « God Reveals Himself Through His Word » *

The message: God reveals Himself by means of His word and brings it through the servants He sends, so that people may believe in Him. Indeed, the Word of God is Word of Truth, according to what it is written: « For in him every one of God’s promises is a ‘Yes.’ For this reason it … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady II manaraka ny Epifania, 15 – 21 Janoary 2023 “Miseho ny Mpaminanin’i Jehovah” *

Ny hafatra: Miseho amin’ny olona ny Mpaminanin’i Jehovah, dia ny Mesia, mba hitondra ny hafatr’Andriamanitra sy haneho ny voninahiny indrindra. Izany dia filazana izay manambara an’i Jesosy Kristy Tompo, araka ny tenin’i Jaona Apostoly ny Aminy manao hoe: “Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy
Hira & Filazantsara
Alahady I manaraka ny Epifania 08–14 Janoary 2023
“Ny Voahosotr’i Jehovah mitondra fanavotana”
*

Ny hafatra: Ny Voahosotr’i Jehovah, na ny Mesia, dia nirahin’ny Ray mba hitondra fanavotana ho an’ny olona mpanota, izay tsy mahay manavo-tena (Rom.7:24). Ny hoe “fanavotana” dia ny fananganan’Andriamanitra ny olombelona avy amin’ny fahalavoana sy ny fahalovana noho ny ota, araka ny fikasany hatramin’ny voalohany manao hoe: “Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka … [Read more…]