NY FIANTSOANA-FANIRAHAN’ANDRIAMANITRA NY MPIANDRY
D.RABARIHOELA BRUNO.
I/ Ny planin’Andriamanitra sy ny fiantsoany – “Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany, mba ho velona izy” Ezek.33:11. – “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” Jao.3:16. – “Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay?” Isa.6 :8a.
II/ Ny fiahian’Andriamanitra ny ondry : ny tenin’i Jesosy. – “ Ny amboahaolo manan-davaka; ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany” Mat.8:20. – “Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry” Jao.10:16. – “Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very” Lio.19:10.
III/ Ny firaisana antoka amin’i Jesosy – “Izay mino Ahy ny asa ataoko no hataony koa” Jao.14:12a. – “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany” Jao.4:34. – “Ananan’ny Grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho” Rom.1:14 – “Lozako raha tsy mitory ny Filazantsara aho” 1 Kor.9:16b. – “Kristy no anton’ny ahavelomako” Fil.1:21a.44
IV/ Ny fiantsoana ho mpiandry. Hoy Jesosy : – “Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra” Mat.9:38. – “Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany” Asa.1 :8. – “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin’izay rehetra ao an-trano izany. Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra” Mat.5:14-16.
V/ Ny hetahetan’ny firenena – Mitady fanasitranana : “Noana sy sasatra ary mangetaheta atỳ an-efitra ny vahoaka” 2 Sam.17:29. – Mila mpanasitrana : “Moa tsy misy balsama va any Gileada? Moa tsy misy dokotera va any? Koa nahoana no tsy tanteraka ny fanasitranana ny oloko zanakavavy?” Jer.8:22. – Mitady sakafom-panahy mahavelona: “Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin’ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana [Heb. mosary] handre ny tenin’i Jehovah” Amo.8 :11. – Hoy ny tononkira : “Misy maro ao an-tsaha mitaraina, ka ento ny jiro mba hankao. Tsy mba misy antoandro na maraina, fa maizina re no ao” Hira faha-310 FFPM.
VI/ Ny baikon’i Jesosy – “Tsy hianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba homen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny anarako na inona na inona” Jao.15:16. – “Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin’izao tontolo izao hianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra…. Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitori-teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin’ny famantarana izay nomba azy. Amena” Mar.16:15-20. – “Ary raha mandeha hianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra. Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana hianareo, koa manomeza maimaimpoana” Mat.10:7-8.Ny ohatr’i Jesosy : “Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra tao amin’ny synagoga sy nitory ny filazantsaran’ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra” Mat.9:35. Dia naniraka ny mpianany Jesosy mba handeha hitory ny Filazatsara sy hanasitrana ary hamoaka demonia (Mat.10 :1, Mar.6 :7).
VII/ Ny fandavana ny baikon’ny Tompo sy ny famaliany izany – Jona mpaminany : “Endrey ity hianao renoky ny torimaso foana eto! Mitsangàna, ka antsoy ny Andri-amanitrao, fa angamba hihevitra antsika Andriamanitra, ka dia tsy ho faty isika”. “Ary hoy izy tamin’ireo: Betao aho, ka atsipazo any anatin’ny ranomasina hahatony ny ranomasina aminareo; fa fantatro fa noho ny amiko no mahatonga izao onja mahery izao aminareo” Jona 1:6,12. – Ilay nandevina talenta : “Ry mpanompo ratsy sady malaina, .. tokony ho nampanàna ny volako tamin’ny mpanana vola hianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany. Koa alao aminy ny talenta, dia omeo ilay manana ny talenta folo. Fa izay rehetra manana dia homena, ka hanam-be izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy. Ary ario ho any amin’ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify” Mat.25:26-30..
VIII/ Ny fananarana sy fampitandreman’ny Tompo – “Raha hoy Izaho amin’ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa hianao! ary tsy mananatra azy hianao, na miteny hananatra ny ratsy fanahy, hialany amin’ny lalany ratsy hamonjena ny ainy, dia ho faty amin’ny helony ihany ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin’ny tananao ny ràny” Ezek.3:18. – “Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak’olona, raha avy amin’ny voninahitry ny Rainy mbamin’ny anjely masina” Mat.8:38. – “Ary hoy koa Izy tamiko: Tanteraka ireo. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin’ny loharanon’ny ranon’aina ho an’izay mangetaheta. Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako. Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin’ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa” Apok.21:6-8.
IX/ Ny teny vavolombelona – Estera : “fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko? Ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako?” Est.8:6. – Paoly Apostoly : “Ananan’ny Grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho; koa raha izaho, dia mazoto hitory ny filazantsara aminareo izay any Roma koa aho. Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin’ny Jiosy aloha, dia vao amin’ny jentilisa [gr.Grika] koa” Rom.1:14-16. “fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho!” 1 Kor.9:16b.
X/ Ny toky sy ny hafatra farany – “Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo; ary aoka hianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin’ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna izy, dia vohany miaraka amin’izay. Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy” Lio.12:35-37. – “Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe. Fa tokony hanana faharetana hianareo raha hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra. Fa « rehefa afaka kelikely, Dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra ». Ary « ny oloko marina dia ho velon’ny finoana; » Fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko (Hab.2:3,4). Fa isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana, fa naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy” Heb.10:35-39. – “Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo” 1 Kor.15:58
FEHINY: Ny fankasitrahan’i Jesosy Tompon’ny asa ny mpanompony: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin’ny fifalian’ny tomponao” Mat.25:21,23. Ho voninahitr’Andriamanitra