Herinandro 20 – 25 Febroary 2017 “ Matokia ny tenin’Andriamanitra ”

FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha
Fiombonam-bavaka Alahady VIII alohan’ny Paska
Herinandro 20 – 25 Febroary 2017
“ Matokia ny tenin’Andriamanitra ”
*

Fitarihan-kevitra : Matokia ny tenin’Andriamanitra satria Mahatoky Izy ka mendrika ny hitokisana. Fa nomen’Andriamanitra tokim-pitahiana ny Isiraely olony fahizay satria very toky izy noho izy nolazoin’ny fahababoana fotoana naharitra tany Babylona. Fa fampahoriana sy fampahantrana indrindra no nihatra taminy, izay nahatonga azy hihevitra fa efa nafoin’Andriamanitra izay Andriamaniny izy. Tsy fanariana anefa ny sesin-tany nahazo azy fa fananaran’Andriamanitra azy mba handeha mahitsy amin’ny lalan’Andriamanitra ka hihazona ny fanekena nataony taminy, dia “Izy ho Andriamaniny ary ny Isiraely ho olony”. Fa ny fizahan’Andriamanitra toetra ny olony dia nataony ho
fanefena azy mba ho marina amin’ny finoana Azy, ka ho velona, fa « izay marina amin’ny finoana no ho velona » Hab.2 :4. Sambatra izay
mino ny tenin’Andriamanitra fa ho tanterahina aminy araka izay inoany. Fa “tsy misy tsy ho tanteraka izay rehetra lazain’ny
tenin’Andriamanitra” Lio.1:37.

Alatsinainy 20: Matokia ny fahatanterahan’ny tenin’Andriamanitra.
“Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako” Isa.55:11a.
Vakiteny 1 : Lio.1:30-38. Vakiteny 2 : Isa.55:10-13. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2 : Isa.55:10-11. Teny manampy:
– “Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak’olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na
efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?” Nom.23:19.
– “Mba ho marina Hianao raha miteny, ary tsy hanan-tsiny raha mitsara” Sal.51:4b.
– “Ary natoky izy fa izay nolazainy dia hainy atao koa” Rom.4:21. [Azo vakina koa ny 2 Mpan.7:16-20].

Talata 21: Matokia ny tenin’Andriamanitra mitondra famonjena.
“Ny fahadalan’ny fitorian-teny no sitrak’Andriamanitra hamonjeny izay mino” 1 Kor.1:21b.
Vakiteny 1 : Asa.4:1-12. Vakiteny 2 : 1 Kor.1:20-25. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2 : 1 Kor.1:21. Teny manampy:
– “Fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko” Lio.7:7b.
– “Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin’ny Jiosy aloha, dia
vao amin’ny jentilisa koa” Rom.1:16.

Alarobia 22: Matokia ny tenin’Andriamanitra manamasina.
“Manamasìna azy amin’ny fahamarinana, ny teninao no fahamarinana” Jao.17:17.
Vakiteny 1 : Efes.5:25-27. Vakiteny 2 : Jao.17:12-19. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2 : Jao.17:16-17. Teny manampy:
– “Efa madio rahateo hianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo” Jao.15:3.
– “Mba hahamasina azy amin’ny anadiovany azy amin’ny rano fanasana amin’ny teny” Efes.5:26.
– “Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin’ny fanarahana ny fahamarinana ho amin’ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra
dia mifankatiava fatratra amin’ny fo; [na:amin’ny fo madio] fa efa teraka indray hianareo, tsy tamin’ny voa mety ho lò, fa
tamin’ny tsy mety ho lò, dia ny tenin’Andriamanitra, izay velona sady maharitra” 1 Pet.1:22-23.

Alakamisy 23: Matokia ny herin’ny tenin’Andriamanitra mamelona.
“Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra” Heb.4:12a.
Vakiteny 1 : Mat.8:16-17. Vakiteny 2 : Heb.4:12-13. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2 : Heb.4:12. Teny manampy:
– “Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko, ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin’ny
firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly” Jer.1:9-10.
– “Dia nandray ny tànan-drazazavavy Izy ka niteny taminy hoe: Talita komy, izany hoe, raha adika: Ry zazavavy, hoy Izaho
aminao: Mitsangàna. Dia nitsangana niaraka tamin’izay razazavavy ka afa-nandeha” Mar.5:41-42.
– “Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. Izy dia tao
amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany. Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao
zavatra ary izao, na dia iray aza. Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona” Jao.1:1-4.

Zoma 24: Matokia ny faharetan’ny tenin’Andriamanitra mandrakizay.
“Ny tany sy ny lanitra ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona” Mat.24:35.
Vakiteny 1 : 1 Pet.1:22-25. Vakiteny 2 : Mat.24:23-35. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2 : Mat.24:35. Teny manampy:
– “Ary ankehitriny, Jehovah Andriamanitra ô, ilay teny nolazainao ny amin’ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero
ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao” 2 Sam.7:25.
– “Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy, dia ilay teny izay voadidiny ho an’ny taranaka arivo mandimby” Sal.105:8.
– “Ary izao no teny fikasana izay nataony tamintsika, dia ny fiainana mandrakizay” 1 Jao.2:25.

Sabotsy 25: Araho ny fahazavan’ny tenin’Andriamanitra.
“Mandehana, raha mbola manana ny mazava hianareo” Jao.12:35b.
Vakiteny 1 : Heb.3:7-19. Vakiteny 2 : Jao.12:35-43. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2 : Jao.12:35-36a. Teny manampy:
– “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao” Sal.119:105.
– “Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny lalàna, Ary lalan’aina ny anatra famaizana” Oha.6:23.
– “Mihainoa Ahy, ry vahoakako, ary atongilano amiko ny sofinareo, ry oloko; fa hisy lalàna hivoaka avy amiko, ary ny
fitsipiko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenena” Isa.51:4.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Sites
www.flm67ha.org sy www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”.

© Madanet

One Comment

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *