Fiombonam-bavaka Alahady III alohan’ny Paska Herinandro 27-01 Avrily 2017

FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha
Fiombonam-bavaka Alahady III alohan’ny Paska
Herinandro 27-01 Avrily 2017
“Ny fanekem-panavotana”
*

Fitarihan-kevitra: Ny hevi-dehibe kendren’ny hoe ”fanekem-panavotana” dia ny fampihavanana ny olona amin’Andriamanitra. Mila fatorana amin’ny fanekena izany, dia antoka izay anorenan’Andriamanitra ny fikasam-panavotana izay tiany hotanterahina. Tandrify izany indrindra ny teny fianianana izay nataon’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny olona sy ny firenena voafidiny, na ny Isiraely izany, na ny
Fiangonan’Andriamanitra manao hoe: ”Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao
ny famindram-poko, ary tsy hitsoaka ny faneken’ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao” Isa.54:10. Ary satria amin’ny alalan’ny
ra no amehezana ny fanekem-panavotana, dia natolotry ny Ray ho antsika Jesosy Kristy Zanany araka ny nanondroan’i Jaona mpanao
batisa Azy manao hoe : ”Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra na: mitondra] ny fahotan’izao tontolo izao!” Jao.1:29b. Koa
izay mino ny asa fanavotana nataon’i Jesosy ho famelan-keloka (Efes.1:7), dia ampihavanin’Andriamanitra amin’ny tenany, ary ataony ho
zanaka mpandova Azy (Rom.8:17) mba hahatanteraka araka ny voasoratra hoe: ”Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy hianao” Isa.43:1b.

Alatsinainy 27: Ny Mesia, ”fanekem-panavotana” ho an’ny olona.
”Hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an’ny olona”Isa.49:8b.
Vakiteny 1: Mar.14:17-24. Vakiteny 2: Isa.49:8-13. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2: Isa.49:8. Teny manampy:
– “Ary hanao fanekem-pihavanana ho azy Aho, ka ho fanekena mandrakizay eo aminy izany, ary hametraka sy hahamaro azy
Aho sady hametraka ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay” Ezek.37:26.
– “ Koa amin’izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe
mamindra fo sy mahatoky ny amin’Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona” Heb. 2:17.

Talata 28: Jesosy no antoky ny fanavotana ny aina
”Izaho no mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony” Jao.6:35.
Vakiteny 1: Eks.16:21-30. Vakiteny 2: Jao.6:30-36. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.6:35. Teny manampy:
– “Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay” Jao.3:36a.
– “Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro
farany” Jao.6:54.
– “Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.” Jao.10:10b.

Alarobia 29: Fahasambarana no ao amin’ny toeram-panavotana.
“ Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao; hidera Anao mandrakariva izy” Sal.84:4.
Vakiteny 1: Jao.8:31-35. Vakiteny 2: Sal.84:1-4. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Sal.84:4. Teny manampy:
– “ Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; Te-ho voky ny zava-tsoa ao amin’ny tranonao izahay
dia ny zava-masina ao amin’ny tempolinao” Sal.65:4.
– “Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay
itoerako no hitoeranareo koa” Jao.14:3.

Alakamisy 30: Fiainana mandrakizay no lovam-panavotana.
”Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay” Jao.6:27a.
Vakiteny 1: 1 Kor.15:13-22. Vakiteny 2: Jao.6:24-29. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.6:27. Teny manampy:
– “Nahoana hianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin’izay tsy mahavoky?
Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin’ny matavy ny fanahinareo” Isa.55:2.
– “Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy?” Mat.16:26a.
– “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany” Mat.6:33.

Zoma 31: Finoana no andraisana ny fanavotana mandrakizay.
”Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay” Jao.11:26.
Vakiteny 1: Apok.14:12-16. Vakiteny 2: Jao.11:17-27. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.11:25-26.
– “Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino hianao, dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra?” Jao.11:40.
– “Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty aza; ary hoatra ny avy tamin’izany no nandraisany azy”
Heb.11 :19.

Sabotsy 01: Izay te-ho velona dia miala amin’ny fahotana.
” Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho
handray anareo” 2 Kor.6:17.
Vakiteny 1: Jao.5:1-14. Vakiteny 2: 2 Kor.6:14-18. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 2 Kor.6:17. Teny manampy:
– “ Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny
hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin’ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho
faty hianareo, ry taranak’Isiraely?” Ezek.33:11.
– “Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota
aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy” Apok.18:4.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Sites
www.flm67ha.org sy www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”.

© Madanet

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *