Ilaina ny mitafy sy ny manana fahamasinana, indrindra amin’izao fotoan’andron’ny haizina sy ny fihemorana ary ny fahalovana izao. Antoka sy mariky ny famonjen’Andriamanitra sy fanamarinany ny mino izany, ary adidy masina apetrany aminy.
Ny mitafy, ary mitafy fahamasinana no maha-zanak’Andriamanitra sy maha olom-boahosotra. Hoy Paoly Apostoly: “fa ho hita mitafy isika, fa tsy mba mitanjaka” 2 Kor.5:3. Fa izay mitanjaka, izay adika eto hoe “tsy mitafy ny fahamasinana”, dia tsy hahita an’Andriamanitra (Heb.12:14), fa handositra hiery Azy aza, tahaka ny nataon’i Adama sy Eva tao Edena, rehefa avy nanota izy ireo (Gen.3:8), ary tsy hahazaka rahateo ny fanatrehan’Andriamanitra toa an’Isaia (Isa.6:5).
Fitafiana omen’Andriamanitra antsika ny fahamasinana, dia Kristy eto amintsika sy ato amintsika, araka ny voasoratra hoe: “Itafio Jesosy Kristy, ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filany” Rom.13:14. Fa ny fahamasinana dia tsy fe fiarovan-tena tsy hanota ihany, fa tena fandresena tanteraka ny ota tsy handavo na hanjioga ny mino (1 Jao.3:6,9).
Ny fahamasinana: kasen’ny maha-zanak’Andriamanitra mpandova an’Andriamanitra sy mpiray lova amin’i Kristy, mpandova ny fanjakan’Andriamanitra (Rom.8:17). Fa voasoratra hoe: “Ary izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa” Rom.8:30. Izany dia ny fahamasinana.
Ny fahamasinana no hery sy fahefan’Andriamanitra mandresy ny ota sy ny fahalovana ary ny herim-pahafatesana sy ny asan’ny maizina rehetra araka ny voasoratra hoe: “Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona (Isa.25:8)” 1 Kor.15:54. Asan’ny fahamasinana avokoa izany.
Ny fahamasinana, raha fintinina: aina, hery, voninahitra, fandresen’ny mino amin’ny alalan’i Jesosy Kristy izay momba azy sy mitoetra ao aminy. Fa “Kristy ao anatinareo, fanantenana ny voninahitra” Kol.1:27, dia fahamasinana ho antsika.
Fehiny: Fanaka omem-boninahitra ny olona manam-pahamasinana (2 Tim:2:21). Koa raiso, sy itafio ary ivelomy ny fahamasinana, ary tandrovy sy arovy amin’ny fahasaro-piaron’Andriamanitra, fa aza omena ny amboa na ny kisoa, hoy ny Tompo (Mat.7:6). Fa “ny voninahitro, hoy Izy, tsy omeko ny hafa” Isa.42:8.
D.Bruno Rabarihoela,
Fitaizam-Panahy: “Isika sy ny Fahamasinana”.
Toby Fanantenana 238. FLM 67 Ha.