HAFATRA HO AN’NY FIRENENA
© D.Rabarihoela Bruno
Andriamanitra tsy manary ny olony, indrindra ao anatin’ny fotoan-tsarotra izay lalovan’ny fireneny. Fa eo anivon’izany, dia mipetraka tokoa ny fanontanian’ny mpaminany Isaia fahizay manao hoe:“Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao ? Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao?” Isa.21:11. “Fa, indro, ny haizina manarona ny tany, ary ny haizim-pito manarona ny firenena” Isa.60:2. Saingy tsy mbola miposaka na miseho, indrisy, ny voninahitr’i Jehovah! Fa mitoetra ary tsy mangina ny fanontaniana ny amin’ny toe-javatra nitranga eto amin’ny firenentsika, tsy amin’izao fotoana izao ihany, fa efa nandritra ny taona maro nifandimby aza, ary mbola mitohy mandraka ankehitriny, manao hoe: “Fa avy aiza sy inona loatra ange ny antony mahatonga izao fahavoazana manjo ny firenentsika izao, izay tafalatsaka anatin’ny lavaka lalina, ka sarotra ny hisintona azy avy amin’izany?”
Dia hisy ve sahy hilaza tokoa fa Andriamanitra tia ratsy ka hamono ny firenena sy hanozona azy? Sanatria izany! Efa nifidy ity firenena ity Izy, dia ny firenena Madagasikara, izay tany toy ny niangarana amin’ny harem-pahasoavana maro be misy eo aminy, na ny any ambanin’ny tany, na ny ambonin’ny tany, na ny rano sy ny ranomasina, na ny rivotra sy ny habakabaka, sns… Ary indrindra ny amin’ny Fifohazam-panahy sy ny asany izay nataon’Andriamanitra teo aminy ka hanirian’ny firenena mandroso azy aza? Saingy tafasaraka tamin’Andriamanitra Mpahary azy izy izay sady Tompony efa nifidy azy. Ny fahamarinana voahosihosy eo aminy, ary lalan’ny fahendrena tsy fantany. Fa “ny fahamarinana no manandratra ny firenena”, hoy ny tenin’Andriamanitra (Oha.14:34a), ary ny fahendrena no fefy miaro amin’ny loza sy ny ratsy rehetra, ka maha ela velona (Oha.4:6).
I/ Fa inona tokoa moa ny hafatry ny tantara?
“Ny fahadisoan’ny Isiraely olon’Andriamanitra, dia ny nahafoizany Azy”. Fa ny Isiraely dia firenena voafidin’Andriamanitra, noraisiny ho an’ny tenany (1 Pet.2:9), nomeny ny lalàny, notolorany ny fanjakany, ary indrindra nanaovany fanekena araka ny teniny manao hoe: “Ary ny tabernakeliko dia hataoko eo aminareo; ary tsy ho halan’ny fanahiko hianareo. Ary handeha eo aminareo Aho ka ho Andriamanitrareo; ary hianareo ho oloko” Lev.26:11-12. Saingy tsy nahazona ny fanekeny izy fa nahafoy an’Andriamanitra, Ilay Vatolampy famonjena azy, Ilay tokiny amin’ny adiny rehetra. Tena fahadisoana tanteraka izany, izay anton’ny fahavoazana lehibe nihatra taminy, toy ny firenena voaozon’Andriamanitra tokoa; voazona satria nivadika fanekena, tsy nitandrina ny didin’Andriamanitra, tsy nahay nisaotra na nanome voninahitra Azy. Fa hoy ny tenin’Adriamanitra: “Nihanatavy Jesorona ka namely daka, Efa matavy hianao sady vory nofo no vaventibe, Dia nahafoy an’Andriamanitra Izay nanao azy izy, Ary nanamavo ny Vatolampy famonjena azy. Nampahasaro-piaro Azy tamin’ny hafa Izy; Ary tamin’ny zava-betaveta no nampahasosorany Azy; Namono zavatra ho fanatitra ho an’ny demonia izay tsy Andriamanitra izy, Dia andriamanitra tsy fantany, Fa andriamanitra vao niseho, Izay tsy natahoran’ny razanareo. Ny Vatolampy Izay niteraka anao dia tsy tsaroanao, Ary hadinoinao Andriamanitra Izay nahary anao” Deo.32:15-18.
Ary satria tsy fantany intsony tokoa ny Andriamaniny, dia nanarin’Andriamanitra izy hiverina Aminy araka ny teniny manao hoe: “Ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah”, teny milaza fa Izy no tompon’ny fahefana rehetra, ary Tompon’ny aina, ka tsy tia mahavery fa tia mahavonjy (Jak.4:12). Fa hoy Izy: “Fa ity firenena ity dia manana fo maditra sy miodina; Mihodina izy ka lasa, Ary tsy manao anakampo akory hoe: Aoka isika hatahotra an’i Jehovah Andriamanitsika, izay mandatsaka ranonorana, dia ny loha-orana sy ny fara-orana amin’ny fotoany avy; Ary ireo herinandro voatendry ho amin’ny fararano dia tandremany ho antsika. Ny helokareo no nampiala izany, ary ny fahotanareo no misakana ny soa tsy ho azonareo. Fa misy hita fa ratsy fanahy ny oloko; Mamitsaka sy mijoko toy ny mpamandri-borona izy, mamela-pandrika izy, ka olona no azony. Toy ny tranom-borona feno vorona no mahafeno fitaka ny tranony; Ary noho izany dia to nga lehibe sy mpanankarena izy. Efa mihatavy izy ka mandimandina, dia mihoa-pampana amin’ny fanaovan-dratsy; Tsy mety mitsara ady mba hahazoan’ny kamboty ny rariny izy, ary ny adin’ny malahelo tsy mba tsarainy. Tsy hovaliako amin’izany va izy? hoy Jehovah; Tsy hialako fo va ny firenena toy izany? Zava-mahagaga sy mahatsiravina no atao eo amin’ny tany; Ny mpaminany maminany lainga, ny mpisorona : manapaka araka izay atoron’ireny, ary ny oloko mankasitraka izany; Koa hanao ahoana re hianareo any amparany?” Jer.5:23-31.
Mazava, araka izany, ry havana, ny tenin’Andriamanitra: fa miteny amintsika tokoa sy amin’ny firenentsika Izy. Na, izy miteny mivantana, na, izy miteny koa amin’ny alalan’ny fananarana izay mihatra tokoa, dia zava-tsarotra izay omeny ho zakaintsika. Fa indrisy, indro fa lazoin’ny valan’aretin-dratsy ny firenena, dia areti-mandringana sady tsy miera amin’izay ataony. Koa inona ary ny fanafody sy fanefitra azo antoka sy marim-pototra izay omen’ny Tompo mba hahasitrana azy haingana, mba hahavonjy azy amin’ny ozona, dia ny fitsaran’Andriamanitra izay manafay azy sy manameloka ny ota eo aminy? ary hamongotra ny fahavoazana mihoampampana mahazo azy? Iza, afa-tsy ny Tompo izay mitaky ny fiverenany amin’Andriamanitra, dia amin’Andriamanitra tia ka tsy mahafoy azy.
Fa hoy ny tenin’Andriamanitra: “Ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin’i Jehovah Andriamanitrareo; Fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin’ny loza” Joela 2:13. Ary rehefa izany: “Koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo” Asa.3:19. Koa dia fantaro ny sitrapon’Andriamanitra ary ankatoavy ny didiny izay mahavelona izay mankato azy (Neh.9:29). Ary dia aza manao adaladala miziriziry amin’ny tsy finoana sy ny fanoherana an’Andriamanitra, na koa manaiky alaim-panahy hiditra ao amin’ny haraton-daingan’ny devoly ka mbola hisangisangy amin’ny ota mba hambaboiny indray, satria “Fahafatesana no tambin’ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andria-manitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika” Rom.6:23. Eny, “Miverena amin’Andria-manitra, izay manan-karem-pamonjena ho an’izay mihavana Aminy ary vonona ny hanaraka ny didiny izay mahavelona izay rehetra mankato izany (Neh.9:29).
Fa Andriamanitra tsy nahafoy ny olony ka hijery fotsiny ny fahavoazana sy ny fahorian’ny firenena izay nofidiny, fa malahelo azy ka miteny manao hoe: “Hataoko ahoana e no fahafoy anao, ry Efraima, na ho fanolotra anao, ry Isiraely! … Onena ny foko, mafy loatra ny alaheloko. Tsy hanontolo fo Aho, na handringana an’i Efraima intsony; Fa Andriamanitra Aho, fa tsy olona, dia ny Iray Masina ao aminao” Hos.11:8-9.
/ Tsy mahafoy ny olony tokoa Andriamanitra ka mbola manome toky azy
Hoy Izy: “Hitoetra ao amin’ny Zanak’Isiraely Aho ka tsy hahafoy ny Isiraely oloko” 1 Mpan.6:13. Hoy Samoela: “Fa Jehovah tsy hahafoy ny olony noho ny anarany lehibe, satria sitrak’i Jehovah ny nanaovany anareo ho olony” 1 Sam.12:22. Hoy koa ny Apostoly Paoly: “Sao narian’Andriamanitra anie n yolony? Sanatria izany!” Rom.11 :1, “Fa izay tian’i Jehovah no faizany, Ary izay zanaka rehetra raisiny no kapohiny » (Oha. 3.11,12). Famaizana no anton’ny iaretanareo; Andriamanitra mitondra anareo tahaka ny zanaka; fa aiza moa izay zanaka tsy faizan-drainy? Fa raha tsy faizana tahaka ny itondrana azy rehetra hianareo, dia zazasary, fa tsy zanaka” Heb.12:7-8. Fa “ny zanaka mitoetra ao amin’ny tranon’ny Rainy; ny andevo no tsy mba mitoetra” Jao.8:35. Ary dia mahereza “Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy izy” Heb.12:11. Ny vokatry ny fahamarianna, dia ny fankasitrahan’Andriamanitra ny olony, izay anomezany rariny azy sy hitahiany azy.
