FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha
Fiombonam-bavaka Pentekosta I sy II
Herinandro 05-10 Jona 2017
“Ny Fanahy Masina, Andriamanitra amin’ny olony”
*
Fitarihan-kevitra : ”Andriamanitra amin’ny olony”. Tanteraka tokoa izany amin’ny alalan’ny fahatongavan’ny Fanahy Masina. Fa ny
fanomezan’Andriamanitra ny Fanahy Masina dia endriky ny fanehoany ny fahafenoan’ny fitiavany indrindra koa, dia toy ny nanomezany an’i
Jesosy Kristy, Zanany Lahitokana, ”mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” Jao.3:16b. Izany no
hahatanterahan’ny teny fampiononana sady fanomezan-toky nataon’i Jesosy tamin’ny mpianany raha hoy Izy: ”Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho” Jao.14:17. Fa naoriny lalina ao am-pon’ny olony tokoa ny hananany firaisana Aminy ka hoy Jesosy: “Ary Izaho hangataka amin’ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra [gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin’ny fahamarinana, Izay tsy azon’izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa hianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo” Jao.16:16-17. Ary dia mbola ibaikony ny olony koa manao hoe: “Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray amiko” Jao.15:4, “Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin’ny fitiavako hianareo” Jao.15:9.
Alatsinainy 05: Andriamanitra amin’ny olony.
“Handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho” Joe.3:1a.
Vakiteny 1: Asa.2:1-4. Vakiteny 2: Joe.3:1-5. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Joe.3:1-2. Teny manampy:
– “Ary ho fantany fa Izaho no Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta, mba honina eo
aminy Aho; Izaho no Jehovah Andriamaniny” Eks.29:46.
– “Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny nataon’Andriamanitra hoe: Honina eo aminy sy handeha eo aminy Aho,
ary izy ho oloko (Lev.26:11,12)” 2 Kor.6:16.
Talata 06: Ny Fanahy Masina manambara an’Andriamanitra.
“Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy” Jao.15:26b.
Vakiteny 1: Efes.1:17-23. Vakiteny 2: Jao.15:20-26. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.15:26. Teny manampy:
– “Ary dia feno ny Fanahy Masina Zakaria rainy ka naminany hoe” Lio.1:67.
– “Ary Petera, feno ny Fanahy Masina, dia nanao taminy hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholona” Asa. 4:8.
-“Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny
tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana” Asa.4:31.
Alarobia 07: Ny Fanahy Masina mitaona hanatona an’i Jesosy.
“Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy” Jao.6:44a.
Vakiteny 1: Heb.3:7-14. Vakiteny 2: Jao.6:44-51. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.6:44. Teny manampy:
– “Ary tamin’izany rehefa niala teo aminy ireo anjely ireo ka nankany an- danitra, dia niresaka ireo lehilahy mpiandry ondry ka
nanao hoe: Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin’ny Tompo antsika. »
Lio.2:15.
– “Izay rehetra omen’ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy” Jao.6:37.
Alakamisy 08: Ny Fanahy Masina mampiray amin’Andriamanitra.
“Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy” Jao.15:5b.
Vakiteny 1: Sal.92:5-15. Vakiteny 2: Jao.15:1-11. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.15:5. Teny manampy:
– “Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin’ny Zanany, dia Jesosy Kristy
Tompontsika” 1 Kor.1:9.
– “Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan’Andriamanitra ary ny firaisana amin’ny Fanahy
Masina” 2 Kor.13:14.
– “Izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin’ny Ray
sy amin’i Jesosy Kristy Zanany” 1 Jao.1:3.
Zoma 09: Ny Fanahy Masina mampiray ny ankohonan’Andriamanitra.
“Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray” 1 Kor.12:13a.
Vakiteny 1: Sal.133:1-3. Vakiteny 2: 1 Kor.12:12-20. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Kor.12:13. Teny manampy:
– “Ray masina ô, tehirizo ireo amin’ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika” Jao.17:11.
– “Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin’ny fietrena hianareo…” Rom.12:16.
– “Farany, miraisa saina hianareo rehetra. ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo,..” 1 Pet 3:8.
Sabotsy 10: Ny Fanahy Masina mamehy ny fanekena amin’Andriamanitra.
“Hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony” Jer.31:33b.
Vakiteny 1: Jao.14:15-17. Vakiteny 2: Jer.31:31-36. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jer.31:33. Teny manampy:
– “ Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao
dia tsy hiala amin’ny vavanao, na amin’ny vavan’ny taranakao, …., hatramin’izao ka ho mandrakizay, hoy Jehovah” Isa.59:21.
– “Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin’ny taninareo hianareo; ka dia ho
fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny sady nahatanteraka izany, hoy Jehovah” Ezek.37:14.
Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site
www.flm67ha.org sy ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”.
© Madanet