Fiombonam-bavaka Alahady XII manaraka ny Trinite Herinandro 04-09 Septambra 2017

FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha
Fiombonam-bavaka Alahady XII manaraka ny Trinite
Herinandro 04-09 Septambra 2017
“Mifalia amin’Andriamanitra”
*

Fitarihan-kevitra: Tsy hiahambahambana fa toetran’Andriamanitra ny mifaly, ary tia mifaly. Tia mifaly amin’ny asany Izy. Raha zohina ny
voalazan’ny Boky Genesisy dia voasoratra hoe: ”Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany” Gen.1:31. Izany hoe ”nahitany fahafaham-po” dia fifaliana indrindra. Fa noho ny fitiavany ny olombelona, izay tampony amin’ny zavatra nohariany, dia tiany indrindra isika mba hifaly tahaka Azy, ary hifaly amin’ny asa nataony. Araka izany, ny zava-dehibe notanterahiny voalohany mba hampifaly ny olombelona dia ny hamorona olona hitovy endrika Aminy; izany hoe afaka hifanerasera akaiky Aminy ka hifampizara fifaliana Aminy. Fa voasoratra hoe: ”Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika” , ”Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy” Gen.1:26,27: Mba hampifaliana azy, dia nomeny azy ny fanapahana amin’ny zavaboariny araka Gen.1:28-30. Ary dia teo rahateo koa ny nanomezany azy namana mba hampifaly sy hahafapo azy, ka hoy Izy: ”Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy” Gen.2:18. Raha akapoka, ary raha ny marina, Andriamanitra dia mampianatra antsika hifaly Aminy, dia amin’Izy tia antsika. Ary ny tampony amin’ny fitiavany dia ny fanomezany ny famonjeny amin’ny alalan’i Kristy Zanany araka ny voasoratra hoe: ”Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” Jao.3:16. Mifalia amin’Andriamanitra Izay tia sy miahy ny olony, eny ”mifalia mandrakariva amin’ny Tompo” Efes.4:4.
Ao amin’i Jesosy no fahatanterahan’izany, fa izay manana Azy dia afaka hiteny tahaka ny mpamoron-kira hanao hoe: ”Ahy Jesosy, ampy izay”.

Alatsinainy 04: Mifalia amin’Andriamanitra!
“Mifalia amin’i Jehovah, ary ravoravoa, hianareo olo-marina, ary mihobia, hianareo mahitsy fo rehetra” Sal.32:11.
Vakiteny 1: Lio.1: 46-55. Vakiteny 2: Sal.32:8-11. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Sal.32:11. Teny manampy:
– “Ary Hana nivavaka ka nanao hoe: Ny foko ravoravo amin’i Jehovah, Ny tandroko voasandratra amin’i Jehovah; ny vavako
misokatra hamaly ny fahavaloko” 1 Sam.2:1.
– “Fa mifaly amin’Andriamanitra isika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny”
Rom.5:11.

Talata 05: Mifalia mihaino ny tenin’Andriamanitra.
“Nefa zavatra iray loha no ilaina; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy” Lio.10:42.
Vakiteny 1: Deo.30:1-10. Vakiteny 2: Lio.10:38-42. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.10:42. Teny manampy:
– “Atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin’ny hendry, Ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao” Oha.22:17
– “ Sambatra izay manaiky sy ny mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny
andro” Apok.1:3.

Alarobia 06: Andriamanitra, antom-pifalian’ny malahelo.
“Ary ny malahelo ao amin’ny olona hifaly amin’ny Iray Masin’ny Isiraely” Isa.29:19b.
Vakiteny 1: Jao.15:7-11. Vakiteny 2: Isa.29:18-19. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.29:19. Teny manampy:
– “Miravoravoa amin’i Jehovah hianao, dia homeny anao izay irin’ny fonao” Sal.37:4.
– “Ary hianareo dia manana alahelo ankehitriny; fa hahita anareo indray Aho, dia ho faly ny fonareo, ary tsy misy olona manaisotra
ny fifalianareo aminareo” Jao.16:22.

Alakamisy 07: Mifalia manompo ao amin’ny Fanahy.
“Manompo amin’ny havaozam-panahy isika, fa tsy amin’ny hahelan-tsoratra” Rom.7:6b.
Vakiteny 1: Asa.5:29-42. Vakiteny 2: Rom.7:1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.7:6. Teny manampy:
– “Dia namaly izy ka nanao tamiko hoe: Izao no tenin’i Jehovah amin’i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa
amin’ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro” Zak.4:6.
– “Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia …fifaliana” Gal.5:22b.

Zoma 08: Mifalia manao asa tsara ao amin’Andriamanitra.
« Koa ataovy tsara ny hazo mbamin’ny voany » Mat.12 :33a.
Vakiteny 1: Apok.22 :1-5. Vakiteny 2: Mat.12 :33-37. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.12 :33. Teny manampy: .
– “Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra rahateo mba
handehanantsika eo aminy” Efes.2:10.
– “Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin’ny fanompoana ny Tompo” Rom.12:11.
– “Mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra” 2 Tim.3:17.

Sabotsy 09: Mifalia amin’ny fifalian’Andriamanitra.
“Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very” Lio.15:6b.
Vakiteny 1: Isa.25:1-5. Vakiteny 2: Lio.15:1-7. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.15:6. Teny manampy:
– “Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely hianao, dia hotendreko ho
mpanapaka ny be; midìra amin’ny fifalian’ny tomponao” Mat.25,21,23.
– “Ary ento ny zanak’omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly; fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa
very, fa hita indray. Dia nifaly izy” Lio.15:23-24.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site
www.flm67ha.org sy ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *