Fiombonam-bavaka Alahady XIV manaraka ny Trinite Herinandro 18-23 Septambra 2017

FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha
Fiombonam-bavaka Alahady XIV manaraka ny Trinite
Herinandro 18-23 Septambra 2017
“Andriamanitra manasitrana”
*

Fitarihan-kevitra : Ny fanasitranan’Andriamanitra ny olona dia endriky ny famonjeny azy indrindra, dia ny hamerina azy amin’ny toetra voalohany izay nananany mialohan’ny nanotany tao Edena (Gen.3:6). Fa tsy mba nisy rofy na aretina teto an-tany tamin’ny fotoana nahavitan’Andriamanitra ny asa famoronana izao rehetra izao araka ny voasoratra hoe: ”Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany” Gen.1:31a. Be fitiavana sy antra indrindra ny olona Jesosy ka nanao hoe :”Izay manatona Ahy tsy mba holaviko mihitsy” Jao.6:37. Koa na inona na inona rofy na aretina nentina teo Aminy dia nositraniny avokoa (Mat.4:24). Anton’asan’ny Filazantsara ny manasitrana amin’ny rofy sy aretina. Fa raha naniraka ny mpianany hitory ny Filazantsara Jesosy, dia nanome azy ireo fahefana hamoaka demonia sy hahasitrana (Mat.10: 1). Mbola mitoetra ny antso-fanirahana ny mpanompony hitory ny famonjen’Andriamanitra, Fa hoy Jesosy: ”Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa” Jao.14:12a. Araka izany, dia hoy Izy: ”Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia” Mat.10:8. Ary dia nampanao asam-pamantarana hanasitrana ny olona Izy ka nibaiko ny mpianany manao hoe: ”Izao famantarana izao no hanaraka izay mino: .. hametra-tanana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny” Mar.16:18b. Fanasitranana feno sady tanteraka no omen’Andriamanitra, dia noho ny asa fanavotana feno izay vitan’i Jesosy Kristy teo amin’ny hazo fijaliana ho antsika mpanota. Fa ”Nitondra ny aretintsika tokoa Izy”, ”ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika” Isa.53:4a,5d. Amin’ny fibebahana sy ny finoana no andraisana izany, Fa ”ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona” Sal.51:17. Ary dia hoy Jesosy: ”Ny finoanao no nahasitrana anao… Sitràna amin’ny aretinao” Mar.5:34.

Alatsinainy 18: Andriamanitra manasitrana, toky ho an’ny olona.
“Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana” Jer.17:14a.
Vakiteny 1: Mat.8:1-4. Vakiteny 2: Jer.17:13-14. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jer.17:14. Teny manampy:
– “Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra, Izay mamela ny helokao rehetra, Izay
manasitrana ny aretinao rehetra” Sal.103:2-3.
– “Ary nazerany matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy; fa raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka
vonjeo izahay. Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino” Mar.9:22-23.

Talata 19: Jesosy manasitrana amin’ny ota.
“Ao amin’i Kristy Jesosy ny lalàn’ny Fanahin’aina no nahafaka ahy tamin’ny lalàn’ny fahotana…” Rom.8:2.
Vakiteny 1: Mat.9:1-8. Vakiteny 2: Rom.8:1-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Rom.8:1-2. Teny manampy:
– “Jesosy… dia nanao tamin’ilay mararin’ny paralysisa hoe: Matokia, anaka; voavela ny helokao” Mat.9:2.
– “ary novonoiny ny sora-tànan’ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin’ny hazo
fijaliana” Kol.2:14.

Alarobia 20: Jesosy antra ny marary.
“Te-ho sitrana va hianao?” Jao.5:6b.
Vakiteny 1: Lio.10:25-37. Vakiteny 2: Jao.5:1-14. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.5:6-8. Teny manampy:
– “Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy” Sal.46:1.
– “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana”
Mat.11:28.

Alakamisy 21: Jesosy tsy manda hanasitrana ny olona.
“Nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra” Mat.4:24a.
Vakiteny 1: Sal.30:1-3. Vakiteny 2: Mat.4:23-25. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.4:24. Teny manampy:
– “Ary nangataka taminy ireo mba hamela azy hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; koa na iza na iza no nanendry
dia sitrana tokoa” Mat.14:36.
– “Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy” Jao.6:37.

Zoma 22: Ny fanasitranana, azo amin’ny finoana.
“Ny finoanao no efa nahasitrana anao” Mat.9:22a.
Vakiteny 1: 1 Mpan.17:17-24. Vakiteny 2 : Mat.9:18-22. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.9:22. Teny manampy:
– “Tompoko, tsy miendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko… Ary
Jesosy niteny tamin’ilay kapiteny hoe: Mandehana; tongava aminao araka ny ninoanao. Dia sitrana tamin’izany ora izany ilay
ankizilahy” Mat.8:8,13.
– “Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao: mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin’ny aretinao”
Mar.5:34.

Sabotsy 23: Meteza hositranin’ny Tompo.
“Inona no tianao hataoko aminao?” Mar.10:51a.
Vakiteny 1: 2 Mpan.5:9-14. Vakiteny 2: Mar.10:46-52. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mar.10:51. Teny manampy:
– “Fa izao no lazain’ny Tompo, dia Jehovah, ny Iray Masin’ny Isiraely: Amin’ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo,
amin’ny fanginana sy ny fahatokiana no hisian’ny herinareo; Nefa tsy nety hianareo” Isa.30:15.
– “Fa hotanterahiko ny fanasitranana anao, eny, hositraniko ny faharatranao, hoy Jehovah, noho ny nanaovany anao hoe: Ilay
noroahina, sy hoe: Ziona tsy misy mpitady ity” Jer.30:17.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site
www.flm67ha.org sy ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *