FLM TOBY FANANTENANA 67 Ha
Fiombonam-bavaka Alahady XVII manaraka ny Trinite
Herinandro 09-14 Oktobra 2017
“Mifalia amin’Andriamanitra ”
*
Fitarihan-kevitra: Adidin’ny mino ny mifaly amin’Andriamanitra: izany no fiainan’ny ”zanak’Andriamanitra” izay nateraky ny Fanahy (Jao.1:12) sy manaiky ho tarihin’ny Fanahy (Rom.8:14) ka manome voninahitra an’Andriamanitra (Mal.1:6) . Fa ”ny vokatry ny Fanahy dia fifaliana” Gal.5:22b. Ny mifaly ao amin’ny Fanahy no fanafody mandresy ny tsy finoana, ny fanahiana sy ny fahalemena rehetra (Heb.5:2). Tian’Andriamanitra ny olony raha mifaly Aminy, ka mahita ny asany sy mahalala ny halehibiazany, ary hahalala indrindra koa ny fitiavany. Fa satria Andriamanitra Fitiavana Izy (1 Jao.4:16), dia tia indrindra ny olombelona izay noforoniny, izay nataony hitovy endrika Aminy, ka hanana ny voninahitry ny fahamboniany (Gen.1:26), ary hifaly ny amin’izany. Fa hoy Jesosy raha nitory teny tany an-tendrombohitra: ”Ary raha ny ahitra any an-tsaha, izay any ihany anio ka hatsipy ao am-patana rahampitso, no ampitafin’Andriamanitra toy izany, tsy mainka va hianareo, ry kely finoana?” Mat.6:30. Ary satria nila fanavotana isika olombelona lavo noho ny ota, dia tsy nahafoy antsika Andriamanitra fa nomeny ny sarobidy indrindra Aminy, dia Jesosy Kirsty Zanani-Lahitokana mba hanavotra antsika (Jao.3:16). Ary miaraka amin’izany koa ny zavatra rehetra mba hahasoa antsika. Fa nofoanany ny tenany mba hahavelona antsika araka ny voasoratra hoe: ”Fa fantatrareo ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony” 2 Kor.8:9. Mifalia amin’Andriamanitra !
Alatsinainy 09: Mifalia amin’ny famonjen‘Andriamanitra
”Ny foko ravoravo amin’i Jehovah,…, fa mifaly amin’ny famonjenao aho” 1 Sam.2:1.
Vakiteny 1: Lio.1:39-50. Vakiteny 2: 1 Sam.2:1-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Sam.2:1. Teny manampy:
– “Raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ny vovoka Izy” Joba 19:25.
– “Fa raha izaho kosa, dia ny famindram-ponao no itokiako; ho faly amin’ny famonjenao ny foko” Sal.13:5.
Talata 10: Mifalia amin’ny asan’Andriamanitra.
“ Dia talanjona indrindra ny olona ka nanao hoe: Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra” Mar.7:37
Vakiteny 1: Gen.1:26-31. Vakiteny 2: Mar.7:31-37. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mar.7:36-37. Teny manampy:
– “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao ny tany”
Sal.104:24.
– ” Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin’ny fiadanana Araka ny teninao; Fa ny masoko efa nahita ny
famonjenao” Lio.2:29-30.
Alarobia 11: Mifalia fa nomen’Andriamanitra ny zavatra rehetra.
“Ny Sabata no natao ho ny olona, fa tsy ny olona ho an’ny Sabata” Mar.2:28.
Vakiteny 1: Rom.8:26-32. Vakiteny 2: Mar.2:18-28. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mar.2:27-28. Teny manampy:
– “Ary Jehovah efa nitahy an’i Abrahama tamin’ny zavatra rehetra” Gen.24:1b.
– “ Ka dia aza misy manao olona ho reharehany; fa anareo ny zavatra rehetra: na Paoly, na Apolosy, na Kefasy, na izao tontolo
izao, na fiainana, na fahafatesana, na ny zavatra ankehitriny, na ny zavatra ho avy; dia anareo izany rehetra izany; ary hianareo
an’i Kristy ary Kristy an’Andriamanitra” 1 Kor.3:21-23.
Alakamisy 12: Mifalia amin’ny famelan-keloka omen’Andriamanitra.
– “Matokia, anaka, voavela ny helokao” Mat.9:2b.
Vakiteny 1: Sal.32:1-7. Vakiteny 2: Mat.9:1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.9:1-2. Teny manampy:
– ”Ary amin’izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy” Lio.7:47.
– “ Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny
tsi-fahamarinana rehetra” 1 Jao.1:9.
– “Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina; ary Izy no avotra noho ny
fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa” 1 Jao.2:1-2.
Zoma 13: Mifalia raha ataon’Andriamanitra ho sakaizany.
”Tsy hataoko hoe mpanompo intsony hianareo, fa efa nataoko hoe sakaiza hianareo” Jao.15:15.
Vakiteny 1: Jak.2:20-26. Vakiteny 2: Jao.15: 9-15. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.15:14-15. Teny manampy:
– “ Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan’ny mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino azy, dia mifaly
indrindra noho ny feon’ny mpampakatra; ary efa tanteraka izany fifaliako izany” Jao.3:29.
– “ Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady
mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra
aminy koa” Rom.8:16-17.
Sabotsy 14: Mifalia amin’Andriamanitra.
”Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo. Hoy izaho indray: Mifalia!” Fil.4:4.
Vakiteny 1: Sal.37:1-7. Vakiteny 2: Fil.4:1-7. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Fil.4:4. Teny manampy:
– “Haleloia. Mihirà fihiram-baovao ho an’i Jehovah, Ny fiderana Azy eo amin’ny fiangonan’ny olona masina. Aoka ny Isiraely
hifaly amin’ny Mpanao azy; Aoka ho finaritra amin’ny Mpanjakany ny zanak’i Ziona” Sal.149:1-2.
– “Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy ny itoerako
amin’ny fitiavany. Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny
fifalianareo” Jao.15:10-11.
Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site
www.flm67ha.org sy ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”.
© Madanet