Fiombonam-bavaka Alahady I manaraka ny Epifania Herinandro 09-14 Janoary 2017

FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha
Fiombonam-bavaka Alahady I manaraka ny Epifania
Herinandro 09-14 Janoary 2017
“ Ny taona ankasitrahan’i Jehovah ”
*

Fitarihan-kevitra: Ny Taona Vaovao dia irariana ho taom-pahasoavana, ho taon-jina, ho taom-pahombiazana amin’ny antony sy lafimpiainan’ny olona rehetra. Kanefa tsy tanteraka izany raha tsy ao amin’Andriamanitra ary miaraka amin’i Jesosy. Fa “Raha tsy Jehovah
no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy” Sal.127:1. Fa hoy ny Tompo: ”Izaho no voaloboka, hianareo no sampany. Izay
miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona”
Jao.15:5. Hoy ny Soratra Masina: “Ankino amin’i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka” Sal.37:5.

Alatsinainy 09: Ny taona ankasitrahan’i Jehovah, taonan’Andriamanitra.
« Jehovah efa nanosotra Ahy… hitory taona ankasitrahan’i Jehovah” Isa.61:1b,3a.
Vakiteny 1: Lio.4:14-21. Vakiteny 2: Isa.61:1-3. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.61:1-2. Teny manampy:
– “Anio no tonga eto amin’ity trano ity ny famonjena” Lio.19:9a.
– “Koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy
amin’ny fanatrehan’ny Tompo” Asa.3:19.

Talata 10: Ny taona ankasitrahan’i Jehovah, taonan’ny asan’Andriamanitra.
“Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa” Jao.5:17.
Vakiteny 1: Isa.43:10-13. Vakiteny 2: Jao.5:10-18. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2: Jao.5:17. Teny manampy:
– “Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa” Jao.14:12a.
– “Isika tsy maintsy manao ny asan’izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny
olona” Jao.9:4.
– “Miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo” Fil.2:12.

Alarobia 11: Ny taona ankasitrahan’i Jehovah, taom-panafahana.
“Raha ny Zanaka no hahafaka anareo,dia ho afaka tokoa hianareo” Jao.8:36.
Vakiteny 1: Heb.2:11-16. Vakiteny 2: Jao.8:25-38. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.8:36. Teny manampy:
– “Ary hamasino ny taona fahadimam-polo, ka miantsoa fanafahana amin’ny tany ho an’ny mponina rehetra ao aminy;
Jobily ho anareo izany” Lev.25:10.
– “Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha ny famatoran’ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin’ny
zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra?” Isa. 58:6.
– “Fa ankehitriny hotapahiko ny ziogany ho afaka aminao, Ary hotosako ny famatorana anao” Nahoma 1:13.

Alakamisy 12: Ny taona ankasitrahan’i Jehovah, taom-panasitranana.
“Dia, indro, hotanterahiko tokoa ny fanasitranana azy” Jer.33:6a.
Vakiteny 1: Lio.7:1-10. Vakiteny 2: Jer.33:1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jer.33:6. Teny manampy:
– “Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron’ny fahamarinana, manana fanasitranana ao
amin’ny tanany; ary hivoaka hianareo ka hifalihavanja toy ny zanak’omby mifahy” Mal.3:20.
– “Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny
malahelo dia itoriana ny filazantsara” Mat.11:5. – “Te-ho sitrana va hianao?” Jao.5:6.

Zoma 13: Ny taona ankasitrahan’i Jehovah, taona fanamarinan’Andriamanitra ny olony.
“Fa izay mitady ny voninahitr’Izay naniraka azy no marina” Jao.7:18b.
Vakiteny 1: Sal.92:5-15. Vakiteny 2: Jao.7:14-18. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.7:18. Teny manampy:
– “Izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka” 1 Sam.2:30b.
– “Ary izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny –
voninahitra koa” Rom.8:30.
– “Izay manao ny tsy marina aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy;
ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy”
Apok.22:11.

Sabotsy 14: Ny taona ankasitrahan’i Jehovah, taonan’ny famalian’Andriamanitra.
”Niakanjo ny akanjo famaliana Izy, eny, nandray ny fahasaro-piaro ho akanjo ivelany Izy” Isa.59:17.
Vakiteny 1: Mat.25:31-40. Vakiteny 2: Isa.59:14-18. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.59:17. Teny manampy:
– ”Efa tsy niteny Aho hatrizay hatrizay, nangina ihany Aho ka nanindry fo; Fa izao Aho dia mitaraina tahaka ny vehivavy
raha miteraka, eny, miehakehaka tsy avy miaina” Isa.42:14.
– ”Hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary izy hanao hoe: Jehovah no
Andriamanitro” Zak.13:9.
– “Fa zavatra marina amin’Andriamanitra ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo, ary ny hanome fitsaharana
anareo izay ampahorina” 1 Tes.1:6-7a.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Sites
www.flm67ha.org sy www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *