Fiombonam-bavaka Alahady VI manaraka ny Epifania Herinandro 13 – 18 Febroary 2017

FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha
Fiombonam-bavaka Alahady VI manaraka ny Epifania
Herinandro 13 – 18 Febroary 2017
“ Ny mino miorina amin’ny finoana ”
*

Fitarihan-kevitra: Andro fizahana toetra ny finoana ankehitriny, ka mifanesy ny tafiotra hampisamboaravoara ny sambokelin’ny finoan’ny kristiana. Sahirana izay marivo salosana, mandray am-bovony fa tsy maka fototra, na koa miorina amin’izany. Tsy nanafina Jesosy raha niteny nanao hoe: “raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahina” Mat.24:24b. Fa misy tokoa ireo feo sy fampianarana samihafa izay mitonona ho avy amin’Andriamanitra; nefa tsy izy. Dia nampitandrina i Jaona Apostoly manao hoe: “Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin’Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’izao tontolo izao” 1 Jao.4:1.Inona no atao? Mandinika tsara, mamantatra ny zavatra rehetra, ary mihazona ny fahamarinana (1 Tes.5: 21). Fa ny “fahamarinan’ny finoana” no mahavonjy ny olona. Izany dia ny fahamarinan’ny fototra izay iorenany, ary izy tafatoetra tsara amin’izany, fa “ny marina amin’ny finoana no ho velona” Hab.2:4. Hoy ny Apostoly Paoly: “Miorena tsara, aza miova” 1 Kor.15:58a.

Alatsinainy 13: Ny mino marina amin’ny finoana.
“Ny oloko marina dia ho velon’ny finoana” Heb.10:38a.
Vakiteny 1: Lio.18:1-8. Vakiteny 2: Heb.10:35-39. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Heb.10:38. Teny manampy:
– “Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra?” Jao.11:40.
– “Anaka, aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina” 1 Jao.3:18.

Talata 14: Ny mino miorina amin’ny finoana marina.
“Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy” 1 Kor.3:11.
Vakiteny 1: Ezek.13:1-11. Vakiteny 2: 1 Kor.3:5-15. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Kor.3:11. Teny manampy:
– “Hoy Jesosy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin’ny Soratra Masina hoe: Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano, dia izy no efa natao fehizoro; avy tamin’i Jehovah izao ka mahagaga eo imasontsika? (Sal. 118. 22-23)” Mat.21:42.
– “Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo,
aoka ho voaozona izy. Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa
aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona izy” Gal.1:8-9.

Alarobia 15: Ny mino mahafantatra Izay inoany.
“Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy” Mat.17:5.
Vakiteny 1: 2 Pet.1:12-18. Vakiteny 2: Mat.17:1-9. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.17:5. Teny manampy:
– “Ny ondriko mihaino ny feoko, ary izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy” Jao.10:27.
– “Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy [na: ilay zavatra natolony ahy] mandra-pihavin’izay andro izay.” 2 Tim.1:12.
– “Fa tsy nanaraka izay anganongano noforonin’ny fahafetsen’ny saina izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery sy ny fihavian’i Jesosy Kristy Tompontsika; fa efa hitan’ny masonay ny fiandrianany” 2 Pet 1:16.

Alakamisy 16: Ny mino mandray ny tenin’Andriamanitra.
“Fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy” 2 Pet.1:21b.
Vakiteny 1: Jao.12:44-50. Vakiteny 2: 2 Pet.1:12-18. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 2 Pet.1:20-21. Teny manampy:
– “Dia novakiny mazava ny teny tao amin’ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra, sady nohazavainy tsara ny heviny, ka dia azon’ny
olona tsara ny teny novakina” Neh.8:8.
– “Maria no efa nifidy ny anjara tsara izay tsy halaina aminy” Lio.10:42.
-“Ary ny toe-panahin’ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin’ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan’andro, na marina izany, na tsia” Asa.17:11.

Zoma 17: Ny mino mitombo amin’ny finoana.
“Ary hoy ny Apostoly tamin’ny Tompo: Ampitomboy ny finoanay” Lio.17:5.
Vakiteny 1:Kol.1:9-13. Vakiteny 2: Lio.17:1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.17:5. Teny manampy:
– “Ary nandroso sy niely ny tenin’Andriamanitra” Asa.12:24.
– “Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo. ry rahalahy, fa mahamendrika iany, satria mitombo fatratra ny finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo rehetra” 2 Tes.1:3.
– “Mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin’ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto [na: mitombo amin’izany] amin’ny fisaorana” Kol.2:7.

Sabotsy 18: Ny mino maharitra amin’ny finoana.
“Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova” 1 Kor.15:58a.
Vakiteny 1: Mat.7:24-29. Vakiteny 2: 1 Kor.15:50-58. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Kor.15:58. Teny manampy:
– “Fa hianao kosa mahonona tena amin’ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan’ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao. Fa izaho dia efa hatolotra [gr. haidina ho fanatitra aidina] sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko. Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho” 2 Tim.4:5-7.
– “Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao” Apok.3:11.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny sites
www.flm67ha.org sy www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”.

© Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *