FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha
Fiombonam-bavaka Alahady II alohan’ny Paska
Herinandro 03-08 Avrily 2017
“Andriamanitra manao fanekena”
*
Fitarihan-kevitra: Andriamanitra manao fanekena amin’ny olona mba hahatonga fitahiana ho azy sy ny taranany, ary amin’ny alalan’izany dia ho an’ny firenena rehetra maneran-tany koa. Ny olona fantany sy azony ametrahana ny fitokisany no anaovany fanekena, dia izay mahatoky ka tsy hivadika Aminy sy miray antoka Aminy. Fa hoy ny Tompo tamin’i Abrahama ”Ny tenako no nianianako, hoy Jehovah:
Satria nanao izany zavatra izany hianao ka tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao, dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro
ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina; ary ny taranakao hahazo ny
vavahadin’ny fahavalony; ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, satria nanaiky ny teniko hianao”
Gen.22:16-18. Dia amin’ny alalan’izany no ampaharetany indrindra koa ny fanekeny mba hahatanteraka fitahiana mandrakizay. Fa hoy Izy:
”Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin’ny taranakao mandimby anao hatramin’ny taranaka fara mandimby, ho fanekena
mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.” Gen.17:7. Hazony ny fanekena mba hihazonany anao!
Alatsinainy 03: Andriamanitra manao fanekena amin’izay manaiky Azy.
“Ho fitahiana tokoa hianao” Gen.12:2b.
Vakiteny 1: Isa.65:8-16. Vakiteny 2: Gen.12:1-3. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Gen.12:2. Teny manampy:
– “Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny [ampio hoe: na vady], na zanaka, na tany,
noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay.” Mat.19:29.
– “Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery ary; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny
filazantsara, dia hamonjy izany” Mar.8:35.
Talata 04: Andriamanitra manatanteraka ny teny fanekeny.
“Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanatanterahako ny teny soa, izay nolazaiko” Jer.33:14a.
Vakiteny 1: Lio.1:30-38. Vakiteny 2: Jer.33:14-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jer.33:14. Teny manampy:
– “Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak’olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na
efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?” Nom.23:19.
– “Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra” Lio.1:37.
– “Fa ny Zanak’Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, Izay notorinay teo aminareo, dia izaho sy Silasy ary Timoty, dia tsy eny sy
tsia, fa ao aminy dia eny ihany” 2 Kor.1:19.
Alarobia 05: Ny teny fikasana dia tanterahin’Andriamanitra amin’izay matoky Azy.
“Ary sambatra hianao izay nino; fa hefaina izay zavatra nampilazain’ny Tompo taminao” Lio.1:45.
Vakiteny 1: Gen.18:6-15. Vakiteny 2: Lio.1:39-45. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.1:45. Teny manampy:
– “Ary Jesosy niteny tamin’ilay kapiteny hoe: Mandehana; tongava aminao araka ny ninoanao. Dia sitrana tamin’izany ora
izany ilay ankizilahy” Mat.8:13.
– “Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao. Dia sitrana ny
zananivavy tamin’izay ora izay” Mat.15:28.
– “Ary tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: « Ary Abrahama nino an’Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany »
(Gen.15.6), ary natao hoe « Sakaizan’Andriamanitra » izy (Isa.41:8)” Jak.2:23.
Alakamisy 06: Jesosy Kristy no fehin’ny faneken’Andriamanitra.
“Mpanalalana amin’izay fanekena vaovao Izy” Heb.9:15a.
Vakiteny 1: Jao.6:47-58. Vakiteny 2: Heb.9:11-15. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Heb.9:15. Teny manampy:
– “Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin’ny rako” 1 Kor.11:25a.
– “Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin’ny Fanahy iray ho any amin’ny Ray. Koa dia tsy mba vahiny sy
mpivahiny intsony hianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’Andriamanitra,
natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra” Ef.2:18-20.
Zoma 07: Andriamanitra mihazona ny fanekeny.
“Tsy hitsoaka ny faneken’ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao” Isa.54:10b.
Vakiteny 1: 2 Tim.2:8-13. Vakiteny 2: Isa.54:5-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.54:10. Teny manampy:
– “Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin’ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety
manadino ihany izy, Fa Izaho kosa tsy mba manadino anao. Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako hianao, ary ny
mandanao dia eo anatrehako mandrakariva” Isa.49:15.
– “amin’ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony
fahagola” Tit.1:2.
Asabotsy 08: Andriamanitra manamafy orina ny fanekeny amin’ny olony.
“Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, sady hosoratako ao am-pony” Heb.8:10.
Vakiteny 1: Jao.14:22-26. Vakiteny 2: Heb.8:8-13. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Heb.8:10. Teny manampy:
– “Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao” Sal.119:11.
– “Fa Maria kosa nitadidy izany teny rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony” Lio.2:19.
Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Sites
www.flm67ha.org sy www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”.
© Madanet