Fiombonam-bavaka Alahady III manaraka ny Paska Herinandro 08-13 Mey 2017

FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha
Fiombonam-bavaka Alahady III manaraka ny Paska
Herinandro 08-13 Mey 2017
“Andriamanitra, fanantenan’ny mino”
*

Fitarihan-kevitra: Andriamanitra, fanantenan’ny mino, dia izay miandrandra ny famonjeny sy matoky ny famindrampony. Fa manaiky ho
hitan’izay rehetra mitady Azy Izy ary mampahita fitia azy eo imasony araka ny voasoratra hoe: “fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy
maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy” Heb.11:6b. Fa maro sy samihafa ny antony mety mampitanondrika ny
lohan’ny olona eo amin’ny fiainany. Mampahery azy kosa ny Tompo amin’ny adiny rehetra mba hatoky Azy sy hanantena ny famonjeny mba
hahazoany miteny tahaka ny mpaminany hanao hoe: “Aza mifaly ahy, ry fahavaloko, Fa na dia lavo aza aho, mbola hiarina ihany; Raha
mitoetra ao amin’ny maizina aho, dia Jehovah no fahazavana ho ahy” Mika 7:8. Fa mampahery ny finoan’ny olona ny fanantenana ny
famonjen’Andriamanitra mba hahazoany miteny hanao hoe: “Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, Ary tsy misy voany ny voaloboka, Na
dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, Na dia vonoina aza ny ondry ao amin’ny vala, Ary tsy misy
omby ao am-pahitra. Izaho kosa dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena ahy” Hab.3:17-18.
Novangian’ny Fanahin’Andriamanitra ny razana fahiny ka niloa-bava nanao hoe: ”Andriamanitra tsy andrin’ny olona, andriko ihany”. Ho
an‘izay mino ny Filazantsara, dia tafaorina ao anatiny ny fanantenana an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra, fa voasoratra hoe: “izay efa
tian’Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren’ny voninahitr’ity zava-niafina ity any amin’ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay
fanantenana ny voninahitra” Kol.1:27. Hoy ny baikon’ny Soratra Masina: “Manantenà an’i Jehovah, ry Isiraely; Fa eo amin’i Jehovah no misy
famindram-po sy fanavotana be” Sal.130:7.

Alatsinainy 08: Andriamanitra tsy manosi-bohon-tanana izay manantena ny famonjeny
“Tsara Jehovah amin’izay manantena Azy, dia amin’ny olona izay mitady Azy” Fit.Jer.1:25.
Vakiteny 1: Rom.8:31-34. Vakiteny 2: Fit.Jer.3:18-26. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Fit.Jer.3:22-24. Teny manampy:
– “Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia hianareo rehetra izay manantena an’i Jehovah” Sal.31:24.
– “Izay rehetra omen’ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy” Jao.6:37.

Talata 09: Andriamanitra, fanantenan’ny mpanota.
”Izaho koa dia tsy manameloka anao” Jao.8:11a.
Vakiteny 1: Hos.6:4-11. Vakiteny 2: Jao.8:1-11. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.8:10-11. Teny manampy:
– “Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, fa
hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy” Isa.55:7.
– “Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà (Hos 6:6); fa tsy
tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota” Mat.9:13.

Alarobia 10: Andriamanitra fanantenan’izay manana ady.
“Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao” Jao.16:33b.
Vakiteny 1: Rom.8:31-37. Vakiteny 2: Jao.16:29-33. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.16:33b. Teny manampy:
– “Aza matahotra azy hianareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no hiady ho anareo” Deo.3:22.
– “Nefa izao no lazain’i Jehovah: Na dia ny sambotry ny mahery aza dia halaina ihany, ary ho afaka ny babon’ny
mpandrombaka; fa Izaho no hiady amin’izay miady aminao, ary Izaho no hamonjy ny zanakao” Isa.49:25.
– “Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao” Mat.28:20b.

Alakamisy 11: Andriamanitra manome fanantenam-pahavelomana.
”Nanomezanao Azy fahefana amin’ny nofo rehetra mba hanome fiainana mandrakizay” Jao.17:2.
Vakiteny 1: Sal.25:1-7. Vakiteny 2: Jao.17:1-8. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.17:1-2. Teny manampy:
– “Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome
anareo fanantenana ny amin’ny farany” Jer.29:11.
– “Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy
fiainana” Jao.6:63.
– “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Avy ny andro ary tonga ankehitriny, izay handrenesan’ny maty ny feon’ny
Zanak’Andriamanitra; ary izay mandre dia ho velona” Jao.5:25.

Zoma 12: Andriamanitra tsy mandiso fanantenana ny olony.
Moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?” Nom.23:19b.
Vakiteny 1: 2 Kor.1:15-20. Vakiteny 2: Nom.23:11-20. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Nom.23:19. Teny manampy:
– “Ary mahatò ny tenin’ny mpanompoko sy mahatanteraka ny saina atolotry ny irako” Isa.44:26a.
– “Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra” Lio.1:37.

Asabotsy 13: Manantenà ny famindram-pon’Andriamanitra.
“Fa tsara Jehovah; Mandrakizay ny famindram-pony” Sal.100:5.
Vakiteny 1: Joda 1:17-21. Vakiteny 2: Sal.100:1-5. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Sal.100:5. Teny manampy:
– “Tsy mitsahatra ny fiantrany. Vaovao isa-maraina izany” Fit.Jer.3:22b-23a.
– “Miantombena tsara miandry an’i Jehovah hianao ka manantenà Azy” Sal.37:7a.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Sites
www.flm67ha.org sy www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”.

© Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *