FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha
Fiombonam-bavaka Alahady Paska I & II
Herinandro 17-22 Avrily 2017
“ Kristy nitsangana tamin’ny maty ”
*
Fitarihan-kevitra: ”Kristy nitsangana tamin’ny maty” dia fanehoana ny voninahitr’Andriamanitra indrindra, dia ny fahefan’Andriamanitra
amin’ny zavatra rehetra, na amin’ny fiainana na amin’ny fahafatesana. Izany no nampiloa-bava izay nahalala Azy, tahaka an’i Davida izay
niteny nanao hoe: ”Jehovah ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay” 1
Tan.17:20. Ary Izy rahateo efa niteny nanao hoe: “Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka
Ahy” Isa.46:9b. Fa amin’izany, ”izay tsy hain’ny olombelona dia hain’Andriamanitra” Lio.18:27. Ny finoana izany no nanamarinana an’i
Abrahama, fa izy ”natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa” Rom.4:21.Koa dia ”nisaina ho fahamarinany izany”, izany hoe
antony nahazoany sitraka teo imason’Andriamanitra (Heb.11:6). Ny fitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty koa anefa dia mikenfry ny
hananganana antsika olombelona izay maty noho ny ota, fa ”ny ota no fanindronan’ny fahafatesana” 1 Kor.15:56a. Izany dia ny mba
hahatanteraka ny planin’Andriamanitra araka ny voasoratra hoe: ”Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia
an’Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo, satria izay fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin’ny Zanany,
mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy” Rom.8:28-29. Minoa ny asan’Andriamanitra, dia Jesosy Kristy nitsangana tamin’ny maty! Fa
izay mino Azy no ho velona tahaka Azy, fa “izay mino ny Zanaka no manana fiainana mandrakizay” Jao.3:36a.
Alatsinainy 17: Misandratra Jesosy ho famonjena ny mpanota.
“Indro, ny Mpanompoko … hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra” Isa.52:13.
Vakiteny 1: Jao.12:27-33. Vakiteny 2: Isa.52:13-15. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.52:13. Teny manampy:
– “Ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona, mba hanana
fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy” Jao.3:14-15.
– “Mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any
ambanin’ny tany, sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray” Fil.2:10-11.
Talata 18: Atsangana ny maty.
“Raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana” 1 Kor.15:16.
Vakiteny 1: Jao.11:21-27. Vakiteny 2: 1 Kor.15:12-21. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Kor.15:16-17. Teny manampy:
– “Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny
malahelo dia itoriana ny filazantsara” Mat.11:5.
– “Fa Izy tsy mba Andriamanitry ny maty, fa an’ny velona; fa velona ho an’Andriamanitra avokoa izy rehetra” Lio.20:38.
– “Araka ny voasoratra hoe: Nataoko ho rain’ny firenena maro hianao (Gen.17:5) – teo anatrehan’izay ninoany, dia
Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy” Rom.4:17.
Alarobia 19: Efa nitsangana Jesosy.
“Tsy ato Izy, fa efa nitsangana » Lio.24:6a.
Vakiteny 1: Isa.8:11-19. Vakiteny 2: Lio.24:1-9. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.24:5-6. Teny manampy:
– “Ary hitany fa, indro, ny vato efa voakodia niala tamin’ny fasana” Lio.24:2.
– “Ary tamin’izay dia niditra koa ny mpianatra anankiray izay tonga taloha teo amin’ny fasana, ary nahita ka nino” Jao.20:8.
– “Ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo” 1 Kor.15:14.
Alakamisy 20: Jesosy Kristy nandresy ny fahafatesana.
“Havotako tsy ho azon’ny herin’ny fiainan-tsi-hita izy” Hos.13:14a.
Vakiteny 1: Heb.1:10-15. Vakiteny 2: Hos.13:14. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Hos.13:14a. Teny manampy:
– “Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany koa no ameloman’ny Zanaka izay tiany” Jao. 5:21.
– “Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray”
Jao.11:25.
Zoma 21: Minoa ny teny vavolombelona.
“Efa nahita ny Tompo aho” Jao.20:18b.
Vakiteny 1: 1 Kor.15:1-11. Vakiteny 2: Jao.20:11-18. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.20:18. Teny manampy:
– “Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona” Mat.16:16.
– “Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay” Asa.4:20.
– “Izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin’ny
Ray sy amin’i Jesosy Kristy Zanany” 1 Jao.1:3.
Sabotsy 22: Jesosy Kristy Velona mandrakizay .
“Efa maty Aho, nefa indro, velona mandrakizay mandrakizay” Apok.1:18.
Vakiteny 1: Joba 19:25-27. Vakiteny 2: Apok.1:12-18. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Apok.1:17-18. Teny manampy:
– “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy,
Izay efa nirahinao” Jao.17:3.
– “Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy tamin’ny maty” Asa.13:30.
Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Sites
www.flm67ha.org sy www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”.
© Madanet