Fiombonam-bavaka Taom-baovao – Epifania Herinandro 01-06 Janoary 2018

FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
Fiombonam-bavaka Taom-baovao – Epifania
Herinandro 01-06 Janoary 2018
“ Raiso ny fahasoavan„Andriamanitra ”
*

Fitarihan-kevitra: Raiso ny fahasoavan’Andriamanitra. Ny hoe ”fahasoavana” dia mazàna heverin’ny olona ho ny fahazoana ny zava-tsoan’ny tany ihany izay mety ho levona. Nananatra ny amin’izany ny Apostoly Paoly ka niteny nanao hoe: ”Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika” 1 Kor.15:19. Fa ny hoe: ”fahasoavan’Andriamanitra” dia ny hahazoantsika ny famelan-keloka sy ny fihavanana amin’Andriamanitra, mba handraisantsika ny famonjeny sy handovantsika ny fanjakan’Andriamanitra ho fiainana mandrakizay. Izany dia amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany. Fa amin’izany dia voasoratra hoe: ”Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin’i Kristy amin’ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra, araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika, rehefa notendreny rahateo amin’ny fitiavana isika mba ho Azy amin’ny fananganan’anaka amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan’ny fony, ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ny Malala. Izy no ananantsika fanavotana amin’ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika,  araka ny haren’ny fahasoavany” Efes.1:3-7. Koa rehefa nodioviny tamin’ny rany isika (1 Pet.1:18-19), dia nataony fanaka omem-boninahitra (1 Tm.2:20), imeny malalaka ny fahasoavany tsy misy fetra, ary amin’izao dia taona vaovao, dia ny ”TAONA ANKASITRAHAN’I JEHOVAH” Isa.61:2a.

Alatsinainy 01: TAOM-BAOVAO 2018. Raiso ny fahasoavan’Andriamanitra.
”He! hianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin’ny rano!” Isa.55:1a.
Vakiteny 1: Jao.4:1-15. Vakiteny 2: Isa.55:1-9. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.55:1. Teny manampy:
– “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana ”
Mat.11:28.
– “Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. Izay mino Ahy, dia hisy onin’ny rano velona miboiboika avy ao
an-kibony, araka ny voalazan’ny Soratra Masina” Jao.7:37-38.

Talata 02: Raiso ao amn’i Jesosy ny fahasoavan’Andriamanitra.
“Ary tsy misy famonjena amin’ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika
famonjena”Asa.4:12.
Vakiteny 1: Efes.2:1-10. Vakiteny 2: Asa.4:8-12. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Asa.4:11-12. Teny manampy:
– “Ary Jesosy niteny taminy hoe: Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany. Ary izy rehetra nankalaza Azy
sady talanjona noho ny tenin’ny fahasoavana naloaky ny vavany” Lio.4:21.
– “Fa tamin’ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana. Fa ny lalàna dia nomena tamin’ny
alalan’i Mosesy; [fa] ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy” Jao.1:16-17.

Alarobia 03: Araraoty ny famindrampon’Andriamanitra hahasoa.
“Tompoko, avelao ihany izy amin’ity taona ity mandra-pihadiko manodidina azy, ka hasiako zezika” Lio.13:8.
Vakiteny 1: Lio.19:37-44. Vakiteny 2: Lio.13:8. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.13:8-9. Teny manampy:
– “Sa hamavoinao ny haren’ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamorampanahin’Andriamanitra
dia mitaona anao hibebaka?” Rom.2:4.
– “Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro
azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao. Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ny
Tompo” Efes.5:15-17.

Alakamisy 04: Mandehana amin’ny lalan’ny fahasoavan’Andriamanitra.
“Ry taranak’i Jakoba, Avia, ary aoka isika handeha amin’ny fahazavan’i Jehovah” Isa.2:5.
Vakiteny 1: Jao.8:10-12. Vakiteny 2: Isa.2:1-5. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.2:5. Teny manampy:
– “Hitarika ny jamba amin’izay lalana tsy fantany Aho; ary amin’ny lalana tsy fantany no hitondrako azy; Ny maizina dia hataoko
mazava eo anoloany, ary ny mikitoantoana halamako tsara; Izany zavatra izany no hataoko aminy ka tsy hamelako”Isa.42:16
– “Fa maizina hianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava (fa ny
vokatry ny mazava dia ao amin’ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana), mamantatra izay ankasitrahan’ny
Tompo” Efes.5:8-10..

Zoma 05: Jesosy Kristy, fahasoavana ho an’izao tontolo izao.
“Fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa hianao, mba ho famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany”.
Vakiteny 1: Jao.3:16-21. Vakiteny 2: Isa.49:1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.49:6. Teny manampy:
– “Ary maro koa no nino noho ny teniny ka nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no
mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao” Jao.4:41-42.
– “Fa hoy ny Soratra Masina: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy (Isa.28:16). Fa tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa, fa iray ihany
no Tompon’izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Ary Izy. Fa izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no
hovonjena (Joe.3:5)” Rom.10:12-13..

Sabotsy 06: Ny fahasoavan’Andriamanitra mamindra fo.
“Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, Ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona” Mat.12:20.
Vakiteny 1: Eks.34:1-10. Vakiteny 2: Mat.12:15-21. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.12:20-21. Teny manampy:
– “Fa famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà, ary fahalalana an’Andriamanitra noho ny fanatitra dorana” Hos.6:6.
– “ hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony” Jao.8:11.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifimadanet.
org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *