Fiombonam-bavaka Alahady XI manaraka ny Trinite Herinandro 28 Aogositra – 02 Septambra 2017

FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha
Fiombonam-bavaka Alahady XI manaraka ny Trinite
Herinandro 28 Aogositra – 02 Septambra 2017
“Ny mpanompo mahatoky”
*

Fitarihan-kevitra: Toetran’Andriamanitra ny ”mahatoky” (Apok.19:11). Koa tiany ny olony izay manompo Azy ho mahatoky tahaka Azy, dia araka ny  tenin’i Jesosy tamin’ny mpianany manao hoe: ”Aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo Izay any an-danitra” Mat.4:48. Ny toetra mahatoky dia manambara ny fahamarinan’izay itokisana, dia izy ho mendrika ny fitokisan’ny Tompo izay niantso sy nifidy ary naniraka Azy. Vavolombelon’izay naniraka azy izy, ka itarafana ny toetra sy ny fomban’Andriamanitra Tompony. Izy no hankalazana an’Andriamanitra, izy ihany koa anefa no mety hitenenana ratsy ny Anarany sy ny asany raha toa ka tsy marina izy (Rom.2:24). Fahamarinana ny toetra fototra mahampanompo mahatoky, dia ny miray antoka, miray saina, miray asa amin’Andriamanitra Izay tompoiny. Manaiky hilefitra mandrakariva eo ambany tana-maheriny izy, sady manaiky ny fitondrany, ary manaiky fa ”ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy” Jao.13:16. Mandeha amin’ny tahotra an’Andriamanitra izy, toy ny olona izay mbola hampamoahina ny amin’ny asany (Heb.13:17). Ny fankatoavan’ny mpanompo ny Tompo izay naniraka azy dia ny manao ny asany, ary manao izany amin’ny fahamarinana sy ny fitiavana (1 Kor.13:6).Tsy manana anton’asa na antom-pihavelomana ankoatr’izay niantsoan’ny Tompo azy izy. Kanefa mifaly indrindra koa fa ny anjara tsara indrindra no omen’Andriaimanitra azy, dia ny fanjakany sy ny voninahiny, ny fahamarinany sy ny fahamasinany, ka anaovany azy ho ”fanaka omemboninahitra” (2 Tim.2:20). Mpanompo tena ifalian’ny tompony izy, izay hankasitraka azy ka hiteny aminy manao hoe: ”Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin’ny fifalian’ny tomponao” Mat.25:21,23.

Alatsinainy 28: Ny mpanompo mahatoky mitandrina ny tenin’Andriamanitra.
”Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nialako” 2 Sam.22:23.
Vakiteny 1: Jao.14:15-21. Vakiteny 2: 2 Sam.22:21-29. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 2 Sam.22:23. Teny manampy:
– “Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao” Sal.119:11. ”
– “Mihainoa ny feoko, ary mankatoava ireny araka izay rehetra andidiako anareo, dia ho oloko hianareo, ary Izaho kosa ho
Andriamanitrareo” Jer.11:4.

Talata 29: Ny mpanompo mahatoky manao ny sitrapon’Andriamanitra.
“Ka iza moa amin’izy mirahalahy no nanao ny sitrapon’ny rainy?” Mat.21:31a.
Vakiteny 1: Sal.40:6-10. Vakiteny 2: Mat.21:28-31. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.21:31. Teny manampy:
– “Ary Mosesy dia mpanompo nahatoky tao amin’ny tranon’Andriamanitra rehetra, ho fanambarana izay zavatra mbola holazaina”
Heb.3:5.
– “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany”Jao.4:34.

Alarobia 30: Ny mpanompo mahatoky, mpanompon’ny fahamarinana.
“Ary rehefa natao afaka tamin’ny ota hianareo, dia tonga mpanompon’ny fahamarinana” Rom.6:18.
Vakiteny 1: Sal.26:1-8. Vakiteny 2: Rom.6:17-23. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.6:17-18. Teny manampy:
– “ Fa Petera sy Jaona kosa namaly azy ka nanao hoe: Tsaraonareo na marina eo imason’Andriamanitra, na tsia, ny hanaiky anareo
mihoatra noho Andriamanitra. Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay” Asa.4:19-20.
– “Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra… » 2 Tim.2:15a.

Alakamisy 31: Ny mpanompo mahatoky manompo amin’ny fahamarinana.
“Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra… » 2 Tim.2:15a.
Vakiteny 1: Lio.9:57-62. Vakiteny 2: 2 Tim.2:11-15. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 2 Tim.2:15a. Teny manampy:
– “Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin’ny fahamarinana sy tamin’ny foko rehetra ary ny
nanaovako izay tsara eo imasonao. Dia nitomany mafy dia mafy izy” 2 Mpan.20:3.
– “ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny
fahamarinana” Efes.4:24.

Zoma 01: Ny mpanompo mahatoky manompo amin’ny fahamasinana.
“Efa tonga mpanompon’Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin’ny fahamasinana” Rom.6:22b.
Vakiteny 1: Lev.10:1-5. Vakiteny 2: Rom.6:1-23. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.6:22. Teny manampy:
– “Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, dia manamasina ny tenanareo, ka dia ho masina hianareo, satria masina Aho”
Lev.11:44.
– “ Mialà, mialà hianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova, hianareo izay mitondra ny fanak’i
Jehovah” Isa.52:11.
– “Amin’ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin’ny andro rehetra hiainantsika” Lio.1:75.

Sabotsy 02: Ny mpanompo mahatoky matoky Izay naniraka azy.
“Ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa” Rom.4:21.
Vakiteny 1: Sal.16:1-11. Vakiteny 2: Rom.4:13-21. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.4:21-22. Teny manampy:
– “ Nefa izaho matoky Anao, Jehovah ô; hoy izaho: Andriamanitro Hianao” Sal.31:14
– “Ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa” Rom.4:21.
– “Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia
mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy mandra-pihavin’izay andro izay” 2 Tim.1:12.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny
Sitewww.flm67ha.org sy ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *