FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha
Fiombonam-bavaka Alahady V manaraka ny Trinite
Herinandro 17-22 Jolay 2017
“ Andriamanitra no Tompo ”
*
Fitarihan-kevitra: Andriamanitra no Tompo. Izy no nahary izao zavatra ary rehetra izao tamin’ny alalan’ny teniny. Fa voasoratra hoe: ”Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. Izy dia tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany. Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza” Jao.1:1-3. Ho fanehoana ny voninahitry ny Anarany no nanaovany izany, anefa koa mba hahatonga fahasoavana ho antsika olombelona izay nohariany hitovy endrika Aminy (Gen.1:26), ka nampanapahany ny zava-boariny rehetra (Gen.1:28). Noho isika lavo tao amin’ny fahotana, dia niseho ho Tompon’ny fanavotana antsika koa Izy (Lio.1:68). Ny maha-Tompo Azy no hanomezana ny haja sy voninahitra Azy. Fa hoy Izy: ”Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon’ny maro” Mal.1:6a. Tombony ho an’izay rehetra manao izany ny fanatanterahan’Andriamanitra ny teniny. Fa hoy ny Apostoly Paoly:” Fa na firy na firy ny teny fikasan’Andriamanitra, dia ao aminy ny eny, ary amin’ny alalany koa ny Amena, ho voninahitr’Andriamanitra amin’ny ataonay” 2 Kor.1:20.
Alatsinainy 17: ANDRIAMANITRA NO TOMPO.
”Ho fantany fa Jehovah no anarako” Jer.66:21b.
Vakiteny 1: 2 Pet.2:1-10. Vakiteny 2: Jer.16:4-21. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jer.16:19-21. Teny manampy:
– “Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra
izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo
anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro” Eks.20:3-5.
– “ Izaho dia Izaho ihany no Jehovah Ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho” Isa.43:11.
Talata 18: ANDRIAMANITRA, TOMPO TSITOHA.
“Mba hohamarinina amin’ny teninao Hianao, ary hahery, rehefa manana ady” Rom.3:4b.
Vakiteny 1: Gen.18:22-33. Vakiteny 2: Rom.3:1-20. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.3:4. Teny manampy:
– “Miasa Aho, ka iza moa no mahasakana izany?” Isa.43:13b.
– “Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin’ny Avo Indrindra hanaloka
anao; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra” Lio.1:35.
Alarobia 19: JESOSY KRISTY ZANAKA NO TOMPO.
“Raby ô, hianao no Zanak’Andriamanitra” Jao.1:49a.
Vakiteny 1: Fil.2:6-10. Vakiteny 2: Jao.1:35-51. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.1:49. Teny manampy:
– “Na inona na inona no hangatahinareo amin’ny Anarako dia hataoko izany” Jao.14:13.
– “Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro (Sal. 118: 22). Ary tsy misy famonjena amin’ny hafa; fa tsy misy
anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena” Asa.4:11-12.
– “ Mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any
ambanin’ny tany, sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray” Fil.2:10-11.
Alakamisy 20: ANDRIAMANITRA TOMPO MAHATÒ NY TENINY.
“Tsy misy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra” Lio.1:37.
Vakiteny 1: Nom.23:13-20. Vakiteny 2: Lio.1:30-38. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.1:37. Teny manampy:
– “ Fa toy ny ranonorana sy ny oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany ka
nampaniry sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an’ny mpamafy sy hanina ho an’ny mpihinana, dia ho tahaka izany ny
teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay
ampandehanako azy” Isa.55:10-11.
– “Mitenena ihany dia ho sitrana ny ankizilahiko” Mat.8:8b.
– “Ary sambatra hianao izay nino; fa hefaina izay zavatra nampilazain’ny Tompo taminao” Lio.1:45.
Zoma 21: ANDRIAMANITRA TOMPO NO ANKATOAVINA.
“He! ny manaraka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran’ondrilahy” 1 Sam.15:: 22.
Vakiteny 1: Mat.7:24-29. Vakiteny 2: 1 Sam.15:16-23. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2:22-23. Teny manampy:
– “Mitenena, Jehovah ô, fa mihaino ny mpanomponao” 1 Sam.3:9.
– “ Fa na iza na iza no hanao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko”.
– “ Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana” Apok.2:7.
Sabotsy 22: ANDRIAMANITRA TSY ATAKALO SAMPY.
“ Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon’ny jentilisa ” 1 Pet.4:3.
Vakiteny 1: Asa.17:22-30. Vakiteny 2: 1 Pet.4:1-7. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Pet.4:3. Teny manampy:
– “Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’iza izay zavatra noharinao?” Lio.12:20.
– “Ka dia aza misy manao olona ho reharehany; fa anareo ny zavatra rehetra” 1 Kor.3:21.
– “Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka
nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be” 1 Tim.6:10.
Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny
Sitewww.flm67ha.org sy ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”.
© Madanet