/ Ny fananaran’Andriamanitra sy ny fanomenana ny fontsika handray Azy.
Izany raha anterintsika, dia ny fahoriana izay mety iaretan’ny olony tokoa. Saingy mazava ny “lalàn’ny fiainana” apetraky ny Tompo, dia ny hoe: “Mahafoiza ny ratsy, dia hiala aminao ny ratsy”. Fa voasoratra hoe: “Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy” Isa.55:7. Fa andro mahory sy fisaonana tokoa rehefa mihatra ny famaizan’Andraanitra, toy izay nahatonga ny mpaminany niteny fehizay tamin’ny Isiraely hanao hoe: “Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin’Andriamanitra izy, ary aoka samy hahafoy ny lalany ratsy sy ny fandozana eny an-tanany avy izy rehetra” Jona 3:8.
Araka izany, dia andrandraintsika ny famindrampon’Andriamanitra mbola hitondra fahasoavana lehibe ho an’ny firenentsika. Izany dia ny mbola hamangiany antsika indray fa tsy ny hahatongavany hitsara na hanameloka antsika, sanatria. Ary satria zava-dehibe sady masina ny famangian’Andriamanitra, dia ilaintsika ny miomana ho amin’izany. Ary raha ny marina, dia Izy mihitsy no manomana antsika ho amin’izany. Fa hoy ny tenin’Andriamanitra : “Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin ‘ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon’ny maro. [Na: Iraky] Nefa iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon’ny mpandrendrika sy ny savonin’ny mpanasa lamba. Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak’i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an’i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana. Dia ho mamin’i Jehovah ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema toy ny tamin’ny andro fahiny sy toy ny tamin’ny taona taloha” Mal.3:1-4.
/ Tandremo tsy hiavona ny fitiavan’Andriamanitra mahavonjy.
Araka izany, aoka hitandrina tsy hiavona na handa ny fitiavan’Andriamanitra Izay manan-karem-pahasoavana ka mahafoy izay rehetra ananany mba hamonjeny sy hamelomany antsika. Fa nolavin’ny Isiraely Jesosy Kristy Mesian’Andriamanitra araka ny voalaza hoe: “Tonga tany amin’ny Azy Izy fa ny azy tsy nandray Azy” araka ny Jao.1:11, ary dia nampiany hoe: “aoka ny ran’io Lehilahy io hianjera aminay sy ny taranakay”. Ary dia indrisy fa navelan’Andriamanitra ho tanteraka izany tamin’ny fotoanan’ny ady lehibe faharoa, ka tsy latsaky ny 6 tapitrisa no nahafatesan’ny firenena jiosy tanatin’ny lafaoro fandoroana.
Inona no hevitr’Andriamanitra? Tsotra izy: “mahaiza misafidy ny fiainana”. Hoy ny Tompo. “Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza”, “koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao” Deo.30:15,19. Izany dia amin’ny alalan’ny fihavanantsika Aminy indray, ka hamelany ny helok’ny firenentsika izay efa nihodina taminy, hamerenany ny zo aman-kasina maha-firenena voafidy azy, mba ho tanteraka aminy ny teny voalazan’ny Soratra Masina manao hoe: “Ary hianareo hataon’ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro” Mal.3:12.
Teny famaranana
Ry havana malala, mpiray firenena, mpiray fiantsoana, anterin’ny Tompo amintsika tokoa ny teniny manao hoe: ““Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; Hazony izy, fa ainao” Oha.4:13. Araho ny teny nataon’ny mpanao Salamo raha hoy izy: “Soa ihany aho nampahorina, mba hianarako ny didinao” Sal.119:71. Dia ny mba ho velona izany. Aiza ny fahavelomana? Ao amin’i Jesosy Kristy, Ilay voahosotr’Andriamanitra. Hoy ny teniny: “Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana” Jao.14:6. Fa hoy Izy: “Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ny tanako” Jao.10:27-28.
Fa izay rehetra miantso Azy dia hovonjeny tokoa, satria Andriamanitra tsy mpanontolo fo Izy, fa Mpamonjy ka miteny manao hoe: “Antsoy Aho amin’ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy hianao” Sal.50:15.
Ho voninahitr’Andriamanitra.
© D.Rabarihoela Bruno.