Herinandro 11-16 Desambra 2017 “Ny Mesia, Andriamanitra mihavana amin’ny olony”

FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
Fiombonam-bavaka Alahady III amin’ny Advento
Herinandro 11-16 Desambra 2017
“Ny Mesia, Andriamanitra mihavana amin’ny olony”
*

Fitarihan-kevitra: Ny fahatongavan’ny Mesia, fihavanan’Andriamanitra amin’ny olona dia tanterahiny amin’ny alalan’ny famelana ny helony rehetra. Fa hoy Izy: ”Indro, ny tànan’i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare; Fa ny helokareo no efitra mampisaraka
anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy” Isa.59:1-2. Koa mba hahatanteraka ny fihaonan’ny olona Aminy, dia mitaona azy Izy hanadio ny tenany, satria ”izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita nyTompo” Heb.12:14b,
sady tsy afaka hihavana Aminy marina. Fa hoy ny Soratra Masina:: ”Mialà, mialà hianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova, hianareo izay mitondra ny fanak’i Jehovah” Isa.52:11. Raha ny marina, ny fahatongavan’ny Mesia dia fanavaozan’Andriamanitra ny
fanekem-pihavanany amin’ny olony. Hoy Izy:: ”Fa izao no fanekena haataoko amin’ny taranak’Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko”. Jer.31:33. Fa Andriamanitra tsy
manary ny olony, sanatria (Rom.11:1), fa mitady azy ( Lio.19:10), mba hahazoany miteny aminy hoe: ”Fiadanana ho anareo” Jao.20:19.

Alatsinainy 11: Ny Mesia mitondra famelan-keloka ho an’ny olony.
“Mitoria teny soa mahafaly amin’i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny, sady voavela ny helony” Isa.40:2a.
Vakiteny 1: Mat.1:18-25. Vakiteny 2: Isa.40:1-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.40:1-2. Teny manampy:
– “Nony ampitso dia nahita an’i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra [na: mitondra] ny fahotan’izao tontolo izao!”Jao.1:29.
– “Koa dia iraka [gr. ambasadôra]solon’i Kristy izahay, toa an’Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon’i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe: mihavàna amin’Andriamanitra anie hianareo. Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy kosa isika”

Talata 12: Ny Mesia manadio ny ankohonan’Andriamanitra.
“Eny, hanadio ny taranak’i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy” Mal.3:3b.
Vakiteny 1: Mat.21:1-17. Vakiteny 2: Mal.3:1-4. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mal.3:3-4. Teny manampy:
– “eny an-tànany ny fikororohany, ary Izy hanadio tsara ny eo am-pamoloany ka hanangona ny variny ho any an-tsompitra; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin’ny afo tsy mety maty” Mat.3:12.
– “ Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an’ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara izany” Tit.2:14.

Alarobia 13: Ny Mesia, famonjena ho an’ny olona rehetra.
“Ary ny nofo rehetra hahita ny famonjen’Andriamanitra” Lio.3:6.
Vakiteny 1: Mal.3:16-21. Vakiteny 2: Lio.3:1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.3:4-6. Teny manampy:
– “Notadiavin’zay tsy naniry Aho sy hitan’izay tsy nitady; hoy Izaho tamin’ny firenena izay tsy nantsoina tamin’ny anarako: Inty Aho ! Inty Aho !” Isa.65:1.
– “Indro Izy avy amin’ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Eny, Amena. Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha” Apok.1:7-8.

Alakamisy 14: Ny Mesia, Andriamanitra mamindra fo amin’ny olony.
“Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay..” Isa.57:16a.
Vakiteny 1: 1 Pet.4:12-19. Vakiteny 2: Isa.57:15-16. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.57:16. Teny manampy:
– “Fa Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika” Sal.103:14.
– “Fa famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà, ary fahalalana an’Andriamanitra noho ny fanatitra dorana” Hos.6:6.
– “Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory » Heb.13:5.

Zoma 15: Ny Mesia manasa ny mpanota .
“Izay hitanareo, dia asao ho ao amin’ny fampakaram-bady” Mat.22:9b.
Vakiteny 1: Isa.55:1-6. Vakiteny 2: Mat.22:1-9. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.22:8-9. Teny manampy:
– “Ary Jehovah, Tompon’ny maro, dia hanao fanasana ho an’ny firenena rehetra eto amin’ity tendrombohitra ity, dia fanasana
amin’ny zavatra matavy, fanasana amin’ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka, divay efa niotrika ela sady voadio tsara”
Isa.25:6.
– “ Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary. Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà (Hos 6:6); fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota” Mat.9:12-13.

Sabotsy 16: Akaiky Jesosy.
“Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna” Apok.3:20a.
Vakiteny 1: Mat.24:32-42. Vakiteny 2: Apok.3:14-22. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Apok.3:20. Teny manampy:
– “Indro, Izaho haniraka an’i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra;
ary izay hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany
amin’ny fandringanana” Mal.3:23-24.
– “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana” Apok.2:29.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *