Fanontaniana tokoa ny hoe : Andriamanitra va efa nahafoy ny firenena ka nampilentika lalina azy toy izao ? Ny valiny : Andriamanitra tsy mahafoy ny firenena, na nanary azy, fa ny firenena no nahafoy Azy. Ary dia izany no mahatra-pahavoazana azy. Fa Andriamanitra dia efa nifidy ity firenena ity, – eny, na dia mety tsy ho fantany na ho fantatry ny olona akory aza izany -, ary ny taniny dia toy ny niangarana amin’ny harem-pahasoavana be eo aminy. Saingy tafasaraka tamin’Andriamanitra Tompony sady Mpahary azy izy. Koa ny fahamarinana dia voahosihosy eo aminy, ary ny lalan’ny fahendrena tsy toaviny. Fa ny fahamarinana no manandratra ny firenena (Oha.14:34), ary ny fahendrena no fefy miaro amin’ny loza sy ny ratsy rehetra ka maha ela velona (Oha.2:10-11).
Koa dia mifampanotany tokoa ny mponina eo aminy toy ny mpaminany manao hoe: “Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao ? Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao?” Isa.21:11. “Fa, indro, ny haizina manarona ny tany, ary ny haizim-pito manarona ny firenena” Isa.60:2. Kanefa tsy mbola hita miposaka na miseho eo aminy ny voninahitry ny Tompo. Fa nahoana?
I/ Inona moa ny hafatry ny tantara ?
Tondrointsika eto ny fahadisoan’ny zanak’Isiraely izay fantatsika fa firenena voafidin’Andriamanitra, noraisiny ho an’ny tenany (1 Pet.2:9) sy nanaovany fanekena araka ny teniny manao hoe “Ary handeha eo aminareo Aho ka ho Andriamanitrareo; ary hianareo ho oloko” Lev.26:12. Saingy tsy nihazona ny fanekeny izy fa nahafoy an’Andriamanitra Tompony sady Mpamonjiny. Tena fahadalana indrindra izany, izay antony nahatonga ny fahavoazana be teo aminy, toy ny firenena voaozon’Andriamanitra, izany hoe voatsara ho amin’ny fahamelohana sy ny fahafoanan’ny fitahiana. Voazona satria nivadika fanekena, fa “izay mivadika foana no ho menatra” Sal.25:3.
Fa voasoratra hoe: “Nihanatavy Jesorona [Isiraely] ka namely daka, Efa matavy hianao sady vory nofo no vaventibe, Dia nahafoy an’Andriamanitra Izay nanao azy izy, Ary nanamavo ny Vatolampy famonjena azy. Nampahasaro-piaro Azy tamin’ny hafa Izy; Ary tamin’ny zava-betaveta no nampahasosorany Azy; Namono zavatra ho fanatitra ho an’ny demonia izay tsy Andriamanitra izy, Dia andriamanitra tsy fantany, Fa andriamanitra vao niseho, Izay tsy natahoran’ny razanareo. Ny Vatolampy Izay niteraka anao dia tsy tsaroanao, Ary hadinoinao Andriamanitra Izay nahary anao” Deo.32:15-18.
Satria tsy fantany intsony Andriamanitra izay Andriamaniny, dia nanatra azy Andriamanitra mba hiverina Aminy araka ny teniny manao hoe: “Ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah” Eks.6:7. “Fa ity firenena ity dia manana fo maditra sy miodina; Mihodina izy ka lasa, Ary tsy manao anakampo akory hoe: Aoka isika hatahotra an’i Jehovah Andriamanitsika, izay mandatsaka ranonorana, dia ny loha-orana sy ny fara-orana amin’ny fotoany avy; Ary ireo herinandro voatendry ho amin’ny fararano dia tandremany ho antsika. Ny helokareo no nampiala izany, ary ny fahotanareo no misakana ny soa tsy ho azonareo. Fa misy hita fa ratsy fanahy ny oloko; Mamitsaka sy mijoko toy ny mpamandri-borona izy, mamela-pandrika izy, ka olona no azony. Toy ny tranom-borona feno vorona no mahafeno fitaka ny tranony; Ary noho izany dia tonga lehibe sy mpanankarena izy. Efa mihatavy izy ka mandimandina, dia mihoa-pampana amin’ny fanaovan-dratsy; Tsy mety mitsara ady mba hahazoan’ny kamboty ny rariny izy, ary ny adin’ny malahelo tsy mba tsarainy. Tsy hovaliako amin’izany va izy? hoy Jehovah; Tsy hialako fo va ny firenena toy izany? Zava-mahagaga sy mahatsiravina no atao eo amin’ny tany; Ny mpaminany maminany lainga, ny mpisorona : manapaka araka izay atoron’ireny, ary ny oloko mankasitraka izany; Koa hanao ahoana re hianareo any amparany?” Jer.5:23-31.
Ary koa : “ Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon’ny maro, aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny anarako. nefa manao hoe: Amin’inona no anamavoanay ny anaranao? Amin’ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin’ny alitarako. Nefa hianareo manao hoe: Amin’inona no andotoanay Anao ? Amin’ny fanaovanareo hoe: Ny latabatr’i Jehovah dia fanazimbazimba” Mal.1:6-7.
Mazava fa izany tenin’Andriamanitra izany dia miteny amintsika sy ny firenentsika tokoa, izay, indrisy, fa lazoin’ny karazan’aretina izay tsy miera mamely azy, na ara-batana, na ara-tsaina, na ara-panahy, na ara-piainana. Inona ary ny fanafody sy fanefitra azo antoka sy marim-pototra izay omen’ny Tompo mba hahasitrana azy ka hahavonjy azy amin’ny ozona, dia ny fitsaran’Andriamanitra izay manafay azy sy manameloka ny ota eo aminy? Inona ny fanafody sy fanefitra hahafongotra ny fahavoazana mihoampampana mahazo azy? Tsy inona fa ny fiverenany amin’Andriamanitra nahary azy. Fa hoy ny tenin’Andriamanitra: “Ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin’i Jehovah Andriamanitrareo; Fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin’ny loza” Joela 2:13. Ary koa: “Koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo” Asa.3:19. Koa dia “Hendre ka miverena amin’Andriamanitra”, fa ny fahendrena no mahavelona, fa ny fahadalana sy ny fiziriziriana amin’ny tsy finoana sy ny ota no mahafaty. Ditra izany (Ezek.3:7). Fa “fahafatesana no tambin’ny ota” Rom.6:23.
II/ Ny toky omen’Andriamanitra: tsy mahafoy ny olony Izy.
Hoy ny tenin’Andriamanitra:
– “ Fa Jehovah tsy hahafoy ny olony noho ny anarany lehibe, satria sitrak’i Jehovah ny nanaovany anareo ho olony” 1 Sam.12:22.
– “Ary hitoetra ao amin’ny Zanak’Isiraely Aho ka tsy hahafoy ny Isiraely oloko” 1 Mpan.6:13.
Fa noho ny fahavoazana nahazo ny Isiraely, dia niteny i Paoly Apostoly nanao hoe: “Dia hoy izaho: Sao narian’Andriamanitra anie ny olony? Sanatria izany!” Rom.11:1.Tsy mahafoy ny olony tokoa Izy, fa mananatra azy kosa. « Fa izay tian’i Jehovah no faizany, Ary izay zanaka rehetra raisiny no kapohiny » Oha.3:11,12. “Famaizana no anton’ny iaretanareo; Andriamanitra mitondra anareo tahaka ny zanaka; fa aiza moa izay zanaka tsy faizan-drainy? Fa raha tsy faizana tahaka ny itondrana azy rehetra hianareo, dia zazasary, fa tsy zanaka” Heb.12:7-8. Koa ny “zazasary” dia tsy mba mandova ny teny fikasana, fa ny zanaka no mandova, dia izay mitoetra ao an-tranon’ny rainy. Hoy Jesosy: “Fa ny andevo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva [gr. mandrakizay]; fa ny zanaka no mitoetra mandrakariva” Jao.8:35. Koa mahereza fa “ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy izy” Heb.12:11.
III/ Ny fananarana : Mahafoiza ny ratsy, dia hiala aminao izy, ary miverena amin’Andriamanitra, dia hankasitraka anao.
Hoy ny tenin’Andriamanitra:
-“Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy” Isa.55:7.
– “Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin’Andriamanitra izy, ary aoka samy hahafoy ny lalany ratsy sy ny fandozana eny an-tanany avy izy rehetra” Jona 3:8.
– “Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho handray anareo. Ary ho Rainareo Aho, ary hianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha (Isa.52:11,12)” 2 Kor.6:17-18.
IV/ Ny fiomanana handray ny fahasoavana
Ilaintsaika ny fiomanana handray ny fahasoavan’Andriamanitra, dia Izy mbola vonona hamangy ny firenentsika, mitondra famonjena sy fanasitranana ary fitahiana ho azy. Hoy ny teny nampilazainy ny mpaminany : « Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin ‘ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon’ny maro. [Na: Iraky]. Nefa iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon’ny mpandrendrika sy ny savonin’ny mpanasa lamba. Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak’i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an’i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana. Dia ho mamin’i Jehovah ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema toy ny tamin’ny andro fahiny sy toy ny tamin’ny taona taloha” Mal.3:1-4.
Dia tandremo tsy hiavona ka handà ny fitiavan’Andriamanitra mahavonjy. Fa ny fandavan’ny Isiraely an’i Jesosy izay tonga hitondra famonjena sy fiainana ho azy, no anton’ny namaizan’Andriamanitra azy. Fa “Tonga tany amin’ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy” araka Jao.1:11. Dia nasehon’ny jiosy tokoa izany fandavany izany tamin’ny nanomboany an’i Jesosy tamin’ny hazo fijaliana, ary mbola nampiany teny manao hoe: “Aoka ny ràny ho aminay mbamin’ny zanakay” Mat.27:25. Ary satria tsy nahatsiaro tena nibebaka izy fa niziriziry tamin’ny avonavon-keviny, dia notanterahin’Andriamanitra taminy araka ny teny nataony, ka tsy latsaky ny enina tapitrisa ny jiosy no naringan’ny nazi tanatin’ny lafaoro fandorana nandritra ny ady lehibe faharoa (1939-1945). Fa hoy Jesosy tamin’ireo Jiosy: “Dinihinareo ny Soratra Masina, ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy. Kanefa tsy mety manatona Ahy hianareo hanananareo fiainana” Jao.5:39-40.
. Inona no hevitr’Andriamanitra? Mametraka safidy Izy, ka manao hoe: “Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza”, “koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao” Deo.30:15,19.
FEHINY
Ny fahavelomana? Dia ny miverina amin’Andriamanitra, miverina amin’ny fankatoavana Azy, miverina manompo Azy, miverina manome voninahitra Azy. Fa hoy ny Tompo: “izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka” 1 Sam.2:30. Fa nisy tokoa ny famaizana nataony; kanefa tsy mikendry ny hahafaty fa ny hahavelona. Fa “Famaizana ny anton’ny iaretanareo. Andriamanitra mitondra anareo tahaka ny zanaka” Heb.12:7. Dia ny hahasoa indrindra izany, araka ny fanambaran’ny mpanao Salamo manao hoe: “Soa ihany aho nampahorina, mba hianarako ny didinao” Sal119:71. Koa “ Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; Hazony izy, fa ainao” Oha.4:13. Aoka ny firenena hiverina tokoa amin’Ilay Mpahary azy, fa miverina amintsika Izy raha isika miverina Aminy, ary tsy ataony lavitra antsika ny famonjeny, fa hoy Izy: “Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain’i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra hianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy hianao” Isa.43:1. Fa Andriamanitra tsy mahafoy ny olony.
Ho voninahitr’Andriamanitra ao amin’ny anaran’i Jesosy. Amena.
D. Bruno Rabarihoela