FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
Fiombonam-bavaka Alahady XXIII manaraka ny Trinite
Herinandro 20-25 Novambra 2017
“ Katsaho ny fanjakan’Andriamanitra ”
*
Fitarihan-kevitra : Ny “fanjakan’Andriamanitra” dia manambara fa Andriamanitra tonga eo amin’ny olona sy ao amin’ny olona. Ny hoe “EO amin’ny olona”, dia araka ny fanambaran’ny mpaminany manao hoe: “Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon’ny olona hoe Imanoela (Isa.7:14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra” Mat.1:23. Fa voasoratra hoe: “Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny nataon’Andriamanitra hoe: Honina eo aminy sy handeha eo aminy ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho oloko (Lev.26:11,12)”. Ary ny hoe “Ao amin’ny olona”, dia araka ny fanambaran’i Jesosy manao hoe: “Tsy misehoseho no fihavin’ny fanjakan’Andriamanitra. Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, etỳ! na erỳ ! fa, indro, ny fanjakan’Andriamanitra dia ao anatinareo” Lio.17:20-21. Ary koa: “Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy” Jao.14:23. Toky sy antoka lehibe ho antsika tokoa raha Andriamanitra manaiky ny hitoetra eo amintsika sy ato anatintsika, ka mameno ny fiainantsika amin’ny fahafenoany (Jao.1:16). Ny hahatanteraka izany? Avelao Jesosy hanjaka ao am-ponao (1 Pet.3:15). Ary dia “Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; ary Aoka hifaly ny fon’izay mitady an’i Jehovah” Sal.105:3.
Alatsinainy 20: Ny fanjakan’Andriamanitra, fanjakan’ny fahamarinana.
“Indro, araka ny fahamarinana no hanjakan’ny mpanjaka, ary ny lehibe hanapaka araka ny rariny » Isa.32 :1.
Vakiteny 1 : Sal.110 :1-7. Vakiteny 2 : Isa.32 :1-8 . Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Isa.32 :1. Teny manampy:
– “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany” Mat.6:33.
– “Fa avy ny andro, …, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana” Jao.4:23a.
– “Fa ny mason’ny Tompo dia mitsinjo ny marina, Ary ny sofiny mihaino ny fitarainany, Fa ny tavan’ny Tompo dia tezitra amin’ny
mpanao ratsy » (Sal.34.12-16)” 1 Pet.3:12.
Talata 21: Ny fanjakan’Andriamanitra, fanjakan’ny fiadanana.
“Mba hatao izay fangatahana. ho an’ny mpanjaka… mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay.. » 1 Tim.2 :2.
Vakiteny 1 : Lio.2 :8-14. Vakiteny 2 : 1 Tim.2 :1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : 1 Tim.2 :1-2. Teny manampy:
– “Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo
fanantenana ny amin’ny farany” Jer.29 :11.
– “Fa ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny
Fanahy Masina” Rom.14 :17.
Alarobia 22: Ny fanjakan’Andriamanitra, fanjakan’ny fitiavana.
“Io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra” Mar.12 :43b.
Vakiteny 1: Heb.12 :25-29. Vakiteny 2: Mar.12 :41-44. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mar.12 :43. Teny manampy:
– “Lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin’izao tontolo izao no hitoriana ity filazantsara ity, dia holazaina koa izay
nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy” Mat.26 :13.
– “Koa amin’izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho
fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany” Rom.12 :1.
Alakamisy 23: Ny fanjakan’Andriamanitra, fanjakan’ny Fanahy Masina.
– “ Fa ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny
Fanahy Masina” Rom.14 :17.
Vakiteny 1 : Jao.20 :18-23. Vakiteny 2: Rom.14 :13-18. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Rom.14 :17. Teny manampy:
– “Ny Fanahin’i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra”
Isa.61 :1.
-“Fa hianareo tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy, raha ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo” Rom.8 :9.
Zoma 24: Katsaho ny fanjakan’Andriamanitra.
“Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany” Mat.6 :33.
Vaikiteny 1 : Rom.8 :28-31. Vakiteny 2: Mat.6 :28-34. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Mat.6 :33. Teny manampy:
– “Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy” Isa.55 :6.
– “Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dondony, dia hovohana hianareo. Fa izay rehetra mangataka
no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana” Mat.7 :7-8.
– “Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va
ny zavatra rehetra?” Rom.8 :32.
Sabotsy 25: Mandovà ny fanjakan’Andriamanitra.
“Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao”
Mat.25 :34.
Vakiteny 1: Apok.22 :10-17. Vakiteny 2: Mat.25 :31-40. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat .25:34. Teny manampy:
– “Aza gaga amin’izany; fa avy ny andro [gr. ora] izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony; dia hivoaka izy: izay
nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana.
[gr. ho fitsarana]” Jao.5 :28-29.
– “Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa hianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin’ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zavadratsy;
fa ankehitriny dia izy no ampifalina aty, ary hianao kosa no fadiranovana” Lio.16 :25.
Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifimadanet.
org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet
SALAMA TPK
MBA AFAKA OMENA PERIKOPA HO TELECHARGENA VE TOMPOKO AHO.MISAOTRA THTP
Salama tompoko,
Raha hi-telecharger perikopa ianao dia eo amin’ny page d’accueil, menu à droite, en bas.
Tsy misy fisaorana tompoko.
Mirary fitahian’ny Tompo