Fiombonam-bavaka Alahady II manaraka ny Epifania Herinandro 16 – 21 Janoary 2017

FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha
Fiombonam-bavaka Alahady II manaraka ny Epifania
Herinandro 16 – 21 Janoary 2017
“ Ny Mesia tonga hanompo ”
*

Fitarihan-kevitra: Ny Mesia no Iraka voahosotr’Andriamanitra mba hanao fanompoana mitondra fanavotana ho an’ny olona. Tanteraka
taminy ny tenin’ny mpanao Salamo manao hoe: ”Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba sitrakao … ny fanatitra dorana
sy ny fanatitra noho ny ota tsy mba nilainao; Dia hoy izaho:inty aho tonga ao amin’ny horonam-boky no nanoratana ahy. Ny hanao ny
sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalanao no ato anatiko” Sal.40:6-8. Koa dia hoy ny Tompo manandratra Azy manao hoe:
”Indro, ny Mpanompoko ho hita ho hendry*, hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra » Is.52:13.

Alatsianiny 16: Ny Mesia tonga hanompo.
“Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro” Mat.20:28.
Vakiteny 1: Isa.53:4-10. Vakiteny 2: Mat.20:21-28. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2: Mat.20:28. Teny manampy:
– “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany” Jao.4:34.
– “Tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny
endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona” Fil.2:6b-7.

Talata 17: Ny Mesia tong hitondra ny hafatr’Andriamanitra.
“Mpaminany no hatsangako ho azy avy amin’ny rahalahiny, …, ka hataoko ao am-bavany ny teniko” Deo.18:18a.
Vakiteny 1: Mat.17:1-6. Vakiteny 2: Deo.18:15-19. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2: Deo.18:18. Teny manampy:
– “Dia naninjitra ny tànany Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao
ny teniko” Jer.1:9.
– “Fa tsy Hianareo no miteny, fa ny Fanahin’ny Rainareo no miteny ao anatinareo” Mat.10:20.

Alarobia 18: Ny Mesia tonga hanao fampihavanana.
“Fa Izy no fihavanantsika” Efes.2:14a.
Vakiteny 1: Heb.9:15-22. Vakiteny 2: Efes.2:10-16. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2: Efes.2:14. Teny manampy:
– “Ary izy handeha eo alohany amin’ny fanahy sy ny herin’i Elia mba hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ary ny tsy
manoa ho amin’ny fahendren’ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an’ny Tempo (Mal.3:23,24)” Lio.1:5-17.
– “Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa
napetrany aminay ny teny fampihavanana… solon’i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe: mihavàna
amin’Andriamanitra anie hianareo” 2 Kor.5:19,20.

Alakamisy 19: Ny Mesia tonga hamonjy ny mpanota.
“Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very” Lio.19:10.
Vakiteny1: Ezek.34:11-16. Vakiteny 2: Lio.19:1-10. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2: Lio.19:10. Teny manampy:
– “Fa famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà, ary fahalalana an’Andriamanitra noho ny fanatitra dorana”
Hos.6:6.
– “Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary. Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe:
Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà (Hos 6:6); fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota”
Mat.9:12-13.

Zoma 20: Ny Mesia tonga hitondra famelan-keloka.
“Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” Jao.1:29b.
Vakiteny 1: Rom.8:28-34. Vakiteny 2: Jao.1:24-31. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2: Jao.1:29. Teny manampy:
– ”Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah
ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy” Isa.55:7-8.
– ”Anaka, izany zavatra izany no soratako ny aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana
Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina; ary Izy no avotra [na: fanatitra fampiononampahatezerana]
noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa” 1 Jao.2:1-2.

Sabotsy 21: Ny Mesia tonga hanome fiainana mandrakizay.
“Fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay” Jao.4:14.
Vakiteny 1: Isa.55:1-3. Vakiteny 2: Jao.4:4-26. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2: Jao.4:13-14. Teny manampy:
– “Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. Izay mino Ahy, dia hisy onin’ny rano velona
miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan’ny Soratra Masina. Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin’ny mino Azy, no
nolazainy tamin’izany” Jao.7:37-39.
– “Ary izy naneho ahy onin’ny ranon’aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin’ny seza
fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry teo afovoan’ny lalambeny. Ary teny andaniny roa amin’ny ony nisy
hazon’aina mamoa voa roa ambin’ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin’ny hazo dia ho fanasitranana
ny firenena maro” Apok.22:1-2.

 

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Sites
www.flm67ha.org sy www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *