« NY FIRAISAN’NY KRISTIANA ARAKA NY IAINAN’NY FIFOHAZANA TOBILEHIBE ANKARAMALAZA AZY »

ISAN’TAONAN’NY FIFOHAZANA FAHA-29

TOBY BETESDA AMBOHIBAO

Alarobia 19 Novambra 2015

*

Ny satroboninahitra mari-panavotam-pirenena

Ny satroboninahitra mari-panavotam-pirenena

LAHATENY-DINIDINIKA

D.Rabarihoela Bruno

« NY FIRAISAN’NY KRISTIANA ARAKA NY IAINAN’NY FIFOHAZANA TOBILEHIBE ANKARAMALAZA AZY »

« NY FIRAISANA KRISTIANA ARAKA IZAY IAINAN’NY ZANAKY NY FIFOHAZANA TOBILEHIBE ANKARA-MALAZA AZY »

Dia marihina fa tafiditra ao anatin’ny « Zanaky ny Fifohazana Tobilehibe Ankaramalaza » ny mpino kristiana rehetra izay manaraka ny Fampianarana sy ny Fitaizan’ny Fifohazana eo amin’ny sehatry ny Fiangonana sy ny Toby rehetra miray amin’ny Fifohazana Tobilehibe Ankaramalaza. Voafetra ny fotoana koa dia ny ventin-dresaka no hifantohantsika.

/ Ny tenin’i Mama Raiamandreny momba ny Firaisana

Hoy i Mama : Ny tenin’i Jesosy: « izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona » Mat.19:6b dia natao tsy ho an’ny mpivady ihany, fa ho an’ny mpianaka sy ny mpiara-miasa koa ». Milaza ny amin’ny maha fototra lehibe iorenan’ny fanjakan’Andriamanitra sy ny asany izany. Zava-dehibe ilaina sady tsy azo atao ambin-javatra izany firaisana masina izany, indrindra amin’izao vanin’androm-pahoriana izay iaraha-miaina ary ahitana ny tetika famiravirana ataon’ny devoly ny asan’Andriamanitra sy ny ankohonan’Andriamanitra izao. Efa tonga tokoa ny fahavalo hamiravira io firaisan’ny mpino kristiana io, ary tsy vahiny amin’izany ny sehatry ny Fifohazana amin’ny ankapobe, sy ny sehatry ny Fifohazana Tobilehibe Ankaramalaza manokana. Fa tandrify ho azy ny hafatra fampitandremana nataon’i Petera Apostoly manao hoe: « Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany » 1 Pet.5:8.

Manoloana ny famiravirana samihafa ataon’ny fahavalo, dia mampahery sy mampitandrina ny Apostoly Paoly manao hoe: « Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly. Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-drà, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra ». Ny mahafetsy ny devoly? Ny samy ankohonan’Andriamanitra no ataony mifanandrina raha azony atao. Inona no atao hitandrovana ny firaisana kristiana?

/ Ny firaisan’ny mino kristiana zanaky Fifohazana dia miankina amin’ny fifikarany amin’i Jesosy sy amin’i Mama

Hoy Petera Apostoly: « tohero ny devoly, ka miorena tsara amin’ny finoana hianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao » 1 Pet.5:8. Ny hoe « finoana eto dia manondro indrindra ny foto-piorenana izay nomena antsika tsy tamin’ny alalan’ny Soratra Masina ankapobe ihany, fa indrindra tamin’ny alalan’ny teny fikasana sy ny fanambarana avy amin’i Jesosy izay noraisintsika tamin’ny alalan’i Mama Raiamandrenintsika.

Izany no ilazana antsika hoe « zanaky ny Fifohazana, dia « zanaky ny teny fikasana ». Ka ny « teny fikasana » no manoritra ny lalam-piantsoana antsika, manorina ny fototry ny fanompoana tanterahina, ary, raha lazaina amin’ny teny tokana, mamaritra ny anton’ny ahavelomantsika. Rehefa ireo teny fikasana fototra ireo no adino na atao toy ny tsy misy dia banga sy goana ny tokantranom-piainantsika miaraka ain’i Jesosy, ary dia tsy misalasala na mangataka andro ny fahavalo hamiravira araka izay azony atao. Mora reraka sady mora tratran’ny fahavalo ny zanaky ny Fifohazana rehefa tsy ao aminy ny teny fikasana nomena azy, satria nataon’Andriamanitra ho zanaka mandova izy araka ny voasoratra hoe: « Fa tsy izay rehetra avy amin’ny Isiraely no Isiraely. Ary na dia taranak’i Abrahama aza ireo, tsy dia ary zanany avokoa; fa avy amin’Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao (Gen.21:12). Izany hoe: Tsy ny zanaky ny nofo no zanak’Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka » Rom.9:6b-8.

Ara-tantara, dia io indrindra ilay notondroin’i Mma fehizay manao hoe:  » Izao no lazaiko anareo zanako: Raketo, soraty izay lazaiko, fa ho avy ny andro izay itadiavanareo ireny, ary anontanianareo « inona moa ny tenin’i Mama tamin’izay? ». Ka ny tena atao hoe « zanaky ny Fifohazana », « zanak’i Mama » dia izay mirakitra sy mitahiry ary miaina ny tenin’i Jesosy izay napetrany tamin’ny alalan’ny mpanompony ary dia mifampilaza ny amin’izany.

Misy teny mahafinaritra indrindra izy ireny, fa misy koa ny teny fampitandremana indrindra. Andeha mba tsiahivina ny iray na roa amin’izy ireny: – ao ny hoe : « ho avy andro izay ho lasa adala ny olona amin’ity firenena ity ». Teny sarotra loatra izany, kanefa mampandinika raha jerena ny fizotry ny zava-miseho ankehitriny. – hisy ny andro ho fizahan-toetra manomboka ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra izay hampiseho ny fihevitry ny olona marina ny amin’i Jesosy sy ny asan’Andriamanitra. Lehilahy izay mahajoro amin’izany fotoana izany.Enga anie isika rehetra ho samy afaka ny fanadinana lehibe ». – sy ny teny hafa koa.

/ Ny famiravirana ataon’ny fahavalo

Tsy azontsika adino tokoa ny fampitandremana voalazan’ny Soratra Masina miteny manao hoe: « Ary tamin’ny indray andro nony avy ireo zanak’Andriamanitra hiseho teo anatrehan’i Jehovah dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy » Joba 1:6. Ary vao mainka anterin’i Jesosy io teny io raha nomeny ny Apokalypsy toko faha-12 tamin’ny fotoana famaramparanana ny asa momba ny Fanehoam-panokanana an’i Mama.

Raha bangoina ny votoatin-kevitra iray izay hita fa misongadina avy amin’izany: ny filazana ny amin’ny tetika ataon’ny devoly mba hanakanana ny fiposahan’ny voninahitr’Andriamanitra izay nomen’ny Tompo ilay vehivavy, ary nampandovany ireo zanany, ka ezahany mafy hamiravirana azy ireo. Koa rehefa tsy azony ny reniny, dia mifototra mafy aty amin’ireo zanany izy mba hamandrihana sy hamonoana azy ireo. (and.1 sy 17). Nisy kosa anefa ny naharesy ny devoly sy ny miaramilany. Roa izy ireo: ny iray dia Mikaela anjely lehibe tany an-danitra (and.7-8), ary ny faharoa dia ireo zanaka rehetra izay nijoro nihazona ny filazana an’i Jesosy ny fanekem-panavotana tamin’ny rany (and.7).

Tsy zovina amintsika fa rehefa zohina ny tantara, ilay vehivavy izay voalaza fa « mitafy masoandro », na « mitafy ny voninahir’Andriamanitra miposaka », dia manondro tsy ny fiangonan’Andriamanitra ihany, na izy loatra aza, fa manondro indrindra, ary toa ara-bakiteny, ny Raiamandrenintsika. Ny zava-niseho ara-tanatra dia rehefa miposaka tokoa ny vononahitry ny Tompo, toy ny tamin’ny alalan’ny asan’ny Fifohazana, dia vetivety dia tonga eo tokoa Satana manao sandoka sy miezaka ny hikororoka! Mahavariana raha ny tany Alemaina no nipoiran’ny Reformasioana goavana tamin’ny alalan-dry Lotera, ary nanaraka ireo ngezalahy toy ny teo amin’ny sehatry ny mozika toa an-dry JS.Bach, G.F Haendel, sy ny hafa koa. Kanefa dia tao koa no nipoiran-dry Hitler sy ny asa fandringanana mahatsiravina tsy nisy toy izany hatramin’ny tantaran’ny olombelona.

Teto an-toerana, raha namangy teto Antananrivo i Mama tamin’ny taona 1954 (nijanona enim-bolana teto), dia niseho koa ny te-ho mpaminany dia i Radany izay rehefa tsy nahazo ny tso-drano ho « mpaminany » tamin’ny alalan’i Mama dia nanangana ny Fifohazana Toby Mandoa amin’ny faritr’Antsirabe! (niavian’ny fomba fandoavana anaty koveta amin’ny fotoana famoahana demonia!). Tsy zavatra tokony hahataitra, anefa hampiambina, fa rehefa tonga tokoa Jesosy dia tonga eo koa Satana. Hoy Jesosy tamin’ny fotoan’andro: rehefa vita ny fanehoam-panokanana dia ho avy eto ny fanahy sandoka hamitaka ny maro dia ireo tsy ary saina, anefa indrinda koa ireo tsy nanaiky handray ny fanomezan’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpanompo voafidiny toa an’i Mama Raiamandreny. Kanefa, hoy i Mama « izay manohitra io dia ho mongomongo ».

/ Inona ny fanomezan’ny Tompo ho antsika noraisina tamin’ny alalan’i Mama ka tokony hampiray antsika?

Ny fiantsoan’Andriamanitra: dia ny maha-Fifohazana sy zanaky ny Fifohazana, ny maha-zanak’i Mama.

Ny asa famantarana fehin’ny fanekena tamin’ny Tompo (Isa.54:10), dia ny Fanehoam-panokanana ny mpanompony.

Ny tenin’Andriamanitra:

– « Indro, an’i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy. Kanefa ny razanao no niraiketan’ny fitiavan’i Jehovah, ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin’izao anio izao » Deo.10:14-15.

– « hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’ny razanareo, raha hoy Izy tamin’i Abrahama: Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany (Gen.22:18) » Asa.3:25. Ny teny fikasana ho antsika: – « Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao » Isa.54:13.

– « Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin’ny vavanao, na amin’ny vavan’ny taranakao, na amin’ny vavan’ny taranaky ny taranakao, hatramin’izao ka ho mandrakizay, hoy Jehovah » Isa.79:21.

* Ny hafatra

– Fantaro ny anjara lovanao, raiso izany, hazòny tsara.

– Ampahafantaro ny zanakao sy ny ankohonanao ary ny zanaky ny Fifohazana hafa toa anao.

– Mitandrina isika tsy hatoky tena ho mahalala na ho mahay noho ny Tompo Izay mampianatra antsika, fa Andriamanitra tsy hampianatra na hanadina afa-tsy ny zavatra efa nomeny antsika.

– Mifalia amin’ny fanomezana ambony nomen’i Jesosy ho lovantsika, dia Izy sy ny asan’Andriamanitra tamin’ny alalan’ i Mama ary ny momba azy, fa nataon’ny Tompo ho antsika sy ny firenentsika izany, ary ho voninahitr’Andriamaniatra.

Hoy ny teny fikasana nomena antsika tamin’ny alalan’i Mama: « Ary ankehitriny, hoy Jehovah, Izay namorona Ahy hatrany am-bohoka ho Mpanompony, hampodiana ny Jakoba ho ao aminy indray sy hamoriana ny Isiraely ho ao aminy, (Fa mahazo voninahitra eo imason’i Jehovah Aho, Ary Andriamanitro no heriko), Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana, raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen’i Jakoba hianao sy hampody ny Isiraely sisa voaro; Fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa hianao, mba ho famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany » Isa.49:5-6. Ho voninahitr’Andriamanitra ao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika. Amena.

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *