Fiombonam-bavaka Alahady III manaraka ny Trinite Herinandro 03-08 Jolay 2017

FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha
Fiombonam-bavaka Alahady III manaraka ny Trinite
Herinandro 03-08 Jolay 2017
“ Andriamanitra mamindra fo ”
*

Fitarihan-kevitra: Vaovao Mahafaly lehibe indrindra ho antsika mpanota ny hoe “Andriamanitra mamindra fo” amintsika, ka mamela ny heloka amam-pahadisoantsika. Fa hoy Izy: “Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy” Isa.1:18. Famelan-keloka mangarahara no hevitr’izany, dia ny famafana tsy ho eo amin’ny bokin’ny fahatsiarovan’Andriamanitra intsony (Mal.3:16) ny fahadisoana amam-pahotana natao teo imasony (Sal.51:4).Tsy tokony hahadiso hevitra koa anefa fa ny famindrampon’Andriamanitra dia ny hamela ny olona mbola hanota, fa mitaona azy kosa hibebaka sy hiova toetra ka hahafoy ny ratsy fanaony sy ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa ary ny tsy fahamarinana rehetra. Fa “mamela heloka dia mamela heloka” tokoa Izy amin’izay miverina aminy amin’ny fo marina. Fa voasoratra hoe: “Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy” Isa.55:7. Ny famindrampon’Andriamanitra? Mikendry ny fandravana ny efitra mampisaraka ny mpanota aminy (Isa.59:2), sy ny hihavanany Aminy mba handraisany ny famonjeny ho fiainana mandrakizay, fa tsy ny famelana azy mbola hanota ka hahafaty sy hahavery ny fanahiny. Hoy Jesosy : “Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very” Lio.19:10. Meteza ho vonjen’Andriamanitra, dia ny ho afaka amin’ny ota, fa “izay naterak’Andriamanitra tsy mba manota, fa maharesy izao tontolo izao” (1 Jao.3:9, 5:4).

Alatsinainy 03: Andriamanitra tia mamindra fo.
“Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, fa tia famindrampo” Mik.7:18b.
Vakiteny 1: Rom.9:9-16. Vakiteny 2: Mik.7:18-20. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mik.7:18. Teny manampy:
– “Tahaka ny hahavon’ny lanitra ambonin’ny tany no haben’ny famindram-pony amin’izay matahotra Azy” Sal.103:11.
– “Fa famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà, ary fahalalana an’Andriamanitra noho ny fanatitra dorana” Hos.6:6.
– “Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka* izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao
tontolo izao” Jao.3:17.

Talata 04: Ny famindrampon’Andriamanitra tsy mahafoy ny mpanota.
“Ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka” Rom.2:4b.
Vakiteny 1: Lio.15:11-24. Vakiteny 2: Rom.2:1-16. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.2:3-4. Teny manampy:
– “Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin’ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino
ihany izy, Fa Izaho kosa tsy mba manadino anao. Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako hianao, ary ny mandanao dia
eo anatrehako mandrakariva” Isa.49: 15-16.
– “Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao hianao. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina
tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa” Mat.23:42-43.

Alarobia 06: Ny famindrampon’Andriamanitra mitady ny mpanota.
“Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very” Lio.19:10.
Vakiteny 1: Isa.44:19-22. Vakiteny 2: Lio.19:1-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.19:10. Teny manampy:
– “ Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy” Isa.55:6.
– “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana”
Mat.11:28.

Alakamisy 05: Ny famindrampon’Andriamanitra mandray ny mpanota.
“Aoka isika hihinana sy hifaly; fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray” Lio.15:23b-24.
Vakiteny 1: 1 Jao.3:18-24. Vakiteny 2: Lio.15:11-24. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.2:3-4. Teny manampy:
– “Dia hoy izaho: Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra, sady ato amin’ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny
mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ny maro, no efa hitan’ny masoko…. Indro, efa nitehika tamin’ny molotrao io; ka dia afaka ny
helokao, ary voavela ny fahotanao” Isa.6:5-7.
– “Ary, indro, nisy lehilahy anankiray mararin’ny paralysisa nandry tamin’ny fandriana nentin’ny olona teo aminy; ary Jesosy, nony
nahita ny finoan’ireo, dia nanao tamin’ilay mararin’ny paralysisa hoe: Matokia, anaka; voavela ny helokao” Mat.9:2.

Zoma 07: Ny famindrampon’Andriamanitra mamonjy ny mpanota.
“Fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao” Jao.12:47b.
Vakiteny 1: Jer.33:5-11. Vakiteny 2: Jao.12:44-50. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.12.46-47. Teny manampy:
– “Dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra” Mat.4:17.
– “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy,
fa hanana fiainana mandrakizay” Jao.3:16.

Sabotsy 08: Ny famindrampon’Andriamanitra maharitra mandrakizay.
“Amin’ny famindram-po mandrakizay kosa no amindrako fo aminao” Isa.54:8b.
Vakiteny 1: Efes.5:11-17. Vakiteny 2: Isa.54:4-8. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.54:8. Teny manampy:
– “Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindram-poko, ary tsy
hitsoaka ny faneken’ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao” Isa.54:10.
– “Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao” Jer.31:3.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny
Sitewww.flm67ha.org sy ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”.

© Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *