Fiombonam-bavaka Alahady V manaraka ny Paska Herinandro 22-27 Mey 2017

FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha
Fiombonam-bavaka Alahady V manaraka ny Paska
Herinandro 22-27 Mey 2017
“Andriamanitra manao fanekem-pihavanana”
*

Fitarihan-kevitra : Andriamanitra tsy Andriamanitry ny fikotranana, na ny fiantsiana ady, fa Andriamanitry ny fiadanana sy ny fihavanana (1 Kor.14:33). Satria ny olona mpanota nandrafy azy tamin’ny ota, – dia tamin’ny tsy fankatoavana ny didiny, toy ny nataon’i Adama sy Eva tao Edena (Gen.3:6)-, dia nataony izay hahatonga azy hiverina hihavana Aminy ary nanaovany fanekena izany mba hitoetra ka tsy hivadihany. Fa Izy tsy mahafoy ny mpanota ho very, ka dia naniraka ny Zanany Lahitokana, mba hanao asam-panavotana tamin’ny rany (1 Pet.1:19), dia ny famelana ny helotsika mpanota izay efitra nampisaraka antsika tamin’Andriamanitra (Isa.59:1-2). Nafoin’Andriamanitra tokoa Jesosy Kristy Zanany ho avotra aina ho antsika mpanota, ka nanambara ny tenany manao hoe: ”Izaho no Mpiandry Tsara. Ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondriny” Jao.11:10. Dia mbola miantso ny ondriny Izy ka maniraka ny mpanompony hilaza aminy hoe : ”Mihavàna amin’Andriamanitra anie hianareo. Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy kosa isika” 2 Kor.5:20-21. Raha toa ka efa izany, dia manamafy orina ny fihavanany amin’ny mpanota Izy ka miteny aminy hoe: ”Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko” Jer.31:33.

Alatsinainy 22: Andriamanitra manao fanekem-pihavanana.
“Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana” Jer.29:11a.
Vakiteny 1: Jao.3:16-21. Vakiteny 2: Jer.29:11-14 . Toriteny 1(safidy). Toriteny 2: Jer.29:11. Teny manampy:
– “ Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko
anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo” Jao.14:27.
– “Honina eo aminy sy handeha eo aminy ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho oloko (Lev.26:11,12). Koa mivoaha eo aminy
hianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho handray anareo. Ary ho
Rainareo Aho, ary hianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha (Isa.52:11,12)” 2 Kor.6:16b-18.

Talata 23: Jesosy Kristy, Mpiantoka ny fanekem-pihavanana.
“Jesosy ho Mpiantoka ny fanekena tsara lavitra” Heb.7:22.
Vakiteny 1: Isa.49:8-10. Vakiteny 2: Heb.7:18-25. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Heb.7:20-22. Teny manampy:
– “Fa ity no rako, dia ny amin’ny fanekena, izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka” Mat.26:28.
– “Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny
alalako” Jao.14:6.
– “Mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy” Heb.7:25a.

Alarobia 24: Ny fanekem-pihavanana mampiray ny olon’Andriamanitra.
”Izaho ao aminy, ary hianao ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy” Jao.17:23a.
Vakiteny 1: 1 Kor.12:12-20. Vakiteny 2: Jao.17:18-23. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.17:23. Teny manampy:
– “Ary hanangana Mpiandry iray ho azy Aho, Izy no hiandry azy, dia Davida Mpanompoko, ka Izy no hitondra azy sy ho
Mpiandry azy” Ezek.34:23.
– “Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin’ny fitiavako hianareo” Jao.15:9.
– “Mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an’Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika” Rom.15:6.
– “Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana” Efes.2:14.

Alakamisy 25: Ny fanekem-pihavanana, loharanom-pitahiana.
“Dia tandremo ny tenin’izao fanekena izao… mba hambinina hianareo amin’izay rehetra ataonareo” Deo.29:8.
Vakiteny 1: Rom.8:28-32. Vakiteny 2: Deo.29:1-8. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Deo.29:8. Teny manampy:
– “Raha mihaino tsara ny feon’i Jehovah Andriamanitrao hianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao
anio, dia hasandratr’i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin’ny firenena rehetra amin’ny tany hianao; ary ho tonga aminao sy ho
azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao hianao” Deo.28:1-2.
– “Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga
aminareo izany” Jao.15:7.

Zoma 26: Andriamanitra mbola miantso hanao fanekem-pihavanana.
“Mihavàna amin’Andriamanitra anie hianareo” 2 Kor.5:20b.
Vakiteny 1: Lio.19:37-44. Vakiteny 2: 2 Kor.5:17-21. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 2 Kor.5:20. Teny manampy:
– “Fa tsy sitrako ny fahafatesan’izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mibebaha hianareo mba ho velona” Ezek.18:32.
– “Ary tamin’izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny
lanitra” Mat.4:17.

Asabotsy 27 : Hazòny ny fanekem-pihavanana.
“Ary ny fanekena nataoko taminareo dia aza hadinoinareo” 2 Mpanj.17:38a.
Vakiteny 1: Apok.3:7-11. Vakiteny 2: 2 Mpan.17:34-39. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 2 Mpanj.17:38. Teny manampy:
– “Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao; fa izay mivadika foana no ho menatra” Sal. 25:3.
– “Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ny ratsy” Mat. 5:37.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Sites
www.flm67ha.org sy www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”.

© Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *