FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha
Fiombonam-bavaka Alahady II manaraka ny Paska
Herinandro 01-06 Mey 2017
“Andriamanitra miahy ny ondriny”
*
Fitarihan-kevitra: Andriamanitra miahy ny ondriny satria Izy tia azy. Ny hoe ”miahy” dia ny mitsinjo, miaro amin’ny loza sy ny fahavalo ary ny fahafatesana, ary indrindra ny mamelona, manome aina. Mazava ny fanambarana nataon’i Jesosy momba izany manao hoe: ”Izaho no
vavahady; raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina. Ny mpangalatra tsy avy raha tsy
hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be” Jao.10:9-10. “Mpiandry Tsara” tokoa
Jesosy ka manome ny ainy hamonjy ny ondriny (Jao.10:11). Ny ondrin’Andriamanitra dia izay rehetra manaiky Azy ho Tompony sy Rainy ka
mahafantatra fa sarobidy indrindra ny fitiavany izay miahy azy; ary dia afaka hiteny izy ireo manao hoe: “Fa Izy no Andriamanitsika; Ary
olona fiandriny sy ondry tandremany isika” Sal.95:7a. Eny, ”Izy no nanao antsika, ary Azy isika, dia olony sy ondry fiandriny.” Sal.100:3b. Dia miantso sy manendry ny mpianany sy ny mpanompony rehetra ny Tompo mba hiahy ny ondriny, ary dia manome ohatra ho tahafin’izy ireo amin’ny maha-Mpiandry Tsara Azy, ka mitaona azy mba hanao toy ny nataony manao hoe: “Lazaiko aminareo marina dia marna tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa” Jao.14:12°. Tsy inona izany fa ny miahy ny ondrin’Andriamanitra.
Alatsinainy 01: Ny tokim-piahiana omen’Andriamanitra.
“Indro, Izaho, eny, Izaho no hiahy ny ondriko” Ezek.34:11.
Vakiteny 1: Jao.10:1-10. Vakiteny 2: Ezek.34:11-16. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Ezek.34:11. Teny manampy:
– “Hianao izay efa notantanako avy tany amin’ny faran’ny tany ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hoe:
Mpanompoko ianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako” Isa.41:9.
– “Fa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Hampiseho voninahitra no nanirahany ahy tany amin’ny firenena izay
namabo anareo; fa izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony” Zak. 2:12.
– “Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana” Lio.12:32.
Talata 02: Izay tia ny Tompo dia miahy ny ondriny.
“Andraso ny ondriko” Jao.21:16b.
Vakiteny 1: Kol.1:24-29. Vakiteny 2: Jao.21:15-25. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.21:15-17. Teny manampy:
– “Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa” Jao.14:12a.
– “Andraso ny ondrin’Andriamanitra izay eo aminareo [na: izay andraikitrareo], mitandrina azy tsy an-tery, fa amin’ny
sitrapo,[araka an’Andriamanitra]; tsy amin’ny fitiavana harena maloto, fa amin’ny zotom-panahy; tsy ho mpanjakazaka,
amin’ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran’ny ondry” 1 Pet.5:2a.
Alarobia 03: Ny mpiandry mahatoky manda tena hiahy ny ondriny.
“Ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry” Jao.10:11b.
Vakiteny 1: Isa.46:3-10. Vakiteny 2: Jao.10:11-16. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.10:11. Teny manampy:
– “fa ny raiko niady ho anareo sady nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namonjy anareo tamin’ny tanan’ny Midiana” Mpit.9:17.
– “lehilahy izay nanao ny ainy tsy ho zavatra ho voninahitry ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika” Asa.15:26.
– “Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesosy
Tompo hanambara ny filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra” Asa.20:24.
Alakamisy 04: Ny Mpiandry miahy ny fanahin’ny ondriny.
“Isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika” Heb.4:15a.
Vakiteny 1: Jao.13:1-5. Vakiteny 2: Heb.4:14-16. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Heb.4:15. Teny manampy:
– “Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika” Isa.53:4a.
– “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.
Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny
fanahinareo hianareo.Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako” Mat.11:28-30.
Zoma 05: Andriamanitra miahy ny ain’ny olony.
“Ny Anjelin’i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy” Sal.34:7a.
Vakiteny 1: Mat.10:22-33. Vakiteny 2: Sal.34:1-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Sal.34:7. Teny manampy:
– “Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason’ny fahavaloko hianao; manosotra diloilo ny lohako hianao” Sal.23:5
– “Izaho hilaza an’i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako” Sal.91:2.
– “Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay,
ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ny tanako. Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy
rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin’ny tanan’ny Ray. Izaho sy ny Ray dia iray ihany” Jao.10:27-30.
Sabotsy 06: Tsy manam-petra ny fiahian’Andriamanitra ny ondriny.
“Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao” Jer.31:3.
Vakiteny 1: Heb.13:5-6. Vakiteny 2: Jer.31:1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jer.31:3. Teny manampy:
– “Ary talohan’ny andro firavoravoana tamin’ny Paska, satria fantatr’i Jesosy fa tonga ny fotoana hialany amin’izao tontolo
izao ho any amin’ny Ray, ary efa tia ny Azy izay amin’izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin’ny farany” Jao.13:1.
– “Ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao” Mat.28:20b.
Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Sites
www.flm67ha.org sy www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”.
© Madanet