Fiombonam-bavaka Alahady X manaraka ny Trinite Herinandro 21-26 Aogositra 2017

FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha
Fiombonam-bavaka Alahady X manaraka ny Trinite
Herinandro 21-26 Aogositra 2017
“Ny fivavahana marina”
*

Fitarihan-kevitra: Ny fivavahana marina, dia ny fivavahna izay ankasitrahan’Andriamanitra satria hitany fa marina eo imasony. Izany dia ny fivavahana atao amin’ny fo marina, dia ny fivavahana izay tena iainan’ny olona ao am-pony, dia izay maha-izy azy marina. Fa hoy ny
tenin’Andriamanitra: ”Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako” Oha.23:26. Izany teny izany dia mifototra amin’ny didy lehibe voalohany izay notsiahivin’i Jesosy manao hoe: ”Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra…” Mat.22:37. Fa izay masaka ao am-po no manambara ny fitiavany marina, fa “avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava” hoy Jesosy Mat.12:34. Tsy zakan’Andriamanitra kosa ny mifanohitra amin’izany. Fa hoy ny Tompo raha mananatra ny olony: ”Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony, fa ny fony kosa lavitra Ahy” Mat.15:8. Ny ”fivavahana marina” amin’Andriamanitra dia loharanom-pamonjena sy andraisana ny fahasoavan’Andriamanitra ho an’izay manao izany, ka mahatonga faharisihana sy fahazotoana; koa ny mifanohitra amin’izany dia tsy tian’Andriamanitra, ka hoy Izy: ”Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana hianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana hianao. Fa satria matimaty hianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan’ny vavako hianao” Apok.3:16-17. Dia toraka izany koa ny tsy hahazakany ny fivavahana ”tora-po” sy ”atao tsy sazoka”, ka hoy ny teniny: ”Saronanareo ranomaso sy fitomaniana ary fisentoana ny alitaran’i Jehovah, ka tsy mba jereny intsony ny fanatitra, ary tsy handray fankasitrahana avy amin’ny tananareo Izy” Mal.2:13. Fa valiny lehibe kosa no omeny izay manao fivavahana marina, araka ny teniny manao hoe::”(Hianao) hitady an’i Jehovah Andriamanitrao ka hahita Azy, raha mitady Azy amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra” Deo.4:29.

Alatsinainy 21: NY FIVAVAHANA MARINA VOATENDRIN’ANDRIAMANITRA.
“Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana” Jao.4:24.
Vakiteny 1: Rom.6:8-13. Vakiteny 2: Jao.4:20-26. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.4:23-24. Teny manampy:
– “Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga
aminareo izany” Jao.15:7.
– “Anaka, aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina” 1 Jao.3:18.

Talata 22: NY FIVAVAHANA MARINA TSY MANAMARIN-TENA.
“Aza matoky ny teny lainga hoe: Tempolin’i Jehovah, tempolin’i Jehovah, Tempolin’i Jehovah ity” Jer.7:4.
Vakiteny 1: Mat.15:1-11. Vakiteny 2: Jer.7:1-7. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Toriteny 2: Jer.7:3-4. Teny manampy:
_ “Izay manao hoe: Mihataha, fa aza manakaiky ahy, fa izaho no masina, fa tsy hianao, ireny dia setroka ao am-bavoroko, eny, afo
mirehitra mandritra ny andro” Isa.65:5.
– “Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandratena
no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra” Lio.18:14.

Alarobia 23: NY FIVAVAHANA MARINA MIBEBAKA AMIN’ANDRIAMANITRA.
”Ny torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona” Sal.51:17b.
Vakiteny 1: Lio.7:40-50. Vakiteny 2: Sal.51:7-17. Torietny 1 (safidy). Toriteny: Sal.51:17. Teny manampy:
– “Ary tamin’izany dia vao niteny mafy ny tanàna izay nanaovany ny ankamaroan’ny asany lehibe Izy, satria tsy nibebaka ireo”
Mat.11:20.
– “Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy; fa izay voavela tamin’ny kely dia kely fitiavana” Lio.7:47.

Alakamisy 24: NY FIVAVAHANA MARINA MIORINA AMIN’NY FINOANA.
“Na inona na inona no angatahinareo amin’ny fivavahana atao amin’ny finoana dia ho azonareo” Mat.21:22.
Vakiteny 1: Jak.5:12-18. Vakiteny 2: Mat.21:17-22. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.21:22. Teny manampy:
– “Mandehana; tongava aminao araka ny ninoanao. Dia sitrana tamin’izany ora izany ilay ankizilahy” Mat.8:13b.
– “Ary tsy niahanahana ny amin’ny teny fikasan’Andriamanitra tamin’ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin’ny finoana ka nanome
voninahitra an’Andriamanitra, ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa. Dia nisaina ho fahamarinany izany”
Rom.4:20-22.

Zoma 25: NY FIVAVAHANA MARINA MAHATANTERAKA NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA.
“Ny fahasoavan’Andriamanitra … no tonga be ho an’ny maro kosa” Rom.5:15b.
Vakiteny 1: Jao.14:8-14. Vakiteny 2: Rom.5:12-21. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.5:15. Teny manampy:
– “Raha mihaino tsara ny feon’i Jehovah Andriamanitrao hianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao
anio, dia hasandratr’i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin’ny firenena rehetra amin’ny tany hianao; ary ho tonga aminao sy ho
azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao hianao” Deo.28:1-2.
– « Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena » (Oha. 3.34]” Jak.4:6.

Sabotsy 26: NY FIVAVAHANA MARINA MANKALAZA AN’ANDRIAMANITRA.
“Ny foko mankalaza ny Tompo, Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin’Andriamanitra, Mpamonjy ahy” Lio.1:46,47.
Vakiteny 1: Sal.9:1-10. Vakiteny 2: Lio.1:46-56. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.1:46-47. Teny manampy:
– “Hidera an’i Jehovah amin’ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho. Ho faly sy ho ravoravo aminao aho;
hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô” Sal.9:1-2.
– “Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy? Moa tsy nisy hita niverina hanome
voninahitra an’Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va?” Lio.17:17-18.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny
Sitewww.flm67ha.org sy ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”.

© Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *