FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha
Fiombonam-bavaka Alahady VI manaraka ny Trinite
Herinandro 24-29 Jolay 2017
“Andriamanitra Tompon’ny lalàna”
*
Fitarihan–kevitra: Ny hoe ”Andriamanitra Tompon’ny lalàna” dia milaza fa ny momba ny zavatra rehetra nohariana dia samy baikoin’ny lalàna izay nataon’Andriamanitra: ny fiforonana, ny fahaterahana, ny fitomboana, ny fahalehibiazana, ny fahanterana ary ny fahafatesana. Koa dia misy lalàna mifehy azy ny zavatra ary rehetra, manomboka amin’ny zava-miaina kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, dia ny fifandraisantsika olombelona amin’Andriamanitra, ary Izy amintsika. Fa zava-dehiibe amin’Andriamanitra ny fanomezany ny lalàna, ary mahasaro-piaro Azy ny fanajana azy. Mazava sady feno indrindra ny tenin’i Jesosy miaro ny lalàna manao hoe: ”Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan’ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ny lalàna, na dia litera [Dia ny yod, izay litera kely indrindra amin’ny Abidy Hebreo] iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra” Mat.5:18. Ary dia hoy Izy tamin’ny mpianany: ”Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko” Jao.14:15. Natao hitondra fahasoavana tokoa ny lalàna ka hoy Soratra Masina: ”Fa aina ho an’ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an’ny nofony rehetra” Oha.4:22. Fa Andriamanitra, izay ”Andriamanitry ny lalàna”, dia ”Tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana” araka ny 1 Kor.14:33, ka mandrindra ny zavatra rehetra izay nohariany amin’ny alalan’ny lalàna. Izay no antony mahatanteraka ny hasoan’ny zava-boariny araka ny voasoratra hoe: ”Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany” Gen.1:31a
Alatsinainy 24: ANDRIAMANITRA MANOME NY LALÀNA.
“Dia nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe” Eks.20:1.
Vakiteny1: Jao1:1-4. Vakiteny 2: Eks.20:1-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Eks.20:1. Teny manampy:
– “Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Miakara eto amiko eto an-tendrombohitra ka mitœra eto, dia homeko anao ny vato fisaka izay misy ny lalàna sy ny didy, izay nosoratako hampianarina azy” Eks.24:12.
– “Aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman’alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin’izany dia hahalavorary ny lalanao hianao sady hambinina. [Na: ho hita ho hendry]” Jos.1:8.
Talata 25: NY FANKATOAVANA NY LALÀNA, LOHARANOM–PITAHIANA.
“Ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao hianao” Deo.28:2.
Vakiteny 1: Mat.7:24-27. Vakiteny 2: Deo.28:1-13. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Deo.28:1-2. Teny manampy:
– “Raha manaiky sy mankatò hianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin’ny tany” Isa.1:19.
– “Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ny fahafahana, ka maharitra amin’izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin’ny asany izany olona izany” Jak.1:25.
Alarobia 26: NY FINOANA NO MAHATANTERAKA NY LALÀNA.
“Koa mahafoana ny lalàna amin’ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika” Rom.3:31.
Vakiteny 1: Mat.21:18-22. Vakiteny 2: Rom.3:21-31. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.3:30-31. Teny manampy:
– “Finoana no nanateran’i Abela ho an’Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an’i Kaina, ka izany no nanambarana azy fa marina,
satria Andriamanitra no nanambara ny amin’ny fanatitra nataony: ary amin’izany, na dia maty aza izy, dia mbola miteny ihany” Heb.11:4.
– “Ary Jesosy niteny tamin’ilay kapiteny hoe: Mandehana; tongava aminao araka ny ninoanao. Dia sitrana tamin’izany ora izany
ilay ankizilahy” Mat.8:13.
Alakamisy 27: JESOSY FANATANTERAHANA NY LALÀNA.
“Tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka” Mat.5:17b.
Vakiteny 1: Rom.13:10-14. Vakiteny 2: Mat.5:17-19. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.5:17. Teny manampy:
– “Ary Jesosy niteny taminy hoe: Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany” Lio.4:21.
– “Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana” Jao.1:14.
Zoma 28: NY FAHATANTERAHAN’NY LALÀNA.
“Izany didy roa izany no ihantonan’ny lalàna rehetra sy ny mpaminany” Mat.22:40.
Vakiteny 1: 1 Kor.13:4-13. Vakiteny 2: Mat.22:34-40. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.22:40. Teny manampy:
– “Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna” Rom.3:10.
– “Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho. Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho” 1 Kor.13:1-2.
Sabotsy 29: MANKATOAVA NY LALÀN’ANDRIAMANITRA.
“Koa foana ny ivavahan’ireo amiko, raha mampianatra ny didin’olombelona ho fampianarana izy” Mat.15:9
Vakiteny 1: Deo.27:1-10. Vakiteny 2: Mat.15:1-9. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.15:9. Teny manampy:
– “Fa hoy Samoela: Sitrak’i Jehovah moa ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà mihoatra noho ny mihaino ny feon’i Jehovah? He! ny manaraka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran’ondrilahy” 1 Sam.15:22.
– “Fa na iza na iza no hanao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an–danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko” Mat.12:50.
Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny
Sitewww.flm67ha.org sy ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”.
© Madanet