Fiombonam-bavaka Alahady II manaraka ny Epifania Herinandro 22-27 Janoary 2018

FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
Fiombonam-bavaka Alahady II manaraka ny Epifania
Herinandro 22-27 Janoary 2018
“Andriamanitra maniraka ny mpaminany”
*

Fitarihan-kevitra: Sitrak’Andriamanitra ny fisian’ny mpaminany. Fa nataony ho vavolombelon’ny anarany sy solom-bavany eo anivon’ny firenena izay anirahany azy izy, ka nampitondrainy ny teniny mba hahatonga famonjena sy fitahiana araka ny voasoratra hoe: ”Mpaminany no nentin’i Jehovah nitondra ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta, ary mpaminany koa no nentina niahy azy” Hos.12:14. Fanompoana masina no ampanaovin’Andriamanitra azy, koa dia hoy Izy: ”Izay manana ny teniko dia aoka hanambara marina ny teniko” Jer.23:28. Fa na ny tenin’Andriamanitra aza dia tena efa voadio impito vao aloaky ny vavany (Sal.12:7). Fa nisy tokoa teo amin’ny tantaran’ny Isiraely ireo mpaminany tsy marina izay nisoloky niteny tamin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitra, ka hoy ny Tompo: ”Ireo mpaminany ireo dia maminany lainga amin’ny anarako; Tsy naniraka azy Aho, na nandidy azy, na niteny taminy; Fa fahitana mandainga sy faminaniana tsy marina ary tsinontsinona sy fitaky ny fony no aminaniany aminareo” Jer.14:14. Iankinan’ny ain’ny olona sy ny firenena tokoa ny teny aloaky ny vavany sy ny hafatra entiny, koa tsy avelan’Andriamanitra hangina izy, fa nataony hanambara ny teniny na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana (2 Tim.4:2). Ary dia hoy Paoly: ”Lozako raha tsy mitory ny filazantsara aho” 1 Kor.9:16. Toa an’i Josafata fehizay, dia taominy ny olona manao hoe: ”Minoa an’i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra hianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina hianareo” 2 Tan.20:20. Hoy Jesosy: ”Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy” Lio.10:16. Fa tsy zakan’Andriamanitra ny tsy fandraisana ny teniny ka hoy Izy: ”Ary na hihaino izy na tsy hihaino (fa taranaka maditra izy), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany teo aminy” Ezek.2:5. Tsy asa mora ny asan’ny mpaminany amin’ny maha-solo-vavan’Andriamanitra azy, koa dia izany no nampaherezan’i Paoly an’i Timoty manao hoe: ”Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana” 2 Tim.2:15.

Alatsinainy 22: Andriamanitra manendry ny mpaminany.
“Mpaminany no hatsangako ho azy avy amin’ny rahalahiny” Deo.18:18.
Vakiteny 1: Jao.15:9-16. Vakiteny 2: Deo.18:15-19. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Deo.18:18. Teny manampy:
– “Ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin’ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy
handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly” Jer.1:10.
– “Paoly Apostoly – tsy avy tamin’olona, na tamin’ny alalan’olona, fa tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray, Izay
nanangana Azy tamin’ny maty – mbamin’ny rahalahy rehetra izay ato amiko, mamangy ny fiangonana atỳ Galatia” Gal.1:1-2.

Talata 23: Andriamanitra no mifidy ny mpaminany izay irahiny.
“Fa ny adala amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry” 1 Kor.1:27a.
Vakiteny 1: Jao.15:9-16. Vakiteny 2: 1 Kor.1:26-31. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Kor.1:26-27. Teny manampy:
– “Efa nifidy anao Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro” Hag.2:23.
– “Ho fantany fa misy mpaminany tokoa ao amin’ny Isiraely” 2 Mpan.5:8.

Alarobia 24: Andriamanitra no mampiteny ny mpaminany.
“Indro, efa nataoko eo am-bavanao ny teniko” Jer.1:9.
Vakiteny 1: Mat.10:11-20. Vakiteny 2: Jer.1:4-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jer.1:9-10. Teny manampy:
– “Ary mahatò ny tenin’ny mpanompoko sy mahatanteraka ny saina atolotry ny irako” Isa.44:26.
– “Ary dia feno ny Fanahy Masina Zakaria rainy ka naminany hoe: Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny
olony Izy ka nanao fanavotana ho azy” Lio.1:67-68.
– “Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy
Masina azy” Asa.2:4.

Alakamisy 25: Ny mpaminany milaza ny tenin’Andriamanitra.
“Raha misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’Andriamanitra” 1 Pet.4:11a.
Vakiteny 1: Jer.23:25-32. Vakiteny 2: 1 Pet.4:7-11. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Pet.4:11a. Teny manampy:
– “Ary noho izany izahay koa dia tsy mitsahatra misaotra an’Andriamanitra, satria rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra izay
notorinay hianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra,…” 1 Tes.2:13.
– “Dia niteny tamin’ny Isiraely rehetra Mosesy sy ireo Levita mpisorona ka nanao hoe: Mangìna, ka mihainoa, ry Isiraely ô:
androany no efa tonga firenen’i Jehovah Andriamanitrao hianao. Koa henoy ny feon’i Jehovah Andriamanitrao,…” Deo.27:9-10.

Zoma 26: Ny mpaminany manambara famonjena.
“Anio no tonga eto amin’ity trano ity ny famonjena” Lio.19:9.
Vakiteny 1: Isa.40:9-11. Vakiteny 2: Lio.19:1-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.19:9-10. Teny manampy:
– “Akory ny hatsaran’ny tongotr’iry mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra
teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin’i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!” Isa.52:7.
– “ Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany” Rom.1:16.

Sabotsy 27: Izay mino ny mpaminany mandray fitahiana.
“Minoa ny mpaminaniny, dia hambinina hianareo” 2 Tan.20:20d.
Vakiteny 1: Jao.6:28-40. Vakiteny 2: 2 Tan.20:13-20. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 2 Tan.20:20. Teny manampy:
– “Ary Jesosy niteny tamin’ilay kapiteny hoe: Mandehana; tongava aminao araka ny ninoanao. Dia sitrana tamin’izany ora izany ilay
ankizilahy” Mat.8:13.
– “Izay mandray mpaminany, satria mpaminany izy, dia handray ny valim-pitian’ny mpaminany; ary izay mandray olona marina,
satria olona marina izy, dia handray ny valim-pitian’ny olona marina” Mat.10:41.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifimadanet.
org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *