FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha
Fiombonam-bavaka Alahady VII manaraka ny Trinite
Herinandro 31 Jolay – 05 Aogositra 2017
“ Ny fanamarinana ny mpanota ”
*
Fitarihan-kevitra: Asan’Andriamanitra ny fanamarinana ny mpanota, noho ny fitiavany azy tsy ho very na ho faty (Ezek.33:11). Mahavery sy mahafaty tokoa ny ota. Fa ambaran’ny Soratra Masina mazava fa ”ny ota no fanindronan’ny fahafatesana” 1 Kor.15:56, dia fisarahana
mandrakizay amin’Andriamanitra Velona. Fa hoy ny tenin’ny Tompo: ”Indro, ny tànan’i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy
lalodalovana, fa mahare; Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy” Isa.59:1-2. Fa noho ny tsy fahalalana, dia misy lalana heverin’ny olona hitondra azy ho amin’ny fiainana, kanjo mahavery azy ho amin’ny fahafatesana. Zavatra tsy vitan’ny olona ary tsy hainy ny mamonjy ny tenany ho afaka amin’ny fahotana. Fa hoy ny Apostoly Paoly: “Iza no hanafaka ahy amin’ity tenan’ny fahafatesana ity” Rom.7:24. Fa tsy ny fanamarinan-tenan’ny olona no hahavonjy azy, fa ny fanamarinan’Andriamanitra azy. Ny fanamarinan’Andriamanitra ny mpanota? Dia Jesosy Kristy Zanany nataony ho ota mba ho avotra ho antsika (2 Kor.5:21), ”fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin’ny fotoan’andro hamonjy ny ratsy fanahy” Rom.5:6. Vonjen’Andriamanitra tokoa ny ratsy fanahy, dia ny mpanota izay mino Azy, “fa fahafatesana no tambin’ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika” Rom.6:23. Tsy tian’Andriamanitra hohelohina ho faty ny mpanota, fa hamarinina amin’ny finoana mba ho velona; koa ”izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay” Jao.3:36a.
Alatsinainy 31: Andriamanitra mampahery izay mitady fahamarinana.
”Fa ny fanahy ana dia hampisotroiko, ary ny fanahy mihaosa rehetra dia hovokisako” Jer.31:25.
Vakiteny 1: Mat.5:1-6. Vakiteny 2: Jer.31:23-25. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jer.31:25. Teny manampy:
– “Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be” Isa.40:29.
– “Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana” Mat.5:6.
– “Iza no hiampanga ny olom-boafidin’Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy” Rom.8:33.
Talata 01: Ny mpanota hamarinina amin’ny finoana.
“Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao” Lio.17:19.
Vakiteny 1: Rom.3:21-31. Vakiteny 2: Lio.17:11-19. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.17:19. Teny manampy:
– “Izay mino Azy dia tsy helohina; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran’ny Zanaka-lahy
Tokan’Andriamanitra izy”Jao.3:18.
– “Dia hoy Jesosy taminy: Mahirata ny masonao; ny finoanao no efa nahavonjy anao” Lio.18:42.
– “Koa amin’izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan’ny lalàna” Rom.3:28.
Alarobia 02: Ny mpanota hamarinina amin’ny famelan-keloka.
“Sambatra izay olona tsy hisain’i Jehovah heloka” Rom.4:8.
Vakiteny 1: Lio.7:44-48. Vakiteny 2: Rom.4:1-8. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.4:6-8. Teny manampy:
– “Dia nanidina nanatona ahy ny serafima anankiray nitondra vain’afo [Na: vato mahamay] teny an-tànany, izay nalainy tamin’ny
ny tandra avy teo amin’ny alitara. Ary natehiny ny vavako izany, ka hoy izy: Indro, efa nitehika tamin’ny molotrao io; ka dia afaka
ny helokao, ary voavela ny fahotanao” Isa.6:6-7.
– “Matokia, anaka, voavela ny helokao” Mat.9:2.
Alakamisy 03: Ny mpanota hamarinina amin’ny ran’i Jesosy.
“Izy no avotra noho ny fahotantsika” 1 Jao.2:2.
Vakiteny 1: Heb.9:11-15. Vakiteny 2: 1 Jao.2:1-2. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Jao.2:2. Teny manampy:
– “Ny anarany hataonao hoe Jesosy; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany” Mat.1:21.
– “Dia hoy Izaho: Inty Aho tonga – Ao amin’ny horonam-boky no nanoratana Ahy – “Hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô » (Sal.
40.6-8). 8 Rehefa nolazainy teo hoe: « Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho
ny ota » (dia ireny aterina araka ny lalàna) « no tsy ilainao ary tsy sitrakao », dia hoy indray Izy: « Inty Aho tonga hanao ny
sitraponao. » Heb.10:7-9.
Zoma 04: Ny mpanota hamarinina amin’ny vavaka ataon’i Jesosy.
“Kristy Jesosy no…mitoetra eo amin’ny tànana ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika” Rom.8:34.
Vakiteny 1: Heb.7:23-28. Vakiteny 2: Rom.8:31-34. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.8:33-34. Teny manampy:
– “Koa satria Isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesosy, Zanak’Andriamanitra, aoka isika
hihazona ilay efa nekentsika” Heb.4:14.
– “Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina” 1 Jao.2:1b.
Sabotsy 05: Mahavery ny fihatsarambelatsihy.
“Mihevera ka mitandrema hianareo, fandrao azon’ny masirasiran’ny Fariseo sy ny Sadoseo” Mat.16:6.
Vakiteny 1: Gal.2:11-16. Vakiteny 2: Mat.16:5-12. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.16:6. Teny manampy:
– “Koa, indro, hianao dia ataony ho tahaka ny mpanao hira mahafinaritra [Na: kalokalo], izay tsara feo sady mahay mitendry; fa
mandre ny teninao izy, nefa tsy mety mankatò azy” Ezek.33:32.
– “Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony; Fa ny fony kosa lavitra Ahy” Mat.15:8.
– “Anaka, aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina” 1 Jao.3:18.
Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny
Sitewww.flm67ha.org sy ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”.
© Madanet