Herinandro 12-19 Novambra 2017 “Manajà an’Andriamanitra”

FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
Fiombonam-bavaka Alahady XXII manaraka ny Trinite
Herinandro 12-19 Novambra 2017
“Manajà an’Andriamanitra”
*

Fitarihan-kevitra : Manajà an’Andriamanitra fa Masina indrindra Izy. Fa hoy ny tonon-kira nasandratr’ireo anjely nanotrona Azy manao hoe: “Masina, masina, masina Jehovah, Tompon’ny maro; Henika ny voninahiny ny tany rehetra [na: Voninahiny avokoa ny eran’ny tany]” Isa.6:3. Dia nananatra ny mino ny Apostoly Paoly manao hoe: “Mandoava amin’izy rehetra izay tokony ho azy avy: …tahotra ho an’izay tokony hatahorana, haja ho an’izay tokony hohajaina” Rom.13:7. Teny sahaza indrindra ho an’ny mino izany, indrindra amin’izao andro sarotra diavintsika izao raha hoy ny voalazan’ny Soratra Masina: “Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina” 2 Tim.3:2. Androm-pihemorana tokoa izao noho ny haben’ny tsy fankatoavan-dalana (Mat.24:12), ka ampitandreman’i Jesosy ny olony manao hoe: “Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny” Mat.24:24. Ny fanajana an’Andriamanitra? Fitahiana sy fisandratana ho an’ny mankato; fa fahavoazana sy fahamenarana kosa ho tsy mino. Fa voasoratra hoe: “Andriamanitra mitandrina fanekena sy famindram-po amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin’ny taranaka arivo mandimby, ary mamaly miharihary izay mandrafy Azy amin’ny fandringanana azy” Deo.7:9b-10a.

Alatsinainy 13: Manajà an’Andriamanitra.
“Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra” Deo.7 :9a.
Vakiteny 1: Jao.14 :8-15. Vakiteny 2: Deo.7 :9-11. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Deo.7 :9-11. Teny manampy:
– “Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza
izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon’ny maro..” Mal.1 :6.
– “ Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka, mba hanajan’ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka
ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy » Jao.5 :22-23.

Talata 14: Omeo voninahitra Andriamanitra.
“Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena” Rom.11 :36.
Vakiteny 1: 1 Tan.16 :23-31. Vakiteny 2: Rom.11 :25-36. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.11 :36. Teny manampy:
– “Mihobia ho an’Andriamanitra, ry tany rehetra; Mankalazà ny voninahitry ny anarany; omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy.
Lazao amin’Andriamanitra hoe: endrey, mahatahotra ny asanao! ny fahalehibiazan’ny herinao no hikoizan’ny fahavalonao Anao.
Ny tany rehetra hiankohoka eo anatrehanao ka hankalaza Anao; eny, hankalaza ny anaranao izy” Sal.66 :1-4.
– “Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy? Moa tsy nisy hita niverina hanome
voninahitra an’Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va?” Lio.17 :17-18.

Alarobia 15: Jehovah Irery no ivavaho.
“Aza manana Andriamani-kafa, fa Izaho ihany” Eks.20:3.
Vakiteny 1: Mat.4:1-11. Vakiteny 2: Eks.20 :1-7. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Eks.20 :3. Teny manampy:
– “Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia lavo niankohoka sady natahotra indrindra. Ary Jesosy nankeo aminy, dia nanendry azy ka
nanao hoe; Mitsangàna, fa aza matahotra” Mat.17 :6-7.
– Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.
Raha nahafantatra Ahy hianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin’izao dia mahafantatra Azy hianareo sady efa nahita
Azy” Jao.14 :6-7.

Alakamisy 16: Avelao ny Tompo no hanapaka.
“Manamasìna an’i Krity ho Tompo ao am-ponareo” 1 Pet.3:15a.
Vakiteny 1: Jao.21 :15-22.Vakiteny 2: 1 Pet.3 :10-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 :1 Pet.3:14-15a. Teny manampy:
– “Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an’i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo. na ny andriamanitra izay
notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny Ony, na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin’ny tany onenanareo; fa raha
izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay” Jos.24 :15.
– “ Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko”
Gal.2:20.

Zoma 17: Andriamanitra miray antoka amin’ny olony.
“Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho” Mat.18 :20.
Vakiteny 1: Isa.65 :19-25. Vakiteny 2: Mat.18 :15-22. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.18 :19-20. Teny manampy:
– “Izao no lazain’i Jehovah ny Iray Masin’ny Isiraely, dia ny namorona azy: Ny amin’ny zavatra ho avy no anontanio Ahy; ary ny
zanako sy ny asan’ny tanako dia aoka ho adidiko ihany” Isa.45 :11.
– “Ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao” Mat:28 :20.

Sabotsy 18: Andriamanitra manandratra izay manaja Azy.
“Fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka” 1 Sam.2 :26-30b.
Vakiteny 1: Mat.26:6-13. Vakiteny 2: 1 Sam.2:26-30. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Sam.2:29-30. Teny manampy:
– “Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny” Sal.33 :12.
– “Ary hoy Izy tamin’i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan’tananao, ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny tananao, ka ataovy amin’ny
lanivoako; ary aza ho isan’izay tsy mino, fa minoa. Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro!” Mat.20 :
27-28.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifimadanet.
org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *