Fiombonam-bavaka Alahady V manaraka ny Epifania Herinandro 06 – 11 Febroary 2017

FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha
Fiombonam-bavaka Alahady V manaraka ny Epifania
Herinandro 06 – 11 Febroary 2017
“ Ny mino matoky an’Andriamanitra ”
*

Fitarihan-kevitra: Toetra maha-mpino ny mino ny matoky an’Andriamanitra. Tsy ny “haben’ny finoana” anefa no voalohan-daharana
amin’Andriamanitra, fa ny fahamarinany. Fa hoy ny Tompo: “Raha manana finoana na dia hoatra ny voan-tsinapy iray aza hianareo, dia
azonareo lazaina amin’io vorihazo io hoe: Miongota, ary aoka hambolena ao anatin’ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy” Lio.17:6. Ny
fahamarinan’ny finoana tokoa no tadiavin’Andriamanitra ka itenenany manao hoe:”Ny marina amin’ny finoana no ho velona” Hab.2:4. Zavadehibe
iankinan’ny fahazoana ny famonjena ny fahamarinan’ny finoana, ka nampitandreman’i Jesosy araka ny teniny manao hoe: “Raha
avy ny Zanak’olona moa hahita finoana etỳ ambonin’ny tany va Izy?” Lio.18:8.

Alatsinainy 06: Ny mino matoky an’Andriamanitra ka mandray ny fitahiany.
“Hotahina izay olona matoky an’i Jehovah, dia izay manana an’i Jehovah ho tokiny” Jer.17:7.
Vakiteny 1: Sal.37:1-7. Vakiteny 2: Jer.17:5-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jer.17:7. Teny manampy:
– “Minoa an’i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra hianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina hianareo” 2
Tan.20:20b.
– “Aza matoky ny fanaovana an-keriny, ary aza miantehitra amin’ny halatra; raha mitombo ny harena, dia aza anorenana ny
fonareo” Sal.62:10.
– “Ary tsy niahanahana ny amin’ny teny fikasan’Andriamanitra tamin’ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin’ny finoana ka
nanome voninahitra an’Andriamanitra ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa. Dia nisaina ho
fahamarinany izany” Rom.4:20-22.

Talata 07: Ny mino matoky an’Andriamanitra mihoatra noho ny olona.
“Jesosy Irery ihany” Mat.17:8.
Vakiteny 1: 1 Kor.1:10-18. Vakiteny 2: Mat.17:1-8. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.17:8. Teny manampy:
– “Jehovah no reharehan’ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho faly” Sal.34:2.
– “Fa izay mirehareha, dia aoka Jehovah no ho reharehany” Jer.9: 23.
– “Ka dia aza misy manao olona ho reharehany; fa anareo ny zavatra rehetra” 1 Kor.3:21.
– “Mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy” Heb.12:2.

Alarobia 08: Ny mino matoky famindrampon’Andriamanitra.
“Matokia, anaka; voavela ny helokao” Mat.9:2b.
Vakiteny 1: Sal.103:1-8. Vakiteny 2: Mat.9:1-8. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.9:2. Teny manampy:
– “Nefa Andriamanitra kosa be famindram-po, dia mamela heloka ka tsy mandringana; eny, nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy
nofohaziny avokoa ny fahavinirany, Fa nahatsiaro Izy fa nofo ihany ireo, dia rivotra izay mandalo ka tsy miverina intsony”
Sal.78:32-39.
– “Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony”
Jao.8:11b.

Alakamisy 09: Ny mino matoky ny famonjen’Andriamanitra.
“Fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah” Jer.1:19b.
Vakiteny 1: Mat.9:18-26. Vakiteny 2: Jer.1:11-19. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.9:22. Teny manampy:
– “Ny famonjena ahy dia avy amin’i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany” Sal.121:2.
– “Ary hoy izy: Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy” Jao.9:38.
– “Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra, Ilay ho tonga amin’izao tontolo izao”
Jao.11:27.

Zoma 10: Ny mino matoky izay lazain’ny tenin’Andriamanitra.
“Fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko” Mat.8:8b.
Vakiteny 1: 1 Tim.4:1-10. Vakiteny 2: Mat.8:1-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.8:8. Teny manampy:
– “Fa mahitsy ny tenin’i Jehovah, ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa” Sal.33:4.
– “Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra” Lio.1:37.
– “Fa ny Zanak’Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, Izay notorinay teo aminareo, dia izaho sy Silasy ary Timoty, dia tsy eny sy
tsia, fa ao aminy dia eny ihany. Fa na firy na firy ny teny fikasan’Andriamanitra, dia ao aminy ny eny, ary amin’ny alalany koa
ny Amena, ho voninahitr’Andriamanitra amin’ny ataonay” 2 Kor.1:19-20.

Sabotsy 11: Ny mino mitombo amin’ny fitokisana an’Andriamanitra.
“Rehefa maniry, dia lehibe noho ny anana ka tonga hazo’ Mat.13:32b.
Vakiteny 1: 1 Kor.3:1-3a. Vakiteny 2: Mat.13:31-35. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.13:31-32. Teny manampy:
– “Ny teniko tsy mitombo ao anatinareo” Jao.8:37.
– “Kanefa aoka ho amin’ilay efa azontsika sahady no mbola hizorantsika” Fil.3:16.
– “Fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny
voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena” 2 Pet.3:18.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Sites
www.flm67ha.org sy www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”.

© Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